A free template from Joomlashack

A free template from Joomlashack

majunga015.JPG

Radio Fpma

Tonga Soa arrow Toriteny arrow ny didiko hotandremana ...
ny didiko hotandremana ... Convertir en PDF Version imprimable Suggérer par mail
pasitera   
...raha tia Ahy hianareo, dia hitandrina ny didiko. Jao 14.15
Ry havana malala,
Anio no alahady izay antsoina koa hoe alahady Pentekosta, raha adika dia hoe 50 andro aorian’ny Paska. Tao jerosalema no miseho ny Tantara ary i Lioka , izay nanoratra ny filazantsara faha 3 ihany no manoratra sy mitantara izao amintsika. Amin’ny maha Jiosy an’ireto mpianatra ireto dia nijanona tao Jerosalema izy ireo nohon’ny antony izay fantatsika dia ny nameperan’i Jesosy tamin’izy ireo mba hijanona any Jerosalema. (Asa.1.4). Koa ankoatr’ireto mpianatra ireto izay nandalo fotoantsarotra tokoa satria nanatrika ny fisamborana, ny nanombohana ka nahafatesan’i Jesosy ary ny nitsangany tamin’ny maty izay mbola karazan’ny tsimbaratelo ihany aza. Dia maro ireo jiosy avy amin’ny firenen-tsamihafa no tonga nankalaza ny Paska, ny pentekosta ary andro firavoravoana hafa. Fa inona marina moa ity Pentekosta ity ?
* ny andro firavoravoana manarakaraka ireo herinandro fito (Eks.34.22; Deo.16.10) dia ny Pentekosta jiosy tany Jerosalema arak’izay voalaza a ary ny anome ny fiadanako ho anareo.
* Andro fananterana ny voalohambokatra (Nom.28.26). Ny mofo izay naterina ho an’i Jehovah tamin’izany andro izany dia natao tamin’ny sata-bary voalohany indrindra.
* Fahatsiarovana ny nanomezan’Andriamanitra ny lalàna tao Sinay (Eks.19.20). Koa ny Pentekosta izany no andro firavoravoana manaraka ny Paska izay ankalazaina ny alahady araky ny fandehan’ny volana sy izay araky ny masoandro
Zava-mitranga: Milaza Jesosy fa hankany amin’ny Rainy Izy; Kanefa tsy hamela ireto mpianany ho kamboty Izy fa hisy mpisolo Azy dia ny Fanahy Masina izay hirahin’ny Rainy amin’ny anarany (26); io fanahy Masina io dia Mpananatra, Mpanampy, Mpampahery na koa Mpisolovava. Io Fanahy Masina io no hamapahatsiaro amin’ireto mpianatra ireto izay efa nolazain’i Jesosy Tompo izay handeha ho any amin’ny Rainy. Izany Fanahy izany anefa dia ho an’izay tia azy ihany. Ka ny fanehoana izany dia amin’ny alalan’ny fitandremana ny didiny (21) na koa izay mitandrina ny teniny (23). Manambara zavatra roa lehibe amintsika izany dia ny :
* Didiny izay tsy hafa fa ny didy izay nomen’Andriamanitra ny Zanak’Isiraely ao amin’ny Testamenta taloha tamin’ny alalan’i Mosesy. Io didy io dia napetraka tamin’ilay atao hoe trano lay fihaonana na tabernakely raha mbola teny an-dalana hanakany amin’ny tany tondran-dronono sy tantely izy ireo dia ny tany Kanana izany. Fa rehefa tonga kosa izy ireo dia tao amin’ny Tempoly ao Jerosalema no nametrahana izany didy izany. Nasaina hotandremana izany satria manoro ny lalana mankany amin’ny Ray
