|
pasitera
|
|
Ny amin’i Jesosy avy any
Nazareta, mpaminany mahery tamin’ny asa sy ny teny teo
anatrehan’andriamanitra sy ny vahoaka rehetra.
Lio.24.19b
Faly miarahaba antsika indray amin’izao alahady ankalazana ny
paska kristiana izao dia ny fitsanganan’i Jesosy
tamin’ny maty.Tantara izay efa saiky haintsika tsianjery aza
ity tantarain’i Lioka eto amin’ny Lio.24. ity. Tantara
izay antsoina hoe momba ny nitsanganan’i Jesosy
tamin’ny maty arak'izay voatantaran'i Lioka. Fa inona tokoa
moa no niseho ?
Zava-niseho
Raha tsy hijery afa-tsy izay tantarain’i Lioka isika dia
ahitana an’
* Ireto vehivavy nahita fasana foana izay ahitana an’i Maria
Magdalène, Johana ary Maria renin’i Jakoba ary ireo
vehivavy sasany (10). Tonga ireto vehivavy nitondra ny zava-manitra
izay efa namboariny tamin’ny andro voalohany amin’ny
herinandro. Raha mihoatra amin’ny fitantaran’i Matio na
i Marka dia betsaka kokoa ny vehivavy voatanisan’i Lioka.
Lazain’i Lioka fa tsy nahita ny fatin’i Tompo izy ireto
(3).
* Ireto roalahy nitafy fitafiana manelatrelatra izay nanambara fa
efa nitsangana tamin’ny maty Jesosy arak’izay
nolazainy. Koa tsara ny tokony hitadidiany izay efa nolazainy
tamin’izy ireo tany Galilia.
* Nohon’ny fitantaran’ireto vehivavy ireto izay hitany
sy reny tany amin’ireto apostoly izay tsy nino azy (11) dia
lasa Petera nihazakazaka nankany amin’ny fasana. Ireo
antokon’olona telo ireo no vavolombelona mivantana tany
amin’ny toerana izay nandevenana an’i Jesosy ka nahita
fa foana ilay fasana.
Ireto roalahy moa dia nilaza mazava fa efa nitsangana izy koa tsy
tokony ho aty amin’ny maty no hitadiavana ny velona. Tsarovy
hoy izy ireo mantsy an’ireto vehivavy ny teny izay nolazainy
tamianreo tany Galilia. I Petera moa amin’ity resaka ity dia
toa ny “huissier” ihany : mpanamarina izay
nolazain’ireto vehivavy. Tsy mba nihaona tamin’ireto
roalahy kosa izy fa fahagagana no nahazo azy saria lambam-paty sisa
no mba hitany tao. Inona no antony ? Tsy voalaza. Raha fahavelomana
no nolazaina tamin’ireto vehivavy ireto, fahafatesana kosa no
sisa hitan’i Petera. Inona ary moa no zava-nitranga
taorian’ny fijoroana vavolombelona nataon’ireto
vehivavy ireto ?
Fijoroana vavolombelon’ireto mpianatra roalahy
Efa voalaza teo fa vokatry ny fijoroana vavolombelona
nataon’ireto vehivavy ireto dia tao ny tsy nino , tao koa ny
nanamarina toa an’i Petera izay lasa tany amin’ny
fasana. Fa ireto lahilahy roa ireto kosa dia lasa nakany
amin’ny vohitra atao hoe Emaosy. Tsy fantatra ny antony fa ny
zavatra izay misongadina amin’izao tantara izao dia ny
fihaona’izy roalahy dia i Kleopasy sy ny namany raha sendra
niresaka momba ny zava-nanjo tany Jerosalema izy ireo. Momba
an’io zava-nanjo io no resaka nifanaovana ka
nanotanian’i Jesosy azy ireto hoe : zavatra manao ahoana
loatra moa izany ? (19). Dia hoy izy roalahy : Ny amin’i
Jesosy avy any Nazareta, mpaminany mahery tamin’ny asa sy ny
teny teo anatrehan’Andriamanitra sy ny vahoaka rehetra.
Nantenanin’izy ireto tokoa mantsy Jesosy fa hanafaka ny
firenen’Israely amin’ny fitondrana romana izay nisy
tamin’izay fotoana izay. Tsara ho tadidintsika ireo
fanotaniana maro napetrak’ireto mpanoradalana :
* momba ny fahefan’i Jesosy raha sendra nampiantra Izy teo
an-kianjan’ny Tempoly : fahefana avy aiza moa no ahazoanao
manao izao zavatra izao ary iza no nanome anao izany fahefana izany
(Lio.20.2)
* momba ny fitondrana romana indray : mety va raha mandoa vola
hetra ho an’i Kaisara izahay, sa tsia (Lio.20.23). Ireo
fanontanina ireo dia natao mba hamandrihana an’i Jesosy
ahazoana misambotra Azy . Ny sisa tavela hoan’ireto mpianatra
roalahy dia ny amin’izay maha mpaminany an’i Jesosy.
