A free template from Joomlashack

A free template from Joomlashack

majunga044.JPG

Radio Fpma

Tonga Soa arrow Vaovao arrow 21 febroary ....
21 febroary .... Convertir en PDF Version imprimable Suggérer par mail
pasitera   

Taona 1869 no niseho ny tantara. Izany hoe 141 taona lasa izay. Tantara efa maro mahafantatra kanefa moa dia iniana averina mba hotsarovana sy ho eritreretina. Vao tonga 50 taona latsaka kely ireo anglisy toa an’I D.Jones (1820) nitondra ny filazantsara teto Antananarivo. Iraky ny Tompo Jesosy tamin’ny alalan’ny fikambanana anglisy iray dia ny LMS (London Missionnary Society) izany. Ny filazantsara amin’ny lafiny mahenika ny olona no nentin’izy ireo . Hany ka tao ny mpitory ny filazantsara ary tao koa ny mpahay asa-tanana toy ny mpandrafitra, mpanefy sns.. Anisan'ny voaolohany dia ny fakafana sekoly tao anaty rova , fony Radama I no mpanjaka, tamin’ny 8 desambra 1820. Izany hoe ankalazaina eto Antananarivo ny faha 190 taona nisokafan’ny sekoly voalohany teto Madagasikara. Niroborobo tokoa izany fampianarana izany satria 15 taona taty aoriana dia 32 ny sekoly teto Imerina izay nisy mpianatra 4000.

Niato satria voatery nody ireto misionera nandritry ny 1835-1861 satria maty Radama I ka ny vadiny Ranavalona I no nandimby azy. Miova andriana, miova sata hoy ny fiteny. Niverina ny fanompoan-tsampy nandritr’izany fotoana izany.

Toy ny fakana aina nataon’ireto mpitory ny filazantsara izany fotoana izany ahazoan’izy ireo miomana tsara amin’ny fanohizana ny asa. Hany ka rehefa tafaverina izy ireo ny taona 1864 dia nitondra namana mpiara-miasa dia ny QUAKERS izay antsoina koa hoe FFMA (Friends Foreign Mission Association). Samy tsy fiangonana na ny LMS na ny FFMA. Tamin’io taona io kosa no nahatongavan’ny sampam-piangonana anglikana dia ny SGP (Society for the Propagation of the Gospel) izay tany amorontsikaraka manaraka ny ranomasina Indiana. Tonga koa ny taona 1866 ny iraka avy tany Norvezy izay firenena manaraka ny fombam-pivavahana loterana. Tsy fiangonana koa itsy farany itsy ary dia nanomboka ny asany tany Ankaratra izy ireo ary dia nianatsimo ka tonga hatrany amin’ny faritr’I Betsileo.

Na dia samy anglisy ny LMS, ny Quakers ary ny SGP dia ny LMS sy ny Quakers no tena nifandray Tanana akaiky hany ka tonga hatramin’ny fiaraha-miasa tamin’ny fananganana ny fitoriana ny filazantsara nataon’ireo fiangonana Malagasy naorin’izy ireo. Izany dia notanterahan’izy ireo tao amin’ny fivoriambe fanaony isan’Enim-bolana teto Antananarivo ary Isan-keritaona tany Fianarantsoa.

Fa ny anglikana ary loterana norveziana dia nanana ny fombany manokana avy. Satria efa niaina fiainam-piangonana izy ireto talohan’ny nahatongavany taty Madagasikara. Nanohy izany fiainam-piangonana izany no nataony na tamin’ny asan’ny mpitandrina (asa pasitaoraly izay voahasina na vita irdiansiona) izany na koa ny rafitry ny fiangonana izay naoriny (fisian’ny eveka ohatra). Amin’izy ireo ny LMS ary ny Quakers dia fikambanana mahaleotena (Independants) fa tsy manana rafi-piangonana toa azy ireo.

Vokatr’izany dia hita fasamy nanana ny trano iangonany ny tsirairay avy na dia samy iray tanàna aza. Izany fahasamihafana ao anatin’ny firaisana izany moa sia azo lazaina fa isan’ny maha protestant azy ireo.

Tsy ny vahoka ihany no nandray ny filazantsara. Araky ny hitantsika teo aloha dia tao amin’ny rovan’ny mpanjaka no nisokatra ny sekoly voalohany. 50 taona taty aorina, izany hoe nadritry ny tao-jobily dia ny mpanjaka Ranavalona II ary ny praiminisitra Rainilaiarivony izay vadiny ihany koa no nanolotena ho an’I Jesosy Kristy tamin’ny alalan’ny batisa ny 21 febroary 1869. Latsa-danomaso izy ireto tamin’izany ary nahavariana ny maro araky ny fitantarana nataon’Andriambolo tamin’i misionery iray dia Cameron izany.Voalaza fa mpitandrina malagasy no nanatontosa an'io batisa io. Natao ivelan'ny raharaha ny anglisy. Betsaka ny fijoroana vavolombelona antaon’ity mpanjaka vavy ity. Tsy izy mivady ihany fa ny ankohonanay koa dia natao batisa toy ny rebik'ondry. Mampahatsiaro antsika ny tantaran’ilay tandapa etiopiana ao amin’ny filazantsara.

