|
Taona 1869 no niseho ny tantara. Izany hoe
141 taona lasa izay. Tantara efa maro mahafantatra kanefa moa dia
iniana averina mba hotsarovana sy ho eritreretina. Vao tonga 50
taona latsaka kely ireo anglisy toa an’I D.Jones (1820)
nitondra ny filazantsara teto Antananarivo. Iraky ny Tompo Jesosy
tamin’ny alalan’ny fikambanana anglisy iray dia ny LMS
(London Missionnary Society) izany. Ny filazantsara amin’ny
lafiny mahenika ny olona no nentin’izy ireo . Hany ka tao ny
mpitory ny filazantsara ary tao koa ny mpahay asa-tanana toy ny
mpandrafitra, mpanefy sns.. Anisan'ny voaolohany dia ny fakafana
sekoly tao anaty rova , fony Radama I no mpanjaka, tamin’ny 8
desambra 1820. Izany hoe ankalazaina eto Antananarivo ny faha
190 taona nisokafan’ny sekoly voalohany teto
Madagasikara. Niroborobo tokoa izany fampianarana izany satria 15
taona taty aoriana dia 32 ny sekoly teto Imerina izay nisy
mpianatra 4000.
Niato satria voatery nody ireto misionera
nandritry ny 1835-1861 satria maty Radama I ka ny vadiny Ranavalona
I no nandimby azy. Miova andriana, miova sata hoy ny fiteny.
Niverina ny fanompoan-tsampy nandritr’izany fotoana
izany.
Toy ny fakana aina nataon’ireto
mpitory ny filazantsara izany fotoana izany ahazoan’izy ireo
miomana tsara amin’ny fanohizana ny asa. Hany ka rehefa
tafaverina izy ireo ny taona 1864 dia nitondra namana mpiara-miasa
dia ny QUAKERS izay antsoina koa hoe FFMA (Friends Foreign Mission
Association). Samy tsy fiangonana na ny LMS na ny FFMA.
Tamin’io taona io kosa no nahatongavan’ny
sampam-piangonana anglikana dia ny SGP (Society for the Propagation
of the Gospel) izay tany amorontsikaraka manaraka ny ranomasina
Indiana. Tonga koa ny taona 1866 ny iraka avy tany Norvezy izay
firenena manaraka ny fombam-pivavahana loterana. Tsy fiangonana koa
itsy farany itsy ary dia nanomboka ny asany tany Ankaratra izy ireo
ary dia nianatsimo ka tonga hatrany amin’ny faritr’I
Betsileo.
Na dia samy anglisy ny LMS, ny Quakers ary
ny SGP dia ny LMS sy ny Quakers no tena nifandray Tanana akaiky
hany ka tonga hatramin’ny fiaraha-miasa tamin’ny
fananganana ny fitoriana ny filazantsara nataon’ireo
fiangonana Malagasy naorin’izy ireo. Izany dia
notanterahan’izy ireo tao amin’ny fivoriambe fanaony
isan’Enim-bolana teto Antananarivo ary Isan-keritaona tany
Fianarantsoa.
Fa ny anglikana ary loterana norveziana
dia nanana ny fombany manokana avy. Satria efa niaina
fiainam-piangonana izy ireto talohan’ny nahatongavany taty
Madagasikara. Nanohy izany fiainam-piangonana izany no nataony na
tamin’ny asan’ny mpitandrina (asa pasitaoraly izay
voahasina na vita irdiansiona) izany na koa ny rafitry ny
fiangonana izay naoriny (fisian’ny eveka ohatra).
Amin’izy ireo ny LMS ary ny Quakers dia fikambanana
mahaleotena (Independants) fa tsy manana rafi-piangonana toa azy
ireo.
Vokatr’izany dia hita fasamy nanana
ny trano iangonany ny tsirairay avy na dia samy iray tanàna
aza. Izany fahasamihafana ao anatin’ny firaisana izany moa
sia azo lazaina fa isan’ny maha protestant azy ireo.
Tsy ny vahoka ihany no nandray ny
filazantsara. Araky ny hitantsika teo aloha dia tao amin’ny
rovan’ny mpanjaka no nisokatra ny sekoly voalohany. 50 taona
taty aorina, izany hoe nadritry ny tao-jobily dia ny mpanjaka
Ranavalona II ary ny praiminisitra Rainilaiarivony izay vadiny
ihany koa no nanolotena ho an’I Jesosy Kristy tamin’ny
alalan’ny batisa ny 21 febroary 1869. Latsa-danomaso izy
ireto tamin’izany ary nahavariana ny maro araky ny
fitantarana nataon’Andriambolo tamin’i misionery iray
dia Cameron izany.Voalaza fa mpitandrina malagasy no nanatontosa
an'io batisa io. Natao ivelan'ny raharaha ny anglisy. Betsaka ny
fijoroana vavolombelona antaon’ity mpanjaka vavy ity. Tsy izy
mivady ihany fa ny ankohonanay koa dia natao batisa toy ny
rebik'ondry. Mampahatsiaro antsika ny tantaran’ilay tandapa
etiopiana ao amin’ny filazantsara.
