A free template from Joomlashack

A free template from Joomlashack

majunga004.JPG

Firy

Il y a actuellement 35 invités en ligne

visiteurs depuis le 26 janvier 2006

Calendrier

« < Février 2012 > »
L M M J V S D
30 31 1 2 3 4 5
6 7 8 9 10 11 12
13 14 15 16 17 18 19
20 21 22 23 24 25 26
27 28 29 1 2 3 4

Radio Fpma

Tonga Soa
Isan-keritaona faha 21 : Vita soamatsara Convertir en PDF Version imprimable Suggérer par mail
Administrator   

Isaorana ny Tompo Jesosy fa tanteraka soa aman-tsara ny isan-taonan’ny sampana fifohazana FPMA izay natao tany Dannemarie-sur-Crête any akaikin’ny Besançon ny 6 ka hatramin’ny 14 jolay 2010.

Roa sosona ny loha-hevitra nodinihina tamin’izany. Ka ny voalohany dia ny voalohany dia ny bokin’I Joela, mpaminany zanak’I Petoela (Rapeto) izay ahitana an’ireo kazam-biby izay mikiky, manaparitaka, milelaka ary mandany. Ka izay tsy voakiky dia aripaka. Izay tsy voaripaka dia lelafina ary izay tsy voalelaka dia laniana na diovina.

Raha adika amin’ny fitenintsika amin’izao vanim-potoana misy antsika izao dia izany no fototry ny hoe “bio-diversité” raha ny fahadiovana no resahina. Io karazam-biby io dia oharina amin’ny fanday izay miofo ho valala, ny valala indray miova ho voangory ary ny voangory lasa kijeja rah any dikan-teny DIEM no arahina. Izany dia vokatry ny fisarahan’ny olona amin’I Jehovah Andriamanitra hany ka tsy misy miangana ny asa ataony fa lanin’ireo biby ireo ny vokatry ny hatsembohan-dra-olombelona. Ho fanafodin’izany dia mitaona ny olona hiverina amin’I Jehovah andrimanitra I Joela mpaminany amin’ny alalan’ny fanenenana ary ny fiverenan-doha amin’ilay Andriamaniny . Vokatr’izany dia mampanantena Jehovah fa hanao zava-dehibe Izy (Joela.2.21 sns..) amin’ny tany izay hiha-maitso ka hanome ahitra ho hanin’ny biby any an-tsaha , ny famoazan’ny hazo sy ny famokaran’ny aviavy sy voaloboka. Ary izany rehetra izany dia misy fiantraikany amin’ny olombelona izay tokony hiravoravo satria ho voaonitra ireo nosimban’ireo biby maro samihafa nanimba ny fiainany. Tamin’ny fomba maro no nampitaina izany tamin’ireo mpamonjy lasy fia ny fanazavana ny amin’ny andron’I Jehovah, rah any bokin’I Joela no jerena, ny fitahian’Andriamanitra ny olony ary ny maha saro-piaro an’Andriamanitra izay hanavao ny zavatra rehetra. Izany fampianarana izany dia notontosana isa-maraina.Ny faharoa kosa dia nifantoka betsaka tamin’ny bokin’Isaia , izay mbola mpaminany ihany koa. Izany dia nifantoka amin’ny hoe “Inty aho , iraho aho” (Isaia.6.1-8). Ny mpitandrina Razafiarison Emilien ary Lily vadiny no niaraka nanazava izany. Nianga tamin’ny boky izay nosoratany ny fampianarana nataon’izy ireo.

Nandritry ny isankerintaona iny dia nisy ireo fahasoavana maro izay niseho tamin’ny fomba maro. Isa-maraina, ohatra, manomboka amin’ny 6 ora, dia tao ireo fijoroana vavolombelona izay nataon’ireo nahazo izany (marihina fa nohon'ny fe-potoana dia betsaka notsy afaka nanatanterak izany) , tao koa ny fizarana tenin’Andrimanitra hanamafisana izany fijoroana vavolombelona izany. Nisy koa ny ireo raiamandreny izay nanolotra ny zanany tamin’ny batisa ary ireo tanora izay nifanaiky teo anatrehan’Andriamanitra sy ny fiangonana fa hivady araka ny fanambadiana kristiana.

