|
..fa izay rehetra manana dia homena, ka
hanambe izy; fa izay tsy manana kosa, na dia izay ananany aza dia
halaina aminy ?. Mat.25.29
Miarahaba antsika tratr’izao alahady
mialohan’ny farany taom-piangonana 2011 izao indray. Mariky
ny famindrampon’Andriamanitra amintsika rehetra
nohon’ny fitiavany antsika.
Ary raha ny teny izay novakiantsika
tamin’ity andro anio ity dia milaza koa fa efa mifaram-parana
ny fampianarana nataon’i Jesosy ary ny fandalovany tety
an-tany. Koa , raha ny filazantsaran’i Matio no jerena dia
misy fanontaniana 2 tiana ho jerena,
* Ahoana no fomba ijerena izao teny izao
?
* Fomba ahoana no hiainana azy ?
Ahoana no fomba ijerena izao teny
izao?
Mpandinika maro no mahatsapa fa miverina
indroa izao teny izao ao amin’ny filazantsara Raha ny
filazantsara nosoratan’i Matio. Ny ventin-dresaka dia ny
fanjakan’Andriamanitra.:
* 13.12 : fa izay manana no homena, ka
hanana be dia be izy, fa izay tsy manana kosa , na izay ananany aza
dia hesorina aminy. Jesosy nampianatra tamin’ny fanoharana
momba ny fanjakan’ny lanitra. Ny zava-misy dia
iresahan’i Jesosy amin’ny fanoharana ireto vahoaka
ireto satria natao tsy azvela hahalala ny
fanjakan’Andriamanitra toy ireto mpianatra izy ireto. Ny hoe
manana dia azo adika koa hoe nahazo avy tamin’Andriamanitra.
Fomba iray izay azo amaritana ny mpianatr’i jesosy izany
eto.
* 25.29,fa izay rehetra manana dia homena,
ka hanambe izy; fa izay tsy manana kosa, na dia izay ananany aza
dia halaina aminy. Entina hilazana izay hiseho amin’ny
fitsarana izay ho avy raha miverina ity olona lazaina fa handeha
any amin’ny tany hafa ka nanolotra ny fananany
amin’ireto mpanompony 3. Fanoharana ilazana ny amin’ny
fanjakan’Andriamanitra koa izany. Ny talenta moa dia ilazana
ny vola tamin’izany fotoana izany.
Manoloana izao fiverenana indroa izao dia
misy milaza fa izao teny lazain’i Jesosy tamin’ny
mpianany izao dia fomba fiteny tamin’ny fotoana androny.
Vola, harena no resahina eto. Olona iray no niantso ny mpanompony,
dia nanolotra azy ny fananany samy araky ny fahaizany avy : ny
voalohany talenta dimy (5), ny faharoa talenta roa (2) ary ny
fahatelo nahazo talenta iray (1).
Betsaka ny fanotaniana mety mipetraka toy
ny hoe : ireto talenta izay nomena an’ireto mpanompo dia tsy
nolazain’ny tompony akory izay hanaovan’ireto
mpanompony azy. Ny tantara no mampiseho amintsika fa hay natao
hampiasaina/hapetraka/hampitomboina ireto fananana ireto. Tao ny
nampitoimbo izany ary dia nahazo tombony toa an’ireto 2
voalohany ary tao ny nandevona izay nomena azy ka tsy mba
nampitombo izany.
Manakaiky ny fotoana handaozan’i
Jesosy izao fiainana izao. Ka manome fampianarana momba ny
fanjakan’ny lanitra na ny fanjakan’andrimanitra
amin’ny alalan’ny fanoharana izy.
* Tao ny momba ireto virjina folo ka ny
dimy afaka nanatrika ny fanambadiana ny dimy tsy nanana solika
ahazoana niandry ny fahatongavan’ity mpampakatra.
* Izao fanoharana momba ny mpanompo izao
izay hita fa mizara roa : ao ny nampitombo ny talenta nomena azy
ary tao kosa ny nandevina izany.
