|
pasitera
|
|
Toa
hitako Ianao fadiranovana aok'izany
Misento anaty, malahelo ary koa mitomany
Te hiarin-tsy tafarina ka onena dia onena.
Latsaka anaty kizo. Indrisy re ry Firenena !
Toa
hitako Ianao atolaky ny onjan-drano
Te hisoroka ny loza, te hanilika ny angano
'Njao manotika tanaty, ny alahelo no tonena
Indrisy, eny, indrisy ! Indrisy re ry Firenena !
Toa
hitako Ianao miandrandra famonjena
Manoloana izato Fetin'ny Fahaleovantena
Fadiranovana tokoa, maradratra sy ferena
Indrisy, eny, indrisy ! Indrisy re ry Firenena !
Toa
hitako Ianao, toa hitako ry Nosy Mena,
Sadaikatra manoloana izato Fetim-pirenena.
Te hifaly, te hiravo, nefa indraika tena fanina
Mahita ireo mijaly, tsy mba manana hohanina
Frantsa, 26 jiona
2010
Antsiva
http://www.haisoratra.org/article.php3?id_article=1107
|