Nifarana tamin’ny fanolorantenan’izy 12 mianaka hanatanteraka ny asan’ny mpiandry eto amin’ny FPMA ny fotoana ny alarobia 14 jolay 2010. Izany moa dia notanterahana tamin’ny alalan’ny fanokanana azy ireo amin’izany asa fanompoana izany.

Raha ny mpandray anjara no resahina :

Ny mpampianatra: maro karazana tao ny ireo mpitandrina eto amin’ny FPMA izay notarihin’ny Filoha synaodaly Ravalitera Jean mpitandrina. Tao koa ireo izay nasaina manokana avy any ivelany toa an’Atoa Razafiarison Emilien mivady izay avy any Madagasikara, ny Atoa Andriatsimialomananarivo Solomon, mpampianatra teolojia avy any Abidjan-Côte d’Ivoire, Atoa Tehindrazanarivelo Djakob Emmanuel, mpampianatra teolojia any Antananarivo. Tsy hadinoina koa ireo mpitandrina maro avy amin’ny fiangonana rahavavy toa an’ny ERF izany ary ireo mpianatra teolojia maro.

Azo lazaina fa miha maro ireo izay manaraka ny isantaonan’ny Fifohazana FPMA . Tsy ny Malagasy irery ihany fa betsaka ireo vazaha izay tonga na avy eto an-toerana (France) izany na avy any ivelany. Betsaka ireo mpiandry avy amin’ireo Toby maro samihafa no tonga nanatrika izao isan-taona izao. Marihina moa fa ny Fifohazana FPMA dia tsy miankina amin’ny Toby any Madagasikara fa mahaleotena tanteraka. Ny fomba fiasa kosa dia manaraka ny toby lehibe any Ankaramalaza.

Mihoatra ny 500 tany ho any ny isan’ireo mpanatrika izany. Saiky tonga daholo ireo mpiandry avy amin’ny Faritany 6 eto amin’ny FPMA. Betsaka ireo mpitandrina no tonga nitondra ny tenin’Andrimanitra tamin’izany. Nisy ny fiofanana manokana izay natao ho an’ireo tanora. Ireo ankizy koa dia tsy very anjara fa nahazo ny azy. Rehefa tonga moa ny fotoan’ny “Gala evangélique” dia samy afaka nanatanteraka ny anjarany avy izy ireo. Rehefa miaraka ny be sy ny maro dia nisy ny fandikana izany mivantana amin’ny teny frantsay satria nisy vazaha na ireo havantsika izay tsy mahazo ny teny Malagasy tonga nanatrika izao isan-taona izao. Ny vahiny tsy nampoizina dia ny famaranana ny adibaolina ankitra izay natao tany Afrika atsimo izay azon’ny mpankafy izany narahina satria sendra tsy nisy fandaharana manokana moa nandritr’izany.

Ankasitrahana etoa ireo tompon’andraikitra maro izay niara-nisalaha tamin’ny fanatanterahana izao isantaona izao tamin’ny ankolafiny maro izany. Tsy ho ary voatanisa eto avokoa. Ny Tompo anie hanonitra izay laninareo tamin’izany.

Fehiny, Isaorana ny Tompo Jesosy izay antoky ny fisian’izao isantaona izao. Manonitra izay rehetra lain’ireo izay lazaina va kazam-balala izay nalefany ka namely ny fiainatsika Izy rehefa vita fihavanana aminy isika. Izany no antony anolorantsika ny tenantsika ho azy ka itenenantsika hoe “Inty aho , Iraho aho”. Izy kosa miteny amintsina hoe Ara matahotra ry Tany fambolena, miravoa sy mifalia, fa manao zava-dehibe Jehovah”. Koa ny fijoroantsika vavolombelona any amin’ny Tafo na Fiangonana izay nametrahan’ny Tompo antsika no akon’izay noraisintsika tamin’izany isantaona izany.(http://www.jingoo.com/liste_photos.php?id_album=133751)

Dia ho Azy irery ihany ny voninahitra.

 
< Précédent   Suivant >
 
Joomla Templates by Joomlashack