* Teniny izay tsy hafa fa ny didy amin’ny fomba hafa indray. Ny tenin’ iIay izay nahatanteraka ny lalàna no tokony harahina satria lalana iray izay mitondra koa mankany amin’ny Ray izany.Izaho no lalana sy Fahamarinana ary Fiainana. Tsy misy lalana hafa mankany amin’ny rainy afatsy amin’ny alalany. Io no lazaintsika fa Testamenta vaovao. Koa ny fitandremana izany Tenin’i Jesosy izany no milaza fa Tia Azy isika. Ary izany fitiavany antsika izany no mitondra fiadanana ho antsika na koa ho an’izay tia Azy. Ny olana anefa dia betsaka ireo izay tia azy, ao ny jiosy , ao ny jentilisa sns.. Samy manana ny fombany izy ireo ka ahoana no ahazoana miara-monina ?
Ny zava-baovao : Zavatra telo no ho jerentsina ny amin’ny fomba itantaran’i Lioka izao zava-niseho tamin’ny andro pentekosta izao: feo tonga tampoka avy any an-danitra toy ny rivotra mahery nifofofofo ka nanenika ny trano izay mampahatsiaro ny tany amin’ny tendrombohitra sinay, Ireo jiosy maro avy amin’ny firenena maro izay volazan’ny mpaminany joela ary ny fiteny maro mampahatsiaro ny tilikambon’i Babela.
1. Tendrombohitr’i Sinay : ho fiomanana ny fanomezanan ny lalàna na ny didy folo tao amin’ny tendrombohitra Sinay izay nivoan-tsetroka satria Jehovah nidina teo amboniny tao anaty afo. Ary nihorohoro mafy ny tendrombohitra sinay rehetra (Eks.19.18).Ary dia nomen’i Jehovah an’i Mosesy ny Didy folo. Te-hilaza i Lioka eto fa mihoatra nohon’ny fankalazana fanao isan-taona ity Pentekosta indray mandeha ity satria ny Fanahiny no omeny ny olony mba ahazoany mahazo ary miaina ny lalàna. Izany no antony iray ilazana ny Fanahy Masina hoe Mpananatra (Jao.14.15à) (Parakleto: Mpampianatra, Mpananatra, Mpampahery, Mpisolo vava). Izany dia atokana ho an’Izay voa antso ihany. Tsy voasoratra amin’ny vato tahaka ny didy folo ity fanomezana ity fa hosoratana amin’ny fon’ny olona
2. Izao ilatsahan’ny fanahy Masina izao dia fahatanterahan’izay voalaza ao amin’ny Mpaminany Joela.3 : Ary amin’ny farany , hoy Andriamanitra no handatsahako ny Fanahiko amin’ny nofo rehetra. Teny izay ampahatsiarovin’i Petera (Asa.2.17). eto I Petera no mitondra fanazavana ny amin’izay zava-niseho indrindra ny amin’i Jesosy avy any Nazareta izay tsy fantatry ny maro ny fisiany. Mijoro vavolombelona momba ny asa nataon’i jesosy i Petera ary izany moa dia mitondra fibebahana ho an’ny olona izay voatsindrona tao am-pony.(Asa.2.38). Misy ny Fanomezana ho an’izay mandray an’i Jesosy dia ny Fanahy Masina. Manamafy ny fahatanterahan’ny faminaniana nataon’i Joela , mpaminany ny fisian’ireto Jiosy avy amin’ny firenena samihafa : Asia, Afrika, Pelestina, eoropa ary izay lazaina fa jentilisa dia ny proselita izany.
3. Ny tilikambon’ny babela dia fantantsika fa nikororohan’andrimanitra ny tenin’ny olombelona mba tsy hitovy ha hifankahazoany. Eto anefa izany tsy fitoviazam-piteny izany dia ampisain’andrimanitra ahazoan’ny rehetra mahazo an’ilay hafatra tokana dia ny famonjena ao amin’i Jesosy Kristy avy any Nazareta ho an’ny rehetra. “L’unité dans la diversité). Nohon’ny Fanahy Masina dia afaka mitory ny famonjen’i Jesosy Kristy amin’ izay teny tsy hainy ireto Galiliana ireto. Izay ny amin’ny fitantaran’i Lioka an’izay niseho fa ho anao izay mihaino : Mby aiza ny Toeranao ?
