A free template from Joomlashack

A free template from Joomlashack

majunga016.JPG

Firy

Il y a actuellement 1 invité en ligne

visiteurs depuis le 26 janvier 2006

Calendrier

« < Février 2012 > »
L M M J V S D
30 31 1 2 3 4 5
6 7 8 9 10 11 12
13 14 15 16 17 18 19
20 21 22 23 24 25 26
27 28 29 1 2 3 4

Radio Fpma

Tonga Soa
Tonga soa Febroary 2012 Convertir en PDF Version imprimable Suggérer par mail
pasitera   

« Ary Jesosy nahalala izany, dia nananao taminy hoe : Nahoana……” Mar.8. 17

Anisan’ireo teny sarotra ao amin’ny baiboly ity azontsika ity. Kanefa dia milaza ny zava-misy ihany koa. Jesosy sy ny mpianany no lazaina amin’izao teny izao. Rah any ankabeazan’ny baiboly , indrindra fa ireo mpandinika ny filazantsara nosoratan’I Marka no fintinina dia matetika izy ireo no manohatra izao toe-javatra izao amin’ny Jesosy sy ny manam-pahefana na ara-mpivavahana izany na aram-panjakana. Izany moa dia azo omena sary toy ny “mofo” sy ny “masirasira”.

Vao avy namoky olona izay lazaina fa naira-nipetraka taminy nandritry ny teloandro ary voalaza fa ny lehilahy ihany dia efa efatra arivo no isany. Rehefa avy nihaino Azy ireto olona ireto dia onena Jesosy ka, alohan’ny hampodiany azy ireto, dia nomeny hanina aloha dia ny mofo fito ary ny hazandrano madinika maro (Mar.7.7). Fito sobika no ambin’izany mofo izany.

Taorian’izany ny Fariseo, dia tonga naka fanahy Azy tamin’ny alalan’ny fitadiavana famantarana ahafantaran’izy ireo hoe iza marina tokoa moa ity Jesosy ity ?

Eto indray dia ny mpianatra no miady hevitra satia sadinon’izy ireto ny nitondra saka dia mofo izany. Kanefa ny tena sakafo dia miaraka amin’izy ireo dia Jesosy izany. Nahafantatra izany adihevitra izany indrindra fa ny toeran’izany tao am-pon’ireto mpianatra ireto Jesosy dia nampianatra azy ireo. Ka tamin’ny “ankamantatra” no fomba isehoan’izany. Ankamantatra na fanontaniana mikasika ny mofo, ny fo, ny maso, ny sofina sns.. Tao ny momba ny tena mivantana ary tao koa ny momban’ny fiarahan’I Jesosy tamin’izy ireo dia ny famahanana ireo olona maro indroa miantoana (ny lehilahy fotsiny no efa mihoatra ny dimy arivo ary efatra arivo) kanefa ny sakafo dia nisy ambiny hatrany. Tsy ny masirasira akory no nampitombo ireo sakafo natolotr’I Jesosy ireto olona ireto fa tao ny fandaminana ary tao koa indrindra ny amin’ny maha Andriamanitra Azy izay manampahefana amin’ny zavatra rehetra. Io fahefan’I Jesosy io tiany ho fantarin’ireto mpianatra ireto (Mar.8.21). Ny masirasira dia mety miseho amin’ny fomba maro toy ny fahazarana eo amin’ny fivavahana (fariseo ohatra) na koa ny toe-tsaina mirona ho fahalalaham-pitondrantena sy ny fomban’izao tontolo izao (Heroda) ka mitarika ny fiangonana hiendaka hanohitra an’I Kristy sy ny Teniny.

Fantatr’I Jesosy ny ao am-ponao, eny na vao tsy miloaka akory azan y vavanao satria Andrimananitra izy. Aza miandry ny hanontany anao hoe: Nahoana no …. Fa kosa aoka isika hiaiky fa efa namonjy anao Izy. Dia ho Azy irery ihany ny voninahitra.

Raha ny asa eto amin’ny fiangonana FPMA no lazaina dia tsotra: taom-panavaozana ireo tompon’andraikitra na diakona izany na hafa ity taona ity. Betsaka ny fifidianana izay atao. Koa mba ho olona mahalala tokoa ny Tompo no voafidy fa tsy olona mahatsiaro izay tokony ,hataony fa tsy nanantanteraka.

Ny eto amin’ny FPMA Dijon indray dia amin’ny volana marsa 2012 izao izany no ho tanterahina koa dia moiangavy anao mba hitondra izany amim-bavaka.

Koa raha mandalo eto Dijon ianao dia aza misalasala ny mivily sy mamangy.

Aza mandalo tanana misy havana e !

 
Suivant >
 
Joomla Templates by Joomlashack