A free template from Joomlashack

A free template from Joomlashack

majunga004.JPG

Radio Fpma

Tonga Soa arrow Vaovao arrow ROUEN : ZAIKABE FPMA 2011
ROUEN : ZAIKABE FPMA 2011 Convertir en PDF Version imprimable Suggérer par mail
pasitera   

HAFATRA
Vita soa aman-tsara ny ZAIKABE NASIONALY nataon’ny FPMA tany ROUEN, nanomboka ny Asabotsy 29 oktobra maraina ka niafara tamin’ny Alahady 30 oktobra tamin’ny 5 ora latsaka fahefany tolakandro. Vahoakan’Andriamanitra marobe avy eo anivontsika FPMA no tonga nanatrika iny Zaikabe iny, satria ankoatra ireo olona nifamoivoy nandalo sy ny efa lasa nandeha nialoha, dia nahatratra 900 mahery isika no tonga nanatrika ny Fanompoampivavahana famaranana. Isaorana tokoa Andriamanitra, fa nasehony miharihary ny fitahiany.

Tanteraka tamintsika tokoa ny Tenin’Andriamanitra voalazan’ny Mpanao Salamo hoe : «Raha tsy Jehovah no manao ny trano, dia miasa foana ny mpanao azy.» Salamo 127, 1, sy izay nampilazainy ny apostoly Paoly, hoe : «Fa tsy nomen’Andriamanitra fanahy osa isika, fa fanahy mahery sy fitioavana ary fahononan-tena. Koa aza menatra ny ho vavolombelon’ny Tompontsika…

miasà amin’ny tahotra sy ny hovitra hahatanteraka ny famonjena anareo. Fa Andriamanitra no miasa ao anatinareo na ny fikasana na ny fanaovana hahatanteraka ny sitrapony.» II Timoty 1, 7- 8ª; Filipiana 2, 12b-13.

Misy zavatra vitsivitsy tsara homarihana fa azo lazaina ho nampiavaka iny Zaikabe Nasionaly natao tany ROUEN iny :

. Ankoatra ny maha Fihaonambe ifankahitan’ny vahoakan’Andriamanitra ato amin’ny FPMA ny Zaikabe (satria eo amin’ny sehatra nasionaly dia mandritra ny Zaikabe no afaka manatrika daholo ny rehetra, fa ny solontena voafidy ihany no manatrika ny Synoda Lehibe), dia fotoana isian’ny Fiofanana ho an’ny vahoakan’Andriamanitra rehetra koa ny Zaikabe. Isika FPMA dia manana Sampandraharaha telo lehibe misahana ny Fampiofanana : Ny Soritrasampiangonana (SAP), ny Komity Nasionaly mandrindra ny Projet Laika (KNPL), ary ny Fiarahamiasan’ny Mpitandrina ato amin’ny FPMA (FMM). Miara-miasa akaiky eo ambany fitarihan’ny

Birao Foibe ireo Sampandraharaha telo ireo, koa natsangana teo am-panomanana iny Zaikabe iny ny Komity Nasionaly mandrindra ny Fampiofanana (na Synergie) nitantana sy nanomana ny Fampiofanana rehetra, teo ambany fitarihan’ny Solontenan’ny Birao Foibe nampiandraiketina izany. Koa izy efatra mirahalahy mianaka tompon’andraikitra voalohany : Pasteur Falimanana

RAHARINDRANTO avy amin’ny BF, Pasteur Seth RASOLONDRAIBE avy amin’ny SAP, Atoa Bruno RANDRIANARIMANANA avy amin’ny KNPL, Pasteur Desiré ANDRIAMAMPIANINA avy amin’ny FMM, niaraka tamin’ny Solontena samihafa sy ny avy amin’ny Faritany Avaratra Andrefana nandray ny Zaikabe, notarihin’ny Mpitandrina Mpandrindra ny Faritany : Pasteur Solohery RAOBINARISON, no namolavola ny Fandaharana rehetra, nifandray mivantana tamin’ny Birao Foibe notarihan’ny Filohan’ny FPMA, Dr Jean A. RAVALITERA. Nivory tsy tapaka sy nifanakalo hevitra, na nifanatri-tava na tamin’ny alalan’ny Conférence téléphonique izy ireo.

Tsapa tokoa fa Rehefa samy miaina ao anatin’ny fifampitokisana sy ny fahatsiarovana ny hasarobidin’ny andraikitra izay

nomen’Andriamanitra, dia mandeha tsara mihitsy ka tsy misy alokaloka na dia kely aza ny fiaraha-miasa eo amin’ny samy

olom-boantson’Andriamanitra hanao ny asany.. Nialoha ny Zaikabe dia tsy nitsahatra ny nifanafatra isika ny mba hitondrantsika

vahoakan’Andriamanitra ato amin’ny FPMA, na isan-tokantrano, na isan-tafo, na isam-paritany, na isan-tSampana iraisana, amam-bavaka izany fihaonambe hataontsika izany. Nahariharin’Andriamanitra ny valim-bavaka rehetra nataontsika ny mba ho ny voninahitr’Andriamanitra Irery ihany no hiseho amin’ny fotoana rehetra.

