VAVAKA
FANGATAHAM-PITAHIANA 04 jona 2000
Fotoam-pamaranana ny Jobily faha 2000 taona
nitoriana
ny Vaovao
Mahafaly sy Jobily faha 40 taonan'ny
Fiangonana
Protestanta Malagasy aty Andafy (FPMA)
Endrey ny fahasoavana iantsoanao anay
!
Na dia tsy mendrika aza, hiombona Aminao ry Ray,
Tombon'andro omenao koa hiaraha-mankalaza
Ny taon-Jobily faha 2000 ho an'ny lehibe sy ny zaza.
Fanomezan-tsarobidy tsy azom-bola aman-karena.
Fitahiana tsy hita lany, lafo noho ny volamena.
Saotra, dera, laza, hery, ho Anao ry Ray Tsitoha,
Tompon'aina, Zanahary, tia sady manasoa.
Ianao no manosotra ireo Vavolombelonao
Mba ho iraka eo anivon'izao tontolo izao.
Feno roa arivo taona ny Vaovao Mahafaly,
Dia Ilay Teny tonga Nofo, tonga hanafaka ny jaly.
Samy mankalaza izany ny Fiangonana eran-tany,
Ho voninahitrao irery, ho voninahitrao ihany.
Isaoranay tokoa Ianao ry hany Tompon'ny Tantara
Fa tsy tapaka androm-pety ny tafo maro tsy ho
voambara.
Tojo efapolo taona ny FPMA, ka indreo miara-paly
Ny zatovo maitso volo sy ny maintimolaly.
Koa iraho ny Fanahy hitahiry ny Finoana,
Hampahery lalandava amin'ny Asa Fanompoana.
Ireo tsy manatrika eto, ombao ny elatrao ry Ray,
Ireo tsy manana mpiahy, kivy ratsy, mikolay,
Sanganehana isan'andro, miatrika ady mahamay,
Ampaherezo raha misento, tohano tsy hangaihay.
Ireo Malagasy havanay, tsy hohadinoina ihany koa,
Mba sakambino Ray ô, aza avela hamoifo !
Ity Taon-Jobily ity anie ho hanitra ankasitrahanao
Ary handresy ny tontolo ireo olona malalanao
Ka tsy ho diso zava-tsoa fa hahazo aina vao,
Tsy handraraka ilo mby an-doha ny mpino nitokianao !
Ho torotoro anie satana, ny fanjakany koa ho lao !
Ny Fiangonana eran-tany, angony ho tonga vala iray,
Hetahetanay tokoa izany, mba henoy ny vavakay.
Amin'ny anaran'i Jesoa dia Ilay Zoky tia anay no
angatahanay izany.
Amena !
Antsiva,
Versailles faha 04 jona 2000