|
...ary rehefa niteny izany Izy, dia
nandeha nialoha hiakatra ho any Jerosalema. Lio.19.28
Anio no alahady farany amin’ny
karemy izany hoe ilay 40andro mialoha ny paska (Alakamisy Masina
izany). Ny fiankaran’i Jesosy mankany Jerosalema no jerena
amin’izany. Koa ny teny rehetra izay hodinihintsika
mandritr’izany karemy izany dia jerena arak’izany hoe
Jesosy miakatra any Jerosalema hanatanterka ny famonjena antsika.
Io Jesrosalema io no tany Kanana izay ampanantenanaina antsika. Eto
isika dia mahatsiaro ny teny ao amin’ny Zakaria mpaminany
manao hoe : Mifalia indrindra, ry Ziona zanakavavy, Manaova feo
fifaliana, ry Jerosalema zanakavavy; indro ny Mpanjakanao avy ho
anao; marina izy sady manam-pamonjena, malemy fanahy sady
mitaingina boriky, dia zana-boriky tanora.”Za.9.9
Ilay Mpanjakanao
I Paoly apostoly , ao amin’ny
filipiana 2.6 dia milaza ny fanetren-tenan’ity lazaina fa hoe
Mpanjaka ity. Lazainy ary fa :
* Nanana ny endrik’Andriamanitra
* Nofoanany ny tenany tamin’ny nakany ny endrikin’ny
mpanompo
* Nanan-tarehy olona izy ary nanetry tena ary nanaiky
hatramin’ny fahafatesana
Koa izany no
nanandratan’Andriamanitra Azy ary ho amin’ny anarany no
handohalehan’ny lohalika rehetra na aiza na aiza sy
haneken’ny lela rehetra fa Jesosy Kristy no Tompo ho
voninahitr’Andriamanitra Ray.
Mamintina ny fotom-pinoantsika i Paoly
amin’izany teny lazainy izany. Ny Lela rehetra dia tokony
hanaiky Azy ho voninahitr’Andriamanitra Ray.
Io Jesosy io no tantarain’i Lioka
eto. Mialoha an’izao dia lazain’i Lioka fa nanao fa :
* Efa tonga ny Zanak’Olona hitady sy hamonjy ny very, raha
niresaka momba an’i Zakaiosy Izy. Tsy maintsy mitoetra ato
an-tranonao aho anio. Lio.19.10
* Nanao fanoharana momba an’ity andriandahy anakiray izay
nandeha nakany an-tany lavitra mba handray fahefana dia hanjaka ary
dia nametraka fananana tamin’ireto mpanompony 3 lahy izy. Ny
iray nomeny 10, 5 ary iray
Mandritr’izany fanoharana izany ny
olona no miandry mafy satria nataon’izy ireo fa hiseho
faingana ny fanjakan’Andriamanitra. Toa milaza ity fanoharana
ity fa sarotra ny miandry ny fahatongavan’izany
fanjakan’Andriamanitra izany satria efa eo aminareo izany,
efa ao anatinareo izany hoy Jesosy. Kanefa toa mbola miandry ihany
ianareo.
Eto amin’ity tantara ity dia voalaza
ary fa nadeha nialoha hiakatra ho any Jerosalema Jesosy. Zavatra
telo no hojerentsika amin’izao fiakaran’i Jesosy any
Jerosalema izao :
Zavatra telo
1. Ny voalohany dia ny nanirahan’i
Jesosy mpianatra 2 lahy tamin’ity vohitra tsy voalaza ny
anarany ity mba haka zana-boriky izay tsy mbola
nitaingena’olona. Zanaboriky mila vahana na afahana
amin’ny fatorany (30), ary raha misy olona manontany dia
lazaina fa misy raharaha analan’ny Tompo Azy (31). Raha ny
zanaboriky aza ilain’ny Tompo vao maika va ny Mpianatra.
Mazava eto fa ny olona na zavatra entina eo amin’ny Tompo dia
tokony afahana amin’ny fatorany : Vahao ! Baiko izany. Izany
no antony anokanana izay rehetra ho an’ny Tompo mba tsy hisy
hery hafa mamatotra azy intsony.