. Nahafinaritra sy tena mampisaotra an’Andriamanitra ny hafanampo sy fitiavana nasehon’ny vahoakan’Andriamanitra ato amin’ny FPMA nandray anjara mavitrika tamin’ny fotoana rehetra nandritra ny Zaikabe. Na teo amin’ny fandraisana ireo famelabelarana natao, na tany amin’ny atrikasa samihafa (ateliers), na tamin’ny fihaonan’ny Sampana isan-tokony, dia maro foana ny mpanatrika ary samy nandray anjara araka ny tandrifiny avy. Nezahina ihany koa mba hanana ny anjara toerany ireo tompon’andraikitra rehetra ato amin’ny FPMA, koa niniavina ny tsy nanasa olona hafa avy any ivelantsika, fa Mpitandrina ato amin’ny FPMA sy Tompon’andraikitra amin’ny Sampana sy Sampandraharaha no nomena anjara famelabelarana.
Na dia niteraka fisalasalana sy fanamarihana aza teo am-piandohana ny tsy fisian’ny toerana tokana hahafahan’ny rehetra miara-milasy toy ny natao tamin’ny Zaikabe tany aloha, fa voatery nitady hotely avokoa ny ankamaroan’ny mpizaika, misaotra an’Andriamanitra fa tsy nahasakana ny fahatongavana maro izany. Saika nahatonga mpizaika avokoa ireo tafo 38 sy Fiaraha-mivavaka 2 ato amin’ny FPMA, ka azo lazaina fa tena nahavory olona maro tokoa iny Zaikabe nasionaly teo iny. Nomen’ny apostoly Paoly ho ohatry ny finoana i Abrahama, araka ny nosoratany hoe : «ary tsy niahanahana ny amin’ny teny fikasan’Andriamanitra tamin’ny tsi-finoana izy, fa nampaherezin’ny finoana ka nanome voninahitra an’Andriamanitra ary natoky fa izay nolazainy dia hainy hatao koa. Dia nisaina ho fahamarinany izany.» Romana 4, 20-22.
Tonga zanak’i Abrahama isika amin’ny finoana sy fahatokisana ny Tenin’Andriamanitra, koa na tsy mitovy aza ny sehomanodidina ivelany (contexte) nanehoana ny finoantsika sy izay nataon’i Abrahama, zava-dehibe mandrakariva kosa ny ateraky ny finoana sy fahatokisana an’Andriamanitra ary ny fanomezam-boninahitra Azy.
Be ireo asa mbola miandry antsika, taorian’ny Fotoam-pifaliana nandritra iny Zaikabe iny. Sarobidy amintsika ny hahatonga antsika ho tena vahoakan’Andriamanitra velona amin’ny toe-panahy araka an’Andriamanitra. Izany no nametrahantsika ilay fanamby lehibe ny mba hananan’ny FPMA Mpitandrina matihanina eo amin’ny andraikiny anivon’ny tafo tsirairay avy,amin’ny fitaizana ny vahoakan’Andriamanitra amin’ny fiainana maha-olona manontolo sy amin’ny olona rehetra. Iray amin’ny Fampianaram-pinoana nozaraina tany amin’ny Zaikabe ny «Lanja omena ny fahalalan-tanana mba ho fitaizana ny kristiana hahay manome (Culture du don : lechrétien et la libéralité)» Hoy ny teny famaranana nataonay teo amin’ny famelabelarana, ary averinay eto indray hamaranana ity lahatsoratra ity : «Nefa tsy toy ny mitady fanomezana no ilazako izany ; fa mitady ny vokatra izay hitombo ho voninahitrareo aho. Fa manana ny zavatra rehetra aho sady manana amby ampy aza... Fa Andriamanitra hahatanteraka izay tokony ho anareo araka ny hareny amin’ny voninahitra ao amin’i Kristy Jesoa. Ary HO AN’ANDRIAMANITRA RAINTSIKA ANIE NY VONINAHITRA MANDRAKIZAY MANDRAKIZAY. Amena.»

Paris, FOIBEN’NY FPMA, Maison du Protestantisme, Novambra 2011

Ny Filohan’ny FPMA,

Pasteur Jean A. RAVALITERA

Docteur en Théologie (PhD)

 
< Précédent   Suivant >
 
Joomla Templates by Joomlashack