|
Ry havana malala ao amin’ny
Tompo,
Ho aminareo rehetra anie ny Fahasoavana sy ny
Fiadanana avy amin’Andriamanitra Ray sy Zanaka ary Fanahy
Masina !
«Efa imbetsaka ary tamin'ny
fomba samihafa no nitenenan'Andriamanitra fahiny tamin'ny
razantsika tamin'ny alalan'ireo mpaminany; fa amin'izao andro
farany izao kosa dia tamin'ny alalan'ny Zanany no nitenenany
tamintsika. Io Zanany io no naharian'Andriamanitra izao tontolo
izao, ary notendreny koa ho mpandova ny zavatra rehetra»
Hebreo 1, 1-2
- Mila fandinihantena mandrakariva
isika mba hiasa handrosoan’ny Fiangonantsika.
Fahasoavana ho antsika ny
fahafahan’ny Mpitandrina sy ny laika miara-miasa eo
anivon’ny Fiangonantsika, ka tokony ho zava-dehibe hatrany
noho izany ny fiainam-bavaka mba tsy hahatonga fakam-panahy, araka
izay nampitandreman’ny teolojiana tanora iray, hoe :«
«Il ne faut pas se tromper de priorité et confondre
l’Église avec une sorte de libre-service
destiné à satisfaire les besoins spirituels des
consommateurs attirés par une vitrine plus alléchante
que celle d’à côté» . Hoy
Luther hoe : « Tsy manana vatana roa Kristy, iray laïka
ary iray mpitondra fiangonana. Izy no loha ary vatana iray
ihany Izy (Le Christ n’a pas deux corps, l’un
laïc, l’autre ecclésiatique. Il est une
tête et il a un corps)». Hoy ihany izy
hoe : «Mpisorona daholo isika rehetra, izany hoe mitovy ny
fahefana ananantsika manoloana ny Tenin’Andriamanitra sy ny
sakramenta, na dia tsy misy olona na mihitsy aza mahazo mampihatra
mihitsy izany fahefana izany raha tsy nahazo alalana tamin’ny
fiangonana (nous sommes tous prêtres,
c’est-à-dire que nous avons le même pouvoir
à l’égard de la Parole et de tout sacrement,
bien qu’il ne soit permis à personne d’user de
ce pouvoir sans le consentement de la
communauté)». Samy
hampamoahan’Andriamanitra isika any aoriana.
- Mila fifampifehezana sy fifanajana
isika samy isika eo amin’ny fiaraha-miasa. Aoka
hilaozantsika lavitra ny fahazarana mitaky ary mangataka fotsiny
ary mifampitsikera, fa tokony samy hihevitra avokoa isika izay
tokony hataontsika tsirairay avy hirosoana ho amin’ny
fivoarana bebe kokoa. Mila fanatsarana hatrany hatrany ny serasera
(communication), ary tandrovina toy ny anakandriamaso ny
fifankatiavana. Aza hamaivanina ny fandraisana anjara amin’ny
adidy “tsy maha-olon-dratsy” antsika.
Mirary Noely sambatra 2011 ho anareo ary
miandrandra sahady ny taona vaovao 2012 izay antenaintsika
hahatsapantsika indray ny asan’Andriamanitra eo
anivon’ny Fiangonantsika izahay. « Ianareo kosa, ry
hava-malala, ataovy izay handrosoanareo amin'ny finoana masina
indrindra efa anananareo, ka mivavaha omban'ny herin'ny Fanahy
Masina; mitahiriza tena ao amin'ny fitiavan'Andriamanitra, ka
mahandrasa ny famindrampon'i Jesoa Kristy Tompontsika hahazoanareo
fiaina-maharitra mandrakizay.» Joda,
20-21
Mamangy sy manao veloma anareo
amin’ny anaran’Ilay tia antsika !
Nosoratana teto Paris, Foibe FPMA, 10 desambra
2011
Dr Jean A. RAVALITERA,
Mpitandrina
Filohan’ny FPMA
|