Hoy Jesoa Tompo hoe
: "Andraso ary ny
ondriko" (Jaona 21:16)
Miarahaba anareo amin'ny anaran'ny Tompo
izahay sady mirary ny fahasoavany ho aminareo
mandrakariva.
Fifaliana ho anay eto amin'ny Tafo FPMA
Orléans ny mampahafantatra anareo fa noho ny fitahian'ny
Tompo dia tanteraka soa aman-tsara tamin'ny sabotsy 14 janoary
2012 teo ny fananganana ny Birao vaovao hitantana ny Tafo mandritra
ny roa taona ho avy, dia ireto avy :
Filohan'ny Tafo : Andriamatoa
FOCARD James
Filoha Mpanampy : Ramatoa
RAOEL Perle
Mpitahiry vola : Ramatoa RAZAFITRIMO Vola
Mpitantam-bola : Ramatoa FOCARD Liva
Mpitan-tsoratra : Andriamatoa
RAZAFITRIMO Laiary
Filohan'ny Vaomiera "Aim-panahy" : Andriamatoa
RANDRIAMANANTENA Guy
Filohan'ny Vaomiera "Enti-manana" : Andriamatoa
RAMIANDRASOA Eugène
Filohan'ny serasera sy
fifandraisana
amin'ny Zanaka am-pielezana : Andriamatoa
ANDRIAMIARISOA Christian
Filohan'ny Vaomiera "Fanentanana" : Andriamatoa
RAKOTOVELO Larry
Mpandini-bola : Andriamatoa RAOEL Rado
Amin'ny Alahady 5 febroary 2012 ho avy izao no
hahatanterahana ny fandraisan-tanana ireo Diakona 10 mianadahy
voafidy hitantana ny Tafo sy ny fametrahana amin'ny asany ireo
Birao vaovao. Koa fifaliana ho anay koa ny manasa anareo hanatrika
izany sy hitondra izany am-bavaka. Ny fanompoampivavahana dia hatao
ao amin'ny :
CHAPELLE ST
FRANCOIS
123 AVENUE DE LA PAIX - 45800 ST JEAN DE BRAYE
MANOMBOKA @ 10 ORA 1/2 MARAINA
Manao veloma hotahian'Andriamanitra anareo
izahay ary manonona ny fiadanan'ny Tompo ho aminareo.
Ny Mpitandrina
Heritsimba
Antoine Ramarokoto ANDRIANASOLO