Nanomboka hatreto dia nitsangana ny
fiangonana tao Anatirova. Fiangonana izay nahaleotena , tsy
niankina tamin’ny misionery fa nandefa kosa ireo iraka mba
history ny filazantsara manerana ny fanjakana. Asa na izany no
lazaina fa fiangonam-panjakana ? Ny Praiminisitra no mpiandraikitra
voalohan’izany fiangonana izany. Nanova zavatra betsaka izany
hany ka lasa fitaovana nampiasain’ny fanjakana mba hamakiana
batsilana ireo andriana/foko maro izay teo amin’ny
fitondram-piangonana protestanta. Tsy teo amin’ireto andriana
ihany fa hatrany amin’ny fahefan’ireto misionery
anglisy aza dia voatohina noho izany. Sarotra ny hieritreritra ny
hoe ahoana no fomba nataon'ny praiminisitra izay nisahana ny
famapandehanan-draharaha eto antany (ny fanjakana) ary koa ny
raharaha ara-panahy (ny fiangonana). Betsaka ny fanotaniana
mipetraka manodidina ireo teny maro nataony tamin'ny
isan'enimbolana. sarotra ny mieritreritra fa rehefa manompo
an'andrimanitra dia mitovy daholo ny rehetra satria Tompo iray no
tompoin'izy rehetra. Fa rehefa raharaham-panjakana indray dia ny
Mpanjaka vavy no mamoaka ny didy ho an'ny vahoaka. Ahoana ny
fifandraisan'ny andriana/hova/mainty.Ny hoe manjaka tsy
roa ?
Rahany teto Imerina ary Betsileo dia nisy
ny fiangonam-panjakana ary nisy koa ireo fiangonana izay
nentin’ireto misionery angilsy. Nitatra ny asa fitoriana ny
filazantsara teto Madagasikara, Niorina ny trano fiangonana tany
ambanivohitra tany. Nitombo arak’izany koa ny sekoly
indrindra fa ny mpianatra. Ny trano fiangonana moa dia itoriana ny
teny ary ivavahana ny alahady fa ny andavan’andro kosa dia
lasa sekoly. Niova arak’izany ny fomba fiainana satria
novakina teo amin’ny fianakaviana ny baiboly izay voadika
tamin’ny teny Malagasy tamin’ny taona 1835. Io ihany
koa no asa niraisan’ireo misiona protestanta samihafa teto
Madagasikara. Voahaja arak’izany ny alahady : najanona
tanteraka ny asa fanao andavan’andro, tsy asan’ny
mpitondra fivavahana irery ny asam-piangonana fa an’ny
rehetra izay afaka mamaky teny sy mizara izany teny izany
amin’ny hafa. Izany fahaizana mamaky ny Soratra Masina izany
koa moa no anisan’ny imasoan’ny sekoly protestanta
ankoatry ny asan-tanana samihafa.
Raikim-pitia Baiboliny, ny hirany ny
fiangonany ny kabarin’ny mpitoriteny tamin’ny
fitenindrazany ny Malagasy ary indrindra fa ny fahalalahany teo
amin’ny fitondrany ny fiangonany. Tsy izay
nihavian’ireo vazaha (na norveziana io, na anglisy na
amerikana) nitondra ny baiboly no nanandanja teo aminy fa ny
hafatra sy ny fiovana naterak’izany.
Hany ka rehefa tonga ny mpanjanan-tany ,
izay zatra tamin’ny fomba fitondram-piangonana hafa, dia
nanahirana na koa nahamahina azy izany. Satria heverin’izy
ireo fa io fivavahana izay miorim-paka amin’ny vahoaka io no
mety tsy hahatanteraka izay kasain’izy ireo hatao dia ny
fitsetsehana ny harem-pirenena. Ny lalana fisarahan'ny fiangonana
ary ny fitodram-pirenena tamin'ny 1905 dia tsy nihatra taty
Madagasikara, izay zanatany frantsay tamin'izay. Tsy dia fantratry
ny malagasy ny fanjakana laika.
Tsy mahagaga, raha hatramin’izao, ny
mpitondra firenena Malagasy maro, no mahina amin’ny
protestanta. Indrindra fa raha nifampikasoka tamin’ireo
firenena tsy nanana izany kolotsaina protestanta izany izy
ireo.
Koa ny firenena Malagasy dia nandray ny
filazantsara 140 taona lasa izany. Raikitapisaka amin’ny
Malagasy io. Velona ankehitriny ny zafindraony ary koa ireo hira
izay nataon’ny maintimolaly fahizay. Koa isaky ny 21 febroary
dia aza hadino ny mitondra amim-bavaka ny firenenao ary ny
mpitondra sy ny mponina ao aminy.
D.ANDRIANARIVO
24 febroary 2010
(Nalaina tamin’ny
boky noratan’I M Bianquis, izay misionera protestanta
frantsay tany Madagasikara ary anisan’nireo izay nitaoza ny
Malagasy tany Frantsa tamin’ny taona 1920)
|