A free template from Joomlashack

A free template from Joomlashack

majunga003.JPG

Radio Fpma

Tonga Soa arrow Toriteny arrow Jesosy, mialoha lalana anao .
Jesosy, mialoha lalana anao . Convertir en PDF Version imprimable Suggérer par mail
pasitera   

...ary rehefa niteny izany Izy, dia nandeha nialoha hiakatra ho any Jerosalema. Lio.19.28

Anio no alahady farany amin’ny karemy izany hoe ilay 40andro mialoha ny paska (Alakamisy Masina izany). Ny fiankaran’i Jesosy mankany Jerosalema no jerena amin’izany. Koa ny teny rehetra izay hodinihintsika mandritr’izany karemy izany dia jerena arak’izany hoe Jesosy miakatra any Jerosalema hanatanterka ny famonjena antsika. Io Jesrosalema io no tany Kanana izay ampanantenanaina antsika. Eto isika dia mahatsiaro ny teny ao amin’ny Zakaria mpaminany manao hoe : Mifalia indrindra, ry Ziona zanakavavy, Manaova feo fifaliana, ry Jerosalema zanakavavy; indro ny Mpanjakanao avy ho anao; marina izy sady manam-pamonjena, malemy fanahy sady mitaingina boriky, dia zana-boriky tanora.”Za.9.9

Ilay Mpanjakanao

I Paoly apostoly , ao amin’ny filipiana 2.6 dia milaza ny fanetren-tenan’ity lazaina fa hoe Mpanjaka ity. Lazainy ary fa :

* Nanana ny endrik’Andriamanitra
* Nofoanany ny tenany tamin’ny nakany ny endrikin’ny mpanompo
* Nanan-tarehy olona izy ary nanetry tena ary nanaiky hatramin’ny fahafatesana

Koa izany no nanandratan’Andriamanitra Azy ary ho amin’ny anarany no handohalehan’ny lohalika rehetra na aiza na aiza sy haneken’ny lela rehetra fa Jesosy Kristy no Tompo ho voninahitr’Andriamanitra Ray.

Mamintina ny fotom-pinoantsika i Paoly amin’izany teny lazainy izany. Ny Lela rehetra dia tokony hanaiky Azy ho voninahitr’Andriamanitra Ray.

Io Jesosy io no tantarain’i Lioka eto. Mialoha an’izao dia lazain’i Lioka fa nanao fa :
* Efa tonga ny Zanak’Olona hitady sy hamonjy ny very, raha niresaka momba an’i Zakaiosy Izy. Tsy maintsy mitoetra ato an-tranonao aho anio. Lio.19.10
* Nanao fanoharana momba an’ity andriandahy anakiray izay nandeha nakany an-tany lavitra mba handray fahefana dia hanjaka ary dia nametraka fananana tamin’ireto mpanompony 3 lahy izy. Ny iray nomeny 10, 5 ary iray

Mandritr’izany fanoharana izany ny olona no miandry mafy satria nataon’izy ireo fa hiseho faingana ny fanjakan’Andriamanitra. Toa milaza ity fanoharana ity fa sarotra ny miandry ny fahatongavan’izany fanjakan’Andriamanitra izany satria efa eo aminareo izany, efa ao anatinareo izany hoy Jesosy. Kanefa toa mbola miandry ihany ianareo.

Eto amin’ity tantara ity dia voalaza ary fa nadeha nialoha hiakatra ho any Jerosalema Jesosy. Zavatra telo no hojerentsika amin’izao fiakaran’i Jesosy any Jerosalema izao :

Zavatra telo

1. Ny voalohany dia ny nanirahan’i Jesosy mpianatra 2 lahy tamin’ity vohitra tsy voalaza ny anarany ity mba haka zana-boriky izay tsy mbola nitaingena’olona. Zanaboriky mila vahana na afahana amin’ny fatorany (30), ary raha misy olona manontany dia lazaina fa misy raharaha analan’ny Tompo Azy (31). Raha ny zanaboriky aza ilain’ny Tompo vao maika va ny Mpianatra. Mazava eto fa ny olona na zavatra entina eo amin’ny Tompo dia tokony afahana amin’ny fatorany : Vahao ! Baiko izany. Izany no antony anokanana izay rehetra ho an’ny Tompo mba tsy hisy hery hafa mamatotra azy intsony.

