A free template from Joomlashack

A free template from Joomlashack

majunga055.JPG

Radio Fpma

Tonga Soa arrow Toriteny arrow Jesosy, mpaminany
Jesosy, mpaminany Convertir en PDF Version imprimable Suggérer par mail
pasitera   

Ny amin’i Jesosy avy any Nazareta, mpaminany mahery tamin’ny asa sy ny teny teo anatrehan’andriamanitra sy ny vahoaka rehetra. Lio.24.19b
Faly miarahaba antsika indray amin’izao alahady ankalazana ny paska kristiana izao dia ny fitsanganan’i Jesosy tamin’ny maty.Tantara izay efa saiky haintsika tsianjery aza ity tantarain’i Lioka eto amin’ny Lio.24. ity. Tantara izay antsoina hoe momba ny nitsanganan’i Jesosy tamin’ny maty arak'izay voatantaran'i Lioka. Fa inona tokoa moa no niseho ?
Zava-niseho
Raha tsy hijery afa-tsy izay tantarain’i Lioka isika dia ahitana an’
* Ireto vehivavy nahita fasana foana izay ahitana an’i Maria Magdalène, Johana ary Maria renin’i Jakoba ary ireo vehivavy sasany (10). Tonga ireto vehivavy nitondra ny zava-manitra izay efa namboariny tamin’ny andro voalohany amin’ny herinandro. Raha mihoatra amin’ny fitantaran’i Matio na i Marka dia betsaka kokoa ny vehivavy voatanisan’i Lioka. Lazain’i Lioka fa tsy nahita ny fatin’i Tompo izy ireto (3).
* Ireto roalahy nitafy fitafiana manelatrelatra izay nanambara fa efa nitsangana tamin’ny maty Jesosy arak’izay nolazainy. Koa tsara ny tokony hitadidiany izay efa nolazainy tamin’izy ireo tany Galilia.
* Nohon’ny fitantaran’ireto vehivavy ireto izay hitany sy reny tany amin’ireto apostoly izay tsy nino azy (11) dia lasa Petera nihazakazaka nankany amin’ny fasana. Ireo antokon’olona telo ireo no vavolombelona mivantana tany amin’ny toerana izay nandevenana an’i Jesosy ka nahita fa foana ilay fasana.
Ireto roalahy moa dia nilaza mazava fa efa nitsangana izy koa tsy tokony ho aty amin’ny maty no hitadiavana ny velona. Tsarovy hoy izy ireo mantsy an’ireto vehivavy ny teny izay nolazainy tamianreo tany Galilia. I Petera moa amin’ity resaka ity dia toa ny “huissier” ihany : mpanamarina izay nolazain’ireto vehivavy. Tsy mba nihaona tamin’ireto roalahy kosa izy fa fahagagana no nahazo azy saria lambam-paty sisa no mba hitany tao. Inona no antony ? Tsy voalaza. Raha fahavelomana no nolazaina tamin’ireto vehivavy ireto, fahafatesana kosa no sisa hitan’i Petera. Inona ary moa no zava-nitranga taorian’ny fijoroana vavolombelona nataon’ireto vehivavy ireto ?
Fijoroana vavolombelon’ireto mpianatra roalahy
Efa voalaza teo fa vokatry ny fijoroana vavolombelona nataon’ireto vehivavy ireto dia tao ny tsy nino , tao koa ny nanamarina toa an’i Petera izay lasa tany amin’ny fasana. Fa ireto lahilahy roa ireto kosa dia lasa nakany amin’ny vohitra atao hoe Emaosy. Tsy fantatra ny antony fa ny zavatra izay misongadina amin’izao tantara izao dia ny fihaona’izy roalahy dia i Kleopasy sy ny namany raha sendra niresaka momba ny zava-nanjo tany Jerosalema izy ireo. Momba an’io zava-nanjo io no resaka nifanaovana ka nanotanian’i Jesosy azy ireto hoe : zavatra manao ahoana loatra moa izany ? (19). Dia hoy izy roalahy : Ny amin’i Jesosy avy any Nazareta, mpaminany mahery tamin’ny asa sy ny teny teo anatrehan’Andriamanitra sy ny vahoaka rehetra.
Nantenanin’izy ireto tokoa mantsy Jesosy fa hanafaka ny firenen’Israely amin’ny fitondrana romana izay nisy tamin’izay fotoana izay. Tsara ho tadidintsika ireo fanotaniana maro napetrak’ireto mpanoradalana :
* momba ny fahefan’i Jesosy raha sendra nampiantra Izy teo an-kianjan’ny Tempoly : fahefana avy aiza moa no ahazoanao manao izao zavatra izao ary iza no nanome anao izany fahefana izany (Lio.20.2)
* momba ny fitondrana romana indray : mety va raha mandoa vola hetra ho an’i Kaisara izahay, sa tsia (Lio.20.23). Ireo fanontanina ireo dia natao mba hamandrihana an’i Jesosy ahazoana misambotra Azy . Ny sisa tavela hoan’ireto mpianatra roalahy dia ny amin’izay maha mpaminany an’i Jesosy.