Samy nantsoina daholo ireto olona ireto
dia ny virjina folo (10) izany ary koa ireto mpanompo telo (3) izay
aseho eto. Samy nizara roa izy ireto. Ny tafiditra ka afaka
nanatrika ny famparana ary ireto tavela ety ivelany. Ireto mpanompo
izay nahazo fankasitrahana tamin’ny mpanompony dia izy roa
lahy izay nampitombo izany ary koa ilay nandevina ny talentany.
Koa izao teny izao dia jerentsika
amin’izay tokony hiainantsika eo am-piandrasana ny
fiveran’i Jesosy.
Ahoana tokoa moa izany no tokony ho
fiainantsika
Amin’ny maha fanoharana azy, ny
talenta dia azo rasina hoe izay nomen’Andriamanitra anao :
mety ho harena izany. Izao talenta izao dia mifono hevitra moba ny
fahatokisana ary ny fahamalinana. Aoka isika ho mahatoky
hatramin’ny farany izay nomen’ny Tompo antsika. Kanefa
koa tokony ho malina isika satria ilay fahavalo na ny devoly dia
mamingana koa etsy an-kilany. Raha mijery ny tohiny Mat.25.31 isika
dia mahita fa hisaraka tokoa toy ny ondry sy ny osy ny mpianatry ny
Tompo amin’ny fahatongavany.
Ny zava-dehibe amin’izao teny
azontsika anio izao dia ny ampisehoan’i Matio lava dia lava
ny amin’izay tsy tokony hataontsika. Ny tanjona dia ny mba
tsy hanarahantsika ny fiaina’ity mpanompo tsy mahatoky ka
nandevina ny vola izay nomena azy. Lazainy ny tompony fa mila voa
tsiary, mijinja eny amin’izay tsy namafazana ary manangona
eny amin’izay tsy nanahafana . Izany raha fintinina ny
fahafantaran’ity mpanompony ny Tompony.
Fantatry ny Tompo isika tsirairay avy. Efa
nomeny araky ny herintsika/fahaizantsika avy isika. Ataoko io teny
hoe nomena araky ny fahaizana io dia tena manome toky antsika
satria midika hoe mitovy daholo izay voaraitsika
tamin’Andriamanitra. Matoa nahazo isika izay dia io azontsika
io no tokony hiainantsika. Tsy hampiononana antsika izany fa koa
mba hitiantsika amin’Ilay nanome fa izy no nanome ary izy koa
no niantso antsika handray anjara miaraka aminy amin’ny
fanitarana ny talentany. Raha adika tsotra dia ny fanitarana ny
fanjakan’Andriamanitra. Asan’nyt tsirairay avy izany
tahaka izay hita eto. Afaka tsy niantso an’ireto mpanompony
ireto ity Tompo ity kanefa kosa te-hampiseho amin’ireto
mpanompo ny fitokisany amin”izy ireto.
Miandry antsika hiasa eo amin’ny
fanjakany ny Tompo eo am-piandrasana ny fiverenany. Efa betsaka
ireo azontsika tamin’ny Tompo izay. Eny fa na dia ny
nahatongavantsika eto Frantsa avy tany Madagasikara, na koa tonga
eto Dijon avy tany Antalaha ary indrindra ny fahatongavantsika eto
am-piangonana niala avy tany an-trano. Ny Tompo dia te-hanome anao
kanefa kosa alohan’izany dia aoka isika aloha
hampitombo/hampiasa izay efa nomeny antsika.
Anisan’ny fampiaharana izany ny fety
izay ataontsika amin’ny asabotsy izao izay entintsika
hitoriana ny filazantsara.
Raha tsaroanao fa nanafin-talenta ianao
teto amin’ity Tafo ity dia aza misalasala fa miantsoa anao ny
Tompo ary te-henome anao talenta vaovao indray.
Ny fahatokisana no hafatra atolotra
antsika amin’ity anio ity. Ny hijoroantsika
vavolombelon’izany fitiavan’Andrimanitra izany.
Amen
D.ANDRIANARIVO, pasteur
Toriteny FPMA DIJON
Alahady 13 novambra 2011 |