Nanomboka hatreto dia nitsangana ny fiangonana tao Anatirova. Fiangonana izay nahaleotena , tsy niankina tamin’ny misionery fa nandefa kosa ireo iraka mba history ny filazantsara manerana ny fanjakana. Asa na izany no lazaina fa fiangonam-panjakana ? Ny Praiminisitra no mpiandraikitra voalohan’izany fiangonana izany. Nanova zavatra betsaka izany hany ka lasa fitaovana nampiasain’ny fanjakana mba hamakiana batsilana ireo andriana/foko maro izay teo amin’ny fitondram-piangonana protestanta. Tsy teo amin’ireto andriana ihany fa hatrany amin’ny fahefan’ireto misionery anglisy aza dia voatohina noho izany. Sarotra ny hieritreritra ny hoe ahoana no fomba nataon'ny praiminisitra izay nisahana ny famapandehanan-draharaha eto antany (ny fanjakana) ary koa ny raharaha ara-panahy (ny fiangonana). Betsaka ny fanotaniana mipetraka manodidina ireo teny maro nataony tamin'ny isan'enimbolana. sarotra ny mieritreritra fa rehefa manompo an'andrimanitra dia mitovy daholo ny rehetra satria Tompo iray no tompoin'izy rehetra. Fa rehefa raharaham-panjakana indray dia ny Mpanjaka vavy no mamoaka ny didy ho an'ny vahoaka. Ahoana ny fifandraisan'ny andriana/hova/mainty.Ny hoe manjaka tsy roa ?

Rahany teto Imerina ary Betsileo dia nisy ny fiangonam-panjakana ary nisy koa ireo fiangonana izay nentin’ireto misionery angilsy. Nitatra ny asa fitoriana ny filazantsara teto Madagasikara, Niorina ny trano fiangonana tany ambanivohitra tany. Nitombo arak’izany koa ny sekoly indrindra fa ny mpianatra. Ny trano fiangonana moa dia itoriana ny teny ary ivavahana ny alahady fa ny andavan’andro kosa dia lasa sekoly. Niova arak’izany ny fomba fiainana satria novakina teo amin’ny fianakaviana ny baiboly izay voadika tamin’ny teny Malagasy tamin’ny taona 1835. Io ihany koa no asa niraisan’ireo misiona protestanta samihafa teto Madagasikara. Voahaja arak’izany ny alahady : najanona tanteraka ny asa fanao andavan’andro, tsy asan’ny mpitondra fivavahana irery ny asam-piangonana fa an’ny rehetra izay afaka mamaky teny sy mizara izany teny izany amin’ny hafa. Izany fahaizana mamaky ny Soratra Masina izany koa moa no anisan’ny imasoan’ny sekoly protestanta ankoatry ny asan-tanana samihafa.

Raikim-pitia Baiboliny, ny hirany ny fiangonany ny kabarin’ny mpitoriteny tamin’ny fitenindrazany ny Malagasy ary indrindra fa ny fahalalahany teo amin’ny fitondrany ny fiangonany. Tsy izay nihavian’ireo vazaha (na norveziana io, na anglisy na amerikana) nitondra ny baiboly no nanandanja teo aminy fa ny hafatra sy ny fiovana naterak’izany.

Hany ka rehefa tonga ny mpanjanan-tany , izay zatra tamin’ny fomba fitondram-piangonana hafa, dia nanahirana na koa nahamahina azy izany. Satria heverin’izy ireo fa io fivavahana izay miorim-paka amin’ny vahoaka io no mety tsy hahatanteraka izay kasain’izy ireo hatao dia ny fitsetsehana ny harem-pirenena. Ny lalana fisarahan'ny fiangonana ary ny fitodram-pirenena tamin'ny 1905 dia tsy nihatra taty Madagasikara, izay zanatany frantsay tamin'izay. Tsy dia fantratry ny malagasy ny fanjakana laika.

Tsy mahagaga, raha hatramin’izao, ny mpitondra firenena Malagasy maro, no mahina amin’ny protestanta. Indrindra fa raha nifampikasoka tamin’ireo firenena tsy nanana izany kolotsaina protestanta izany izy ireo.

Koa ny firenena Malagasy dia nandray ny filazantsara 140 taona lasa izany. Raikitapisaka amin’ny Malagasy io. Velona ankehitriny ny zafindraony ary koa ireo hira izay nataon’ny maintimolaly fahizay. Koa isaky ny 21 febroary dia aza hadino ny mitondra amim-bavaka ny firenenao ary ny mpitondra sy ny mponina ao aminy.

D.ANDRIANARIVO
24 febroary 2010

(Nalaina tamin’ny boky noratan’I M Bianquis, izay misionera protestanta frantsay tany Madagasikara ary anisan’nireo izay nitaoza ny Malagasy tany Frantsa tamin’ny taona 1920)

 
< Précédent   Suivant >
 
Joomla Templates by Joomlashack