Nirodana ny fanantenana satria nohombona’ireto mpitondra fivavahana sy firenena tamin’ny hazo fijaliana Jesosy ilay mpaminany mahery telo andro lasa izay. Kanefa ny tena maha very hevitra azy roalahy dia ny nahitan’ireto vehivavy sy ny mpianatra fa fasana foana no hitan’izy ireo. Ary izany dia nohamafisin’ireto anjely fa efa velona Izy kanefa tsy nisy nahita (Lio.24.22-25). Teo Jesosy no nanazava izay tokony ho tsy maintsy niaretany. Marihina fa eto ny mason’ireto mpianatra ireto dia mbola nohazonina mba tsy hahafantatra Azy. Ny fanazavan’i Jesosy dia izay voalaza araky ny Soratra Masina ihany. Ka ahoana tokoa moa no voalazan’ny soratra Masina ?
Jesosy ao amin’ny soratra Masina
Lazain’i Jesosy tamin’izy roalahy ireto ny tsy finoan’izy ireto izay voalazan’ny mpaminany momba azy. Izany fanazavana izany dia manomboka amin’i Mosesy sy ny mpaminany rehetra. Raha izao tantara izao dia Jesosy, izay mpaminany no lazain’ireo mpaminany araky ny Soratra Masina. Fa iza moa no atao hoe mpaminany : olona nofidin’Andriamanitra mba ho mpanelanelana Azy amin’ny olona na ny vahoakany. Anisan’ny asan’nizany olona izany ny fitondrana teny na ny teny avy amin’Andriamanitra ho an’ny olona izany na ny teny avy amin’ny olona ho an’Andriamantra.
Tsy ny Teny ihany fa izay fahefana rehetra mikasika ny fanatanterahany ny asa izay niantsoan’Andriamanitra azy. Koa ny asa sy ny teny ataon’ireo mpaminany ireo dia misy ny tombokasen’Andriamanitra. Tsy hijery afa-tsy izay voalazan’i Lioka momba ny maha mpaminany an’i Jesosy isika indrindra fa amin’ny maha mpaminany araky ny fomban’i Mosesy. Marihina fa raha ny mpaminany no resahina dia i Elia no anisan’ny lehibe amin’izy ireo. Fa i Mosesy kosa dia mazana ny fanafahana ny vahoaka tany amin’ny fanandevozana tany egypta ary indrindra fa ny lalàna no ao an-tsaina. Kanefa i Mosesy dia anisan’ny Mpaminany ihany koa. Ny fanompoana ary koa ny tenana’i Jesosy dia asehon’i Lioka ao amin’ireo boky nosoratany (filazantsara ary ny asan’ny apostoly) fa araky ny faminaniana araky ny testamenta taloha.
Eny mihoatra noho izay nataon’ireo mpaminany maro aza no nataon’ity Mesia ity. Na ny asan’i Mosesy, Elia ary ny Mpanompon’i Jeshovah izay voalaza ao amin’ny bokin’i Isaia dia samy hita ao amin’i Jesosy. Ohatra, raha tsy hijery raha tsy ny momba an’i Mosesy isika :
* tamin’ny fiovan’i Jesosy tarehy tao an-tendrombohitra (Lio.9.28-29) niaraka tamin’ny mpianany i Jesosy dia nahitana an’i Mosesy sy Elia niresaka taminy. I Mosesy no voalaza alohan’i Elia tahaka ny fitantaran’i Matio koa
* raha nanadio an’ireto boka Jesosy dia nilaza tamin’izy ireo ny tokony hantanterahan’izy ireo ny didin’i Mosesy (Lio.5.14)
* Jesosy manazava/manambara ny tenany nanomboka tamin’i Mosesy sy ny Mpaminany ary ny hevitry ny teny izay milaza azy araka ny soaratra Masina (Lio.24.27) Ireo roalahy izay lazaina fa anjely dia nilaza tamin’ireto vehivavy ny amin’ny teny izay nolazain’i Jesosy tamin’izy ireo fony izy mbola tany Galilia. Ny Zanak’olona tsy maintsy hatolotra eo an-tanan’ny mpanota ka homboana amin’ny hazo fijaliana ary hitsangana amin’ny andro fahatelo (Lio 24.7) Fa andao ho jerentsika indray ny momba izay lazain’ireo olona taorian’i Jesosy ny momba an’i Jesosy sy ny hanjo azy.
Ohatra izay ho raisintsika dia i Paoly apostoly ao amin’ny Ikor 15.3
* Kristy maty nohon’ny fahotantsika araka ny Soratra Masina (Isa.53.5 : Nefa Izy dia voalefona nohon’ny fahadisoan-tsika...ny dian-kapoka taminy no nahasitranana antsika)
* Nalevina ary natsangana tamin’ny maty araka ny Soratra Masina Tsy mpaminany ihany anefa Jesosy fa sady Mpamonjy Izy no Tompo ary zanak’Andriamanitra. Amin’ny maha mpaminany azy dia tsy maintsy tanterahin’Izay naniraka Azy ny momba Azy rehetra dia ny famonjena antsika izany.
Fa raha tsy natsagana tamin’ny maty Jesosy Kristy dia foana ny toriteninay ary foana koa ny finoanareo. Ary izany no hamafisin’i Paoly apostoly ao amin’ny Rom 6. Izay norenensintsika teo. Fa velona miaraka amin’i Kristy isika. Amen

D.ANDRIANARIVO
Paska 2010
FPMA Dijon

 
< Précédent   Suivant >
 
Joomla Templates by Joomlashack