A free template from Joomlashack

A free template from Joomlashack

majunga063.JPG

Radio Fpma

Tonga Soa arrow Vaovao arrow Soritr'Asam-Piangonana na ny SAP !
Soritr'Asam-Piangonana na ny SAP ! Convertir en PDF Version imprimable Suggérer par mail
pasitera   

NY SAP na ny Soritr'Asam-piangonana ?
Tetik'asa eto amin'ny FPMA izany nanomboka tamin'ny taona 2002 tany ho any. Mba hafantaranao azy dia indro atolotray etoana ny tatitry ny Tale P. Seth RASOLONDRAIBE, tamin'ny synaoda izay natao tamin'ny 208 lasa teo.


Tatitry ny synaoda 2008
31 oktobra-2 novambra 2008

Faly miarahaba antsika mpamonjy Synaoda amin’ny anaran’i Jesosy Kristy Tompon’ny Fiangoanana sy Tompon’ny asa rehetra apetrany amintsika. Manao izao Tatitra izao mba ho fampahafantarana ny asa vita sy ny asa miandry antsika ao anatin’ny sehatr’asa SAP.Azo zaraina telo lehibe toy izao ny Tatitra : Ny Taloha, ny Ankehitriny ary ny Ho Avy

NY TALOHA: 2002-2006

Ny Synaoda 2002 tany Toulouse no nanapahana fa handroso amin’ny SAP ny FPMA. Dia nofidin’ny Synaoda tamin’izany izay ho Talen’ny Soritr’Asam-Piangonana. Nentina teo amin’ny KM 20-21 Septambra 2003, ny “Projet d’Eglise” miaraka amin’ny firehana teolojika, “Fiombonana manao asa misiona...” . Ny Synaoda tsy ara-potoana tany Rouen ny volana Novembre 2003 no nanapaka fa aroso amin’izay ny asan’ny SAP. Nangatahana fanampiana avy amin’ireo Vondrom-piangonana miaramiasa amin’ny FPMA ny SAP ka ny LWF no namaly sy nanohana izany asa izany.

Na dia tamin’ny taona 2005 aza vao voaray ny ampahany voalohany tamin’ny fanampian’ny LWF dia efa natomboka ny Fiofanana tamin’ny taona 2004. Notohizana izany tamin’ny taona 2005 sy 2006. Na dia tsy maro araka ny nantenaina aza ny olona tonga tamin’ireny fiofanana ireny dia azo lazaina fa tafiditra tsikelikeny teo amin’ny Tafo sy Faritany maro eto amin’ny FPMA ny Faharesen-dahatra fa tena ilaina ny SAP.

NY ANKEHITRINY: 2006-2008

Mahafaly fa lohalaharana amin’izany faharesen-dahatra izany ny Filoha Synaodaly sy ny Birao Foibe izay tarihiny. Izany no nahatonga ny Synaoda tany Orléans handray fanapahan-kevitra fa hampiarahina ny SAP sy ny Zaikaben’ny FPMA.

Dia tafaraka tokoa ny Zaikabe sy ny Lasy SAP tamin’ny volana Novambra 2007. Tena nahitana vokatra tsara izany satria tsy ireo tompon’andraikitra ihany ankehitriny no resy lahatra ny maha zava-dehibe ny SAP fa ny maro amin’ireo Mpino ato amin’ny FPMA tonga nanatrika ny Zaikabe 2007. Ankehitriny dia efa tafatambatra ho Boky ny fampianarana tamin’ny Lasy 2004-2005-2006. Hohezahina hampidirina ao anatin’izany koa ireo tamin’ny 2007 ka hozaraina amintsika amin’izao Synaoda 2008 izao.

NY HO AVY: 2008-2009-2010

Tapitra amin’ny faran’ny taona 2008 ity ny enina taona voalohany izay nametrahana ny SAP amin’ny toerana tokony hisy azy ato amin’ny FPMA.

Tsaroanay manokana tao anatin’izay enina taona izay ny fahamarinan’ny tarigetran’ireo Mpanitsy fivavahana (Reformateur) milaza fa “Ny fitomboan’ny Fiangonana dia miankina amin’ny fahalalana sy ny fiainan’ny Mpino ny Tenin’Andriamanitra”. Noho izany, miankina amin’ny toerana omena ny Soratra Masina eo amin’ny Tafo iray ny fandrosoana sy ny fitomboan’ny Fiangonana. Koa io fitomboana io dia fitomboan’ny aim-panahy sy fitomboan’ny isa.

Noho izany, amin’izao enina taona manaraka izao, raha tiana hitombo tokoa ny FPMA dia tsy maintsy atao vaindohan-draharaha ny hitomboan’ny Mpino rehetra amin’ny finoana. Efa voalaza matetika tamin’ireny Lasy SAP ireny fa tsy safidy apetraka eo anoloan’ny Fiangonana ny hitombo na tsy hitombo amin’ny finoana. Raha te ho velona ny Fiangonana dia tsy maintsy mitombo. Noho izany dia tsy maintsy mitombo ao aminy koa ny Soratra Masina sy ny fiainana izany.

Izany no antony anolorana indray eto amin’ny Synaoda, ho amin’ny enina taona ho avy izao ity Soritr’Asa manaraka ity: "Mise en place de la Catéchèse de toute la communauté dans toutes les paroisses FPMA". Marihina etoana fa tsy manafoana ny Soritr’Asa teo aloha izao fa lalana hitomboana bebe kokoa ho amin’ny « mission holistique » sy ny « fiombonanana manao asa misiona ».

Koa indro atolotra antsika ary ny Soritr’Asa 2008-2009-2010. Dia ho an’Andriamanitra irery ny Voninahitra.

Ny Talen’ny Sorit’Asa

Pasteur Seth RASOLONDRAIBE

 
< Précédent   Suivant >
 
Joomla Templates by Joomlashack