Mila misafidy ianao Hitantsika amin’izao tantara izao fa nisy ireo olona maro tokoa avy amin’ny firenena samihafa tonga tany Jerosalema hankalaza ny fetin’ny Pentekosta. Tao ny jiosy, mpivavaka tsara, tao koa ireo izay lazaina fa proselyta, ireo jentilisa nanaraka ny fivavahana jiosy ka nanaiky hatramin’ny famorana azy ireo. Ireo olona izay fatra-panaja ny lalàn’ny fonba fivavahana jiosy no iantefan’izao tenin’ireto mpianatr’i Jesosy Kristy avy Nazareta izao. Hitantsika amin’izany fa misy antokon’olona eto manoloana ny Asa lehibe nataon’Andriamanitra: ao ireo izay efa nahita izany ka nanandrana azy, ao ireo izay mbola mila ilazana azy.
1. Mpianatr’i Jesosy avy any Nazaretra :nanaraka ny fampianaran’i Jesosy ary nahita izany Asa lehibe ataon’andrimanitra izany. Ireo no nolazaintsika tamin’ny farany teo fa fototry ny fijoroana vavolombelona momba izany Asa lehibe nataon’andrimanitra tao amin’i jesosy Kristy avy tany Nazareta. Ireo no nomeny hery tamin’ny nilatsahan’ny Fanahy Masina. Azo lazaina koa fa voaloham-bokatra izy ireto . Io Fanahy Masina io no nampiteny azy ireto tamin’ny fiteny maro samihafa ka azon’ireto olona tafangona. Tsy niteny izy ireto fa nampitenenina. Io Fanahy io tokoa no mampiteny antsika fa tsy anjarantsika ny miteny izay tiantsika holazaina. Manome fitaovana ho an’izay irahiny ho amin’ny faran’ny tany ny Tompo ary anisan’izany ny fitenenana an’ireo fiteny maro izay misy eto amin’izao tontolo izao. Vita hatreo ny “barrière de langues”.
2. Izay lazaina fa mpivavaka tsara. Mbola tsy nandre na nahalala an’izany Jesosy Kristy avy tany Nazareta izany. Hany ka tsy mahalala ny asa lehibe nataon’Andriamanitra.Betsaka no mamonjy fetim-piangonana toy ny Pentekosta fa vitsy no mandray ny asa lehive izay ankalazana an’Andriamanitra toy izao andro Pentekosta izao. Mety ho an’isan’ireo olona tsy tapaka fa mankany am-piangonana isan’alahady ianao, mivavaka aloha’ny sakafo sns.. Miantso anao ny Tompo. Hoy izy aminao amin’ity anio ity : miverena aminy indray. Raiso ka ekeo fa avy tamin’izany Jesosy avy tany Nazareta izany tokoa ny asa lehibe izay natao hamonjena anao ka hananao ny fiadanam-po izay tsy hain’izao tontolo izao omena na raisina. Atao eo anatrehanao anio ny fiainana ary ny fahafatesana, koa mifidiana ny fiainana dia Jesosy Kristy mba ho velona hianao. Ny fanahy izay mananantra, mitarika ary misolo vava anao no omena anao ahazoanao mitandrina ny didin’Andriamanitra..
Izany tokoa no ahazoana mampiseho fa tia an’Andriamanitra ianao. Manakalaza ny fetin’ny pentekosta isika amin’ity anio ity. Pentekosta izay anamafisan’ny Tompo ny maha iray ny fiangonana fa isika na dia maro aza dia tena iray tokoa ao amin’ny Kristy. Voninahitra anie ho an’Andriamanitra Ray sy Zanaka ary Fanahy Masina, izay hatramin’ny taloha indrindra ka ho mandrakizay.Amen

D.ANDRIANARIVO
FPMA Dijon
Pentekosta 2010
 
< Précédent   Suivant >
 
Joomla Templates by Joomlashack