Nirodana ny fanantenana satria nohombona’ireto mpitondra
fivavahana sy firenena tamin’ny hazo fijaliana Jesosy ilay
mpaminany mahery telo andro lasa izay. Kanefa ny tena maha very
hevitra azy roalahy dia ny nahitan’ireto vehivavy sy ny
mpianatra fa fasana foana no hitan’izy ireo. Ary izany dia
nohamafisin’ireto anjely fa efa velona Izy kanefa tsy nisy
nahita (Lio.24.22-25). Teo Jesosy no nanazava izay tokony ho tsy
maintsy niaretany. Marihina fa eto ny mason’ireto mpianatra
ireto dia mbola nohazonina mba tsy hahafantatra Azy. Ny
fanazavan’i Jesosy dia izay voalaza araky ny Soratra Masina
ihany. Ka ahoana tokoa moa no voalazan’ny soratra Masina ?
Jesosy ao amin’ny soratra Masina
Lazain’i Jesosy tamin’izy roalahy ireto ny tsy
finoan’izy ireto izay voalazan’ny mpaminany momba azy.
Izany fanazavana izany dia manomboka amin’i Mosesy sy ny
mpaminany rehetra. Raha izao tantara izao dia Jesosy, izay
mpaminany no lazain’ireo mpaminany araky ny Soratra Masina.
Fa iza moa no atao hoe mpaminany : olona
nofidin’Andriamanitra mba ho mpanelanelana Azy amin’ny
olona na ny vahoakany. Anisan’ny asan’nizany olona
izany ny fitondrana teny na ny teny avy amin’Andriamanitra ho
an’ny olona izany na ny teny avy amin’ny olona ho
an’Andriamantra.
Tsy ny Teny ihany fa izay fahefana rehetra mikasika ny
fanatanterahany ny asa izay niantsoan’Andriamanitra azy. Koa
ny asa sy ny teny ataon’ireo mpaminany ireo dia misy ny
tombokasen’Andriamanitra. Tsy hijery afa-tsy izay
voalazan’i Lioka momba ny maha mpaminany an’i Jesosy
isika indrindra fa amin’ny maha mpaminany araky ny
fomban’i Mosesy. Marihina fa raha ny mpaminany no resahina
dia i Elia no anisan’ny lehibe amin’izy ireo. Fa i
Mosesy kosa dia mazana ny fanafahana ny vahoaka tany amin’ny
fanandevozana tany egypta ary indrindra fa ny lalàna no ao
an-tsaina. Kanefa i Mosesy dia anisan’ny Mpaminany ihany koa.
Ny fanompoana ary koa ny tenana’i Jesosy dia asehon’i
Lioka ao amin’ireo boky nosoratany (filazantsara ary ny
asan’ny apostoly) fa araky ny faminaniana araky ny testamenta
taloha.
Eny mihoatra noho izay nataon’ireo mpaminany maro aza no
nataon’ity Mesia ity. Na ny asan’i Mosesy, Elia ary ny
Mpanompon’i Jeshovah izay voalaza ao amin’ny
bokin’i Isaia dia samy hita ao amin’i Jesosy. Ohatra,
raha tsy hijery raha tsy ny momba an’i Mosesy isika :
* tamin’ny fiovan’i Jesosy tarehy tao
an-tendrombohitra (Lio.9.28-29) niaraka tamin’ny mpianany i
Jesosy dia nahitana an’i Mosesy sy Elia niresaka taminy. I
Mosesy no voalaza alohan’i Elia tahaka ny fitantaran’i
Matio koa
* raha nanadio an’ireto boka Jesosy dia nilaza
tamin’izy ireo ny tokony hantanterahan’izy ireo ny
didin’i Mosesy (Lio.5.14)
* Jesosy manazava/manambara ny tenany nanomboka tamin’i
Mosesy sy ny Mpaminany ary ny hevitry ny teny izay milaza azy araka
ny soaratra Masina (Lio.24.27) Ireo roalahy izay lazaina fa anjely
dia nilaza tamin’ireto vehivavy ny amin’ny teny izay
nolazain’i Jesosy tamin’izy ireo fony izy mbola tany
Galilia. Ny Zanak’olona tsy maintsy hatolotra eo
an-tanan’ny mpanota ka homboana amin’ny hazo fijaliana
ary hitsangana amin’ny andro fahatelo (Lio 24.7) Fa andao ho
jerentsika indray ny momba izay lazain’ireo olona
taorian’i Jesosy ny momba an’i Jesosy sy ny hanjo azy.
Ohatra izay ho raisintsika dia i Paoly apostoly ao amin’ny
Ikor 15.3
* Kristy maty nohon’ny fahotantsika araka ny Soratra Masina
(Isa.53.5 : Nefa Izy dia voalefona nohon’ny
fahadisoan-tsika...ny dian-kapoka taminy no nahasitranana antsika)
* Nalevina ary natsangana tamin’ny maty araka ny Soratra
Masina Tsy mpaminany ihany anefa Jesosy fa sady Mpamonjy Izy no
Tompo ary zanak’Andriamanitra. Amin’ny maha mpaminany
azy dia tsy maintsy tanterahin’Izay naniraka Azy ny momba Azy
rehetra dia ny famonjena antsika izany.
Fa raha tsy natsagana tamin’ny maty Jesosy Kristy dia foana
ny toriteninay ary foana koa ny finoanareo. Ary izany no
hamafisin’i Paoly apostoly ao amin’ny Rom 6. Izay
norenensintsika teo. Fa velona miaraka amin’i Kristy isika.
Amen
D.ANDRIANARIVO
Paska 2010
FPMA Dijon
|