2. Ny faharoa indray dia mampiseho antsika
fa izay manatona ny Tompo dia manolotra izay azy rehetra ho Azy
amin-kafaliana toy ireto olona nametraka ny lambany teo ambony
zana-boriky mba ahzoan’i jesosy mitaingina an’izany,
fametrahana ny lamba teny an-dalàna mba handalovany. Izay
teny an-kodin’izy ireo dia nentiny mba hampiasaina
amin’izao fiakaran’ny Tompo any Jerosalema izao. Tsy ny
tenany ihany no natolony an’i Jesosy fa izay azy rehetra.
3. Farany, ny fifaliana ho an’ny
mpianatra marobe ka nidera an’Andriamanitra tamin’ny
feo mahery nohon’ny asa lehibe izay efa hitany :isaorana anie
ny Mpanjaka izay avy amin’ny anaran’i Jehovah.
Fiadanana any an-danitra ary voninahitra any amin’ny avo
indrindra (37-38). Mampiseho amintsika ny fifaliana izay
omen’i Jesosy an’ireo olomboavonjy ireto. Fifaliana
izay nanahirana an’ireto Fariseo ireto ary noho izany dia
nangataka an’i jesosy izy ireto mba hampangina ny
mpianany.
Tsy mitovy amin’ny an’ireto
mpianatra ireto ny fijerin’i Jesosy an’i Jerosalema ka
nampitomany Azy
Jesosy mitomany
Nitomany Jesosy satria tsy nahafantatra ny
momba ny fiadanana Jerosalema. Izay adika hoe tananan’ny
fiadanana. Miafina aminao izany. Toa miresaka amin’ny olona
Jesosy raha mijery an’ilay tanana. Vokatr’izany dia
faharavana izay entin’ny fahavalony no no hihatra
amin’ity tanàna ity. Faharavana izay efa voalaza ao
amin’ny testamenta taloha dia ny:
* Fananganana tovon-tany manodidna
Isa.29.3
* Hanemitra anao ary hanidy anao manodididna Jer.52.5
* Hamongotra anao hatramin’ny tany mbamin’ny zanakao
Hos.10.14
* Tsy hisy vato mifanongoa. Zak.5.4
Izany no ho tanteraka dia satria
“tsy nahafantatra ny andro namangiana azy i
Jerosalema”. Fa oviana tokoa moa nisian’izao famangiana
izao. Izao zava-miseho izao dia mampahatsiaro izay volaza ao
amin’i Jeremia, mpaminany 6.13-15. Lany andro tamin’ny
fitadiavan-karena ny rehetra na ny kely na ny lehibe. Ny mpaminany
ary ny mpisorona dia samy mamitaka avokoa : nanambara izy ireo ny
amin’ny fiadanana mba hanasitranana ny olona kanefa tsy nisy
fiadanana akory. Manjaka ny mpaminany sandoka izay ninoan’ny
olona ary nekeny. Tsy nibebaka i Jerosalema fa izany no
nataony.Vokatr’izany dia faharavana. Izany no nampitomany
an’i Jesosy.
Fa raha tao tokoa ireo izay nandray ny
teny nentiny toy ireto mpianatra izay nifaly sy nidera
nohon’izay rehetra hitany nataon’i Jesosy, tao kosa
ireo izay tsy nandray izany toa an’i Jerosalema;
Mipetraka amintsika ny fanontaniana : Aiza
ny toerana misy antsika ? any Jerosalema va ? sa miaraka
amin’ireto mpianatra izay nahafoy ny rehetra momba azy ka
mifaly ary midera an’i Jesosy ?
Jesosy manomana lalana ho ano no hita eto.
Mialoha anao any amin’izay toerana misy ny fiadanana
nolazainy Izy. Mifarana izao ny karemy. Hankalaza ny Paska isika.
Mialoha izany anefa dia tsy maintsy mietry ny Tompo ary isika dia
miara-mietry aminy. Eny hatramin’ny fanekena ny fahafatesana
aza mba hisehoan’ny voninahiny sy ny heriny mahagaga. Izany
fandresena izany no ampanantenaniny ho ahy sy anao.Amem
D.ANDRIANARIVO
FPMA DIJON
Alahady 28 marsa 2010
Alahadin’ny sampandrofia
|