|
I°) Ny UGBM :
Fiforonany : Fikambanana Ara-Pilazantsara
niorina ofisialy t@ 09 Desambra 1971 teny Ankatso t@
alalan’ny mpianatra oniversitera miisa 9 izay resy lahatra fa
Jeso Kristy no Tompony sy Mpamonjiny ary tapa-kevitra fa hanambara
izany @ mpiara-mianatra aminy.Mpampianatra Matematika tera-tany
Frantsay antsoina hoe Gérard KUNTZ no fitaovana
nampiasan’ny Tompo nitarika ireo olona 9 ireo ka nanangana
voalohany ny Groupe Biblique Universitaire de Madagascar
teto Antananarivo (GBU).Niitatra tany @ Faritany ny
Fikambanana ka t@ taona 1974 no nitondrany ny anarana hoe
UGBM.Miombona ao @ Groupe Biblique Universitaire d’Afrique
Francophone (any Bénin no Foibeny ) sy ny Union
Internationale des Groupes Bibliques Universitaires na
International Fellowship of Evangelical Student ( any Angleterre no
Foibeny ) izy.
Ny Vinany : Mahafantatra an’i
Kristy sy mampahafantatra Azy @ mpianatra ( ambaratonga faharoa sy
ambony ).Mpianatra voavolavolan’ny fiaraha-monin’ny
mpanara-dia an’i Kristy,voaovan’ny Filazantsara,misy
fiantraikany @ Sekoly,@ Fiangonana,@ Fiaraha-monina mba ho
voninahitr’i Krisy ka avo 2 heny no isan’ny mambra @
taona 2020.UGBM Mijoro,Mandroso,Mampandroso ka miezaka hahenika
an’i Madagasikara @ alalan’ny asa famakiana lay rehefa
mankalaza an’Andriamanitra @ faha-50 taonany @ 2021.
Fomba Fiasany : Fitoriana sy
Fiofanana @ alalan’ny Fiaraha-Mandinika ny Soratra Masina
satria ny Tenin’Andriamanitra no Fahefana fara-Tampony mifehy
ny fiainan’ny Mambra @ zavatra rehetra eritreretiny sy
lazainy ary ataony.Fanaovana Toriteny sy fitoriana Filazantsara any
@ Vondrom-Bavaka any an-tsekoly sy any @ toeram-ponenan’ny
mpianatra.Fampiasana ny Vavaka ho Maotera mampandeha ny asa.Manaiky
ny fitarihan’ny Fanahy Masina @ zavatra rehetra.
II°) Vokatra azo tao
anatin’ny 40 taona niorenan’ny Fikambanana ( 09
Desambra 1971 – 09 Desambra 2011) :
- Namokatra olona maro toy ny
mpitsabo,injeniera,mpampianatra @ ambaratonga
rehetra,teolojiana,mpandraharaha,teknisiana,mpamboly,mpanao asa
tanana sns…izay mijoro vavolombelona any @ toeram-piasany
avy.
- Olona mandray andraikitra @ sehatra
samihafa eo anivon’ny Firenena,Fiangonana,Se koly
sns…
III°) Tetik’Asa @ ho
avy :
- Fanohizana hatrany ny Fitoriana ny
Filazantsara izay vain-dohan-draharahan’ny Fikambanana sy ny
Mpikambana ao aminy satria « Tsy maintsy hotoriana @
Firenena rehetra ity Filazantsaran’ny
Fanjakan’Andriamanitra ity vao ho tong ny farany »
araka ny Matio 24.14
- Fanangonana ireo olona rehetra efa
nandalo sy niaina teto anivon’ny Fikambanana sy ny eo
am-perin’asa rahateo mba hifarimbona mandrakariva
hiara_manatratra ny VINA
- Fananganana ny Corps Professionnels izay
enti-manamafy ny fanatrarana ny VINA @ maha-misionera,@ maha
mpandraharaha Kristiana,@ maha mpitarika ho @ fanovana,@ maha
mpitondra ny etika sy fitondrantena mendrika azy ireo.
- Fikojakojana sy fintrandraha ny ny
fananan’ny Fikambanana mba hanatrarana ny VINA
- Fananganana Tsangambato ho fanamarihana
izao faha-40 taona izao ao @ Foiben’ny Fikambanana miorina eo
Antsahameva Andraisoro akaikin’Ankatso ( Lot II F 35 Bis ) ka
ny fametrahana ny Vato Fehizoro dia ny 09 Desambra 2011.
- Fiezahana @Fampiorenana ny Mambra sy
Fitaizana azy ireo @ lafiny maha-olona manontolo izay antsoinay hoe
« Approche Holistique du Ministère
« .
-
IV° ) Lohahevitra banjinina @
izao faha-40 taona izao : « Ao amin’i Kristy
eto @ izao tontolo izao,voaantso ho @ Fiainana VOAOVA na MIHAVAO
«
V° ) ANTSO : mba hanome
tanana sy fanampiana ara-pitaovana sy ara-bola ho an’ny UGBM
ny sehatra rehetra na Mpitondra Fanjakana fa mpiara-miasa aminareo
izahay mamokatra olo-marina ilain’ny Firenena,na @ Mpitondra
Fiangonana fa misionerinareo izahay mitory ny Filazantsara eny @
Sekoly,na @ Sekoly Ambaratonga rehetra fa mpiara-miasa aminareo
izahay @ fitaizana hahazoana olom-banona ilaina ho any @ sehatra
rehetra .
Ny Filoha : Pasteur RATOVONA Pascal
Ny Tonia : Dr RAKOTOMALALA A. Benjamina
Antananarivo 05 desambra 2011
|