"..Ary ianareo no tsy
maintsy nitoriana ny tenin'Andriamanitra aloha",
Asa.13.46 aha ny taom-piangonana no lazaina, anio
dia alahady faha 4 manaraka ny Paska izany hoe ny
nitsanganan’i Jesosy tamin’ny maty. Marihina fa eo
anelan’elan’ny Paska ary ny alahady Pentekosta dia misy
alahady 7 izay no maha 50 andro azy (7 andro * 7 herinandro = 49
andro). Alahady 7 izay nandrenesantsika ny asan’ny
apostoly izay nosoratan’i Lioka, ny Apokalipsy ary ny
filazantsara izay nosoratan’i Jaona. Anio isika dia
namaky tao amin’ny filazantsaran’i Jaona izay
nilazan’i Jesosy fa “Izy sy ny rainy dia iray
ihany” Jao 10.30. Ary io Jesosy izay milaza fa iray
amin’ny rainy io no torin’i Paoly sy Barnabasy tany
Antokia any Pisidia. Fa nahoana moa Jesosy no milaza fa Izy sy
ny Rainy dia iray ihany ? Ny Jaona 10 Jesosy namonjy fety lehibe dia
ny fahatsiarovana ny nanokanana ny Tempoly tany Jerosalema no
tantaraina eto. Marihina moa fa in-telo no naorina ity tempoly ity
ka ny 1.nataon’i solomona tamin’ny
1004 fony tsy mbola nizara ny fanjakana ary noravan’i
Nebokadnezara 2.tamin’ny fiverenan’ny Z.I
tany amin’ny fahababoana (-515) 3.nataon’i Heroda Lehibe (-19) ary
noravan’i Titosy. Fanitarana an’ilay faharoa ihany
ity. Koa ny fahatsiarovana eto dia ny
fanokanana izay nataon’i Jodasy Makabeo tamin’ny taona
-164 rehefa avy nolotoin’i Antiokosy IV ny
tempoly. Teo no napetrak’ireto jiosy ireny
ny fanontaniana hoe : ambaram-pahoviana no hampisalasalanao
anay ? Raha hianao no Kristy lazao marina aminay.(24). Dia
hoy Jesosy : efa nilaza taminareo ihany aho, nefa tsy nino
ianareo. Ny asa izay ataoko no manambara ahy. Ianareo tsy mino
satria tsy mba isan’ny ondriko : izay mihaino ny feoko ka
manaraka ahy..Ny ondrin’i Jesosy dia fantany satria
nomeny fiainana mandrakizay izy ireo ary tsy misy maharombaka azy
eo an-tanan’i Jesosy. Izao teny izao dia efa
nialohavan’ny hoe Izaho no mpiandry tsara, ary fantatro ny
ahy sady fantany Aho (14). Misy fifankafantarana eo amin’i
Jeosy sy ny ondriny. Ny tena olana tamin’ireto jiosy ireto
dia ny ilazan’i Jesosy ny fifandraisany amin’izay
lazainy fa Rainy. Niteraka fisarahana teo amin’izy ireo izany
(19); imbetsaka no niteraka fisarahan-tsaina teo amin’i jiosy
ny fampianaran’i Jesosy (7.43, 9.16) Raha izao Jao.10 izao ihany no ho
raisintsika dia ahitantsika an’i Jesosy milaza ny tenany
: ·izaho no vavahady,
vavahadin’ondry(7,9) ·izaho no mpiandry tsara
(11,14) ary dia manohy izy ny
amin’izay tokony ho toetry ny ondry ary koa ny tokony ho
toetry ny mpiandry. Lazain’i Jesosy eto fa vonona Izy ny
hanolotra ny ainy hamonjy ny ondry (14). Ary dia izany
fifandraisan’ny ondry sy ny mpiandry azy izany no
entin’i Jesosy manambara ny asa ataony eto amin’izao
tontolo izao. Koa ny fanolorany ny ainy mba handraisany
an’ireto ondry ireto no itiavan’ny Rainy Azy. Ary Izy
sy ny Rainy dia Iray ihany ary dia izany no nakan’izy ireo
vato hitorahany Azy satria miteny ny tenany ho andrimanitra
Jesosy. Izany koa no ambara amintsika
amin’ity anio ity. Iza no mpiandry anao ? Mba manana mpiandry
ve ianao ? Raha misy izany, iza ? Lazain’i Jesosy fa manana
ondry hafa izay tsy ao antin’ny vala ity izy (16). Ny hitory
amin’izy ireny no nairahan’i Jesosy ny mpianany toa
an’i Paoly sy Barnabasy izay norenesintsika tao amin’ny
Asa.13.