2. Ny faharoa indray dia mampiseho antsika fa izay manatona ny Tompo dia manolotra izay azy rehetra ho Azy amin-kafaliana toy ireto olona nametraka ny lambany teo ambony zana-boriky mba ahzoan’i jesosy mitaingina an’izany, fametrahana ny lamba teny an-dalàna mba handalovany. Izay teny an-kodin’izy ireo dia nentiny mba hampiasaina amin’izao fiakaran’ny Tompo any Jerosalema izao. Tsy ny tenany ihany no natolony an’i Jesosy fa izay azy rehetra.

3. Farany, ny fifaliana ho an’ny mpianatra marobe ka nidera an’Andriamanitra tamin’ny feo mahery nohon’ny asa lehibe izay efa hitany :isaorana anie ny Mpanjaka izay avy amin’ny anaran’i Jehovah. Fiadanana any an-danitra ary voninahitra any amin’ny avo indrindra (37-38). Mampiseho amintsika ny fifaliana izay omen’i Jesosy an’ireo olomboavonjy ireto. Fifaliana izay nanahirana an’ireto Fariseo ireto ary noho izany dia nangataka an’i jesosy izy ireto mba hampangina ny mpianany.

Tsy mitovy amin’ny an’ireto mpianatra ireto ny fijerin’i Jesosy an’i Jerosalema ka nampitomany Azy

Jesosy mitomany

Nitomany Jesosy satria tsy nahafantatra ny momba ny fiadanana Jerosalema. Izay adika hoe tananan’ny fiadanana. Miafina aminao izany. Toa miresaka amin’ny olona Jesosy raha mijery an’ilay tanana. Vokatr’izany dia faharavana izay entin’ny fahavalony no no hihatra amin’ity tanàna ity. Faharavana izay efa voalaza ao amin’ny testamenta taloha dia ny:

* Fananganana tovon-tany manodidna Isa.29.3
* Hanemitra anao ary hanidy anao manodididna Jer.52.5
* Hamongotra anao hatramin’ny tany mbamin’ny zanakao Hos.10.14
* Tsy hisy vato mifanongoa. Zak.5.4

Izany no ho tanteraka dia satria “tsy nahafantatra ny andro namangiana azy i Jerosalema”. Fa oviana tokoa moa nisian’izao famangiana izao. Izao zava-miseho izao dia mampahatsiaro izay volaza ao amin’i Jeremia, mpaminany 6.13-15. Lany andro tamin’ny fitadiavan-karena ny rehetra na ny kely na ny lehibe. Ny mpaminany ary ny mpisorona dia samy mamitaka avokoa : nanambara izy ireo ny amin’ny fiadanana mba hanasitranana ny olona kanefa tsy nisy fiadanana akory. Manjaka ny mpaminany sandoka izay ninoan’ny olona ary nekeny. Tsy nibebaka i Jerosalema fa izany no nataony.Vokatr’izany dia faharavana. Izany no nampitomany an’i Jesosy.

Fa raha tao tokoa ireo izay nandray ny teny nentiny toy ireto mpianatra izay nifaly sy nidera nohon’izay rehetra hitany nataon’i Jesosy, tao kosa ireo izay tsy nandray izany toa an’i Jerosalema;

Mipetraka amintsika ny fanontaniana : Aiza ny toerana misy antsika ? any Jerosalema va ? sa miaraka amin’ireto mpianatra izay nahafoy ny rehetra momba azy ka mifaly ary midera an’i Jesosy ?

Jesosy manomana lalana ho ano no hita eto. Mialoha anao any amin’izay toerana misy ny fiadanana nolazainy Izy. Mifarana izao ny karemy. Hankalaza ny Paska isika. Mialoha izany anefa dia tsy maintsy mietry ny Tompo ary isika dia miara-mietry aminy. Eny hatramin’ny fanekena ny fahafatesana aza mba hisehoan’ny voninahiny sy ny heriny mahagaga. Izany fandresena izany no ampanantenaniny ho ahy sy anao.Amem

D.ANDRIANARIVO
FPMA DIJON

Alahady 28 marsa 2010

Alahadin’ny sampandrofia

 
< Précédent   Suivant >
 
Joomla Templates by Joomlashack