|
FFKM sy ny KAREMY MALAGASY ? |
|
|
|
|
pasitera
|
ANTSO ATAON’NY FIOMBONAN’NY FIANGONANA KRISTIANINA
ETO MADAGASIKARA (FFKM)
Ho an’ny zanaky ny firenena Malagasy tsy an-kanavaka
Ry havana,
Ao aminareo ny fahasoavana sy ny fiadanana avy
amin’Andriamanitra, ary ny fampiraisana avy amin’ny
Fanahy Masina.
Mijoro hatrany amin’ny maha Raimandreny sy Mpaminany azy eto
amin’ny firenena ny Fiangonana. Tsapany sy fantany ny
zava-manahirana sy fitaintainana iainan’ny vahoaka Malagasy
noho ny savorovoro ateraky ny tsy fifampihainoana ny tsy
fifandeferana ary ny endrim-panararaotana samihafa hita eo
amin’ny fiaraha-monina. Mangetaheta fitoniana mba hahazoana
mandroso sy miaina amin’ny fiadanana ny zanak’ity
firenena ity.
Koa, manao antso ho an’ny rehetra indrindra fa ny
Kristianina ny Fiombonan’ny Fiangonana Kristianina eto
Madagasikara, mba :
- hiaiky am-panetren-tena ny tsirairay fa samy manana andraikitra
amin’izao toe-draharaha izao,
- samy hiaiky ny fahadisoany ary hibebaka amin’Andriamanitra
noho izany,
- ho marina amin’ny teniny ary tsy hiteny fitaka fa
hampanjaka ny fahamarinana hitana izay nifanarahana,
- hivonona hiroso amin’ny fifamelana sy ny asa fanonerana.
Ireo voatanisa ireo no hitan’ny Fiangonana fa lalana tsara
hizorana hahatongavantsika amin’ny fitoniana sy fandrosoana
ary ny fiainana amin’ny fiadanana.
Aoka samy hanohy sy hanamafy ny fotoana fibebahana ho an’ny
tanindrazana ny Fiangonana Kristianina rehetra manerana an’i
Madagasikara. Hanokana fotoana iombonana ho amin’izany koa ny
Faritany FFKM rehetra amin’izay fotoana mahamety. Tsara raha
mialoha ny Pasaka no hanatanterahana an’izany.
Fa hoy ny teny voasoratra ao amin’ny Galatianina 5 : 22-23
(DIEM) : “Ny voaktry ny Fanahy Masina kosa dia fitiavana,
hafaliana, fiadanana, faharetana, hamoram-po, hatsaram-po, toetra
mahatoky, fahalemem-panahy, fahononam-po, tsy misy lalàna
manohitra ny toy izany”.
Antananarivo, faha 26 febroary 2010
Amin’ny Anaran’ny FFKM
Ireo Filoham-piangonana
Monseigneur RANARIVELO Samoela Jaona - Filohan’ny EEM
Pastora Dr RAKOTO Endor Modeste - Filohan’ny FLM
Atoa RASENDRAHASINA Lala Haja, Mpitandrina –
Filohan’ny FJKM
Mgr Odon Marie Arsène RAZANAKOLONA – Filohan’ny
EKAR
nalina tao http://www.tim-madagascar.org
|