Ondry hafa
Nirahin’i Jesosy ny Mpianany
mba hitory ny filazantsara, satria efa nandray maimaim-poana
ianareo hoy Izy dia manomeza maimaimpoana. Nandao an’i
Jerosalema izy roalahy mba hankany amin’ity hoe Antokia any
Pisidia. Rehefa tonga tany izy roalahy dia niditra tany
amin’ny synagoga satria sabata ny andro. Toy ny ho mandeha
any am-piangonana satria alahady. Ny synagoga moa dia toerana
iangonan’ireo jiosy izay any am-pielezana (diaspora). Ary
rehefa nomena fitenenana i Paoly dia nilaza mazava fa izahay
mitory ny filazantsara aminareo dia ilay teny fikasana nolazaina
tamin’ny razana (32) dia ny momba an’i Jesosy
Kristy izany araky ny filazan’ny soratra masina azy.
Lazain’izy ireto fa aoka ho fantatrareo ry rahalahy fa izany
lahilahy izany no itoriana ny famelan-keloka ary koa anamarinana
izay tsy azo nohamarinina tamin’ny lalàn’i
Mosesy. Izany teny nolazain’i Paoly
sy Barnabasy izany dia norenesin’ireto : Jiosyampielezana, · izay lazain’i Lioka hoe
proselyta (43) (tsy jiosy kanefa nandray ny fivavahana jiosy
ka niroso hatramin’ny famorana azy ireto) · izay lazaina hoe “matahotra
an’Andriamanitra” (tsy jiosy izy ireto kanefa kosa resy
lahatra ny amin’ny fivavahana jiosy). Tamin’ny sabata voalohany
dia tsara tokoa ny nandraisan’ireto jiosy an’izy
roalahy. Fa tamin’ny faharoa dia tonga ary hita fa nisy ny
fizarana teo amin’ireo olona tao amin’ny synagoga.
Nohamafisin’i Paoly sy Barnabasy tamin’ny fahasahiana
fa ianareo aloha no tsy maintsy itoriana ny
Tenin’andrimanitra aloha (46) fa rehefa manda ianareo dia
hitodika amin’ny jentilisa izahay.arak’izay
nohafaran’i Jesosy tamin’nireo mpianany dia ny apostoly
izany ao amin’ny Matio 10 dia ny fitoriana any
amin’ireto ondry verin’ny Zanak’Isiraely aloha.
Fa rehetfa tsy mandray ireo dia ahintsano ny vovoka eo
amin’ny kapanareo mba ho mariky ny fandalovanareo ary ny
fandavany ny filazantsara izay entinareo. Notanerahin’izy roalahy
izany ka dia nitodika nakany amin’ny jentilisa izy roalahy.
Faly ny jentilisa ka nankalaza ny tenin’Andriamanitra
nohon’ny finoany an’i Jesosy Kristy.Tsy nijanona teo
amin’ny jiosy ihany ny fampielezana ny
tenin’Andriamanitra fa ho an’ny olona
rehetra. Hitantsika eto
koa fa tahaka an’i Jesosy izay nakan’ireto
jiosydia nampitaitra ny vehivavy manan-kaja sy
ny lehibe teo an-tanàna mba hahavoaroaka azy roalahy ka
hiala amin’ny taniny. Sarotra ny mitory ny filazantsara
satria mirteraka fanenjehana izany . hitantsika teo ny momba
anb’i Jesosy. Eto isika mahita ny mpianany dia i Barnabasy sy
Paoly. Kanefa kosa miteraka fiafaliana eo amin’izay mitory
izany ary koa izay mandray izany. Ary izany no antony itoriantsika
ny fampielezana ny filazantsara. Misy ondry hafa izay tsya to
amin’ity vala ity ny Tompo. Olona tsy ato amp-iangonana FPMA
Dijon, olona tsy eto Dijon, mety tsy malagasy na olon-kafa
tanteraka. Mitory izany tenin’andrimanitra izany isika ary
dia aminareo aloha notsy maintsy anombohana izany. Fa raha ny
tenantsika aza tsy resy lahatra, ataontsika ahoana no fomba
handresena lahatra ny hafa. Ny asan-tsika no tokony hanambara ny
momba antsika araky nyt tenin’i Jesosy. Koa mahereza,
mahatanjaha ary manaova toa an’i Davida
hoe: Jehovah no mpiandry ahy, tsy
hanajava-mahory aho.... Eny tokoa, fahasoavana sy famindrampo no
hanaraka ahy amin’ny andro rehetra hiainako, dia hitoetra ao
an-tranon’i Jehovah andro lava aho. Amen