|
Vavolomben'izany hianareo (Lio
24.48)
Alahady atokana ho an’ny firaisampinoana na
herinandrom-bavaka ho an’ny firaisan’ny kristiana.
Tamin’ny heriny isika dia teto amin’ny ERF (Eglise
Réformée de France) Dijon niaraka nakalaza ny Tompo
niaraka tamin’ny pretra katolika Charles TRAPET no nitondra
ny Tenin’Andriamanitra. Tamin’ny maraina teo dia tany
amin’ny fiangonana katolika Ste Thérèse tany
chenove isika. Ny teny faneva tamin’izany dia ny teny izay
novakiana tamintsika teo dia ny lio 24.
Araky ny fandaminana eo amin’ny
fiarahan’ny kristiana (Groupe oecumenique) dia ny Ecossais no
tompon’andraiktra tamin’ity taona 2010 ity ka dia io
teny hoe hianareo no vavolombelon’izany io no no
fidin’izy ireo. Amin’izao vanin’andro
iaianantsika izao dia matetika ny toriteny na ny
fampianaran’i Jesosy Kristy tamin’ny faraparan’ny
fiainany tety antany no dinihin’ireo mpiandraikitra ao
amin’ny sehatra ekioménika (firaisampinoana) toy ny
hoe “mba ho iray ihany izy rehetra, tahaka anao Ray ato
amiko, ary izaho koa ao aminao, mba ho ho ao amintsika koa izy mba
hinoan’izao tontolo izao fa hianao no naniraka ahy”
Jao.17.21. hianareo no vavolombelon’izany.
Vavolombelona , inona moa izany ?
Ny hoe vavolombelona na témoins ary adika hoe maritiora
ao
* amin’ny testamenta vaovao dia
olona toa an’i Jaona , apostoly izay nandre, nahita,
nahatsapa tanana (I Jao.1.1-4)
* ao amn’ny testamenta taloha :
marika iray hita maso ho marikin’ny fifanekena eo
amin’ny olona roa toa an’i Labana sy jakoba ao
amin’ny Gen.31.44. Ary dia tsangambato na Galeda no
anaran’izany. Teo izy ireo no niara-nifaly.
* Ny didy folo koa dia natao hoe
vavolombelona (Eks.25.6). Teny voalaza matetika ny teny hoe
Fiaran’ny vavolombelona ilazana ny fiara izay itondrana ny
didy folo
Koa teo amin’ny jiosy, mba hampisy
lanjany ny tenin’izay nahita, nandre izany hoe ny
tenin’ny vavombelona raha ny fitsarana no resahina, dia tsy
maintsy misy vavolombelona 2 farafahakeliny no mifanara-teny vao
azo ekena ny fahamarinany.
Resahina koa fa diso na sazina izay mety
ho vavolombelona mandainga. Misy ireo izay milaza fa nahita, nandre
nahatsapa tanana kanefa tsy marina.
Eto amin’ity filazantsatran’i
Lioka izay mitantara ny fitsanganan’i Jesosy tamin’ny
maty ity dia mahita isika olona 2 samihafa mitantara izany:
* Ny roalahy izay niseho tamin’ny
fitafiana manelatrelatra (4). Izay nanontany tamin’ireto
vehivavy ireto hoe : nahoana no ato amin’ny maty no
itadiavanreo ny velona. Tsy ato izy fa efa nitsangana.
* I Jesosy Kristy no miresaka
tamin’izy 2 lahy raha sendra nandeha tany Emaosy izy ireo ary
ny nahafantarany Azy rehefa namaky ny mofo teo am-pisakafoanana Izy
ireo. Mbola niseho koa tamin’ireto mpianatra Jesosy ka
nampiseho tamin’izy ireo ny tanany sy ny tongony.
Ireto olona roalahy sy Jesosy no azo
lazaina fa volombelona ambaratonga voalohany ny amin’ny
nitsanganan’i Jesosy tamin’ny maty. Kanefa inona marina
moa no nolazain’izy ireo ?
Vavolombelon’ny inona ?
Hoy ireto lehilahy anankiroa izay niresaka tamin’ireto
vehivavy dia i Maria Magadalena, Jeanne (vadin’i Koza,
mpitandrina ny fananan’i Heroda) izay lazain’i Lioka ao
amin’ny toko faha 8.2-3 fa nositranin’i Jesosy
tamin’ny fanahy ratsy ary i Maria, renin’i Jakoba
sns..: Tsarovy ny teny izay nataony taminareo fony Izy mbola tany
Galilia (Lio.9.22) : ny zanak’olona tsy maintsy hatolotra eo
antanan’ny mpanota ka hombona eo amin’ny hazo fijaliana
ary hatsangana amin’ny andro fahatelo (7). Teo vao nahatsiaro
izany teny izany ireto vahivavy ireto. Lehilahy
vavolombelon’ny fahamarinana ary ny fahatanterahan’ny
Tenin’i Jesosy momba Azy.
Jesosy indray, araka ny Lk 24 , dia nilaza
fa adala sy votsa saina ireto roalahy izay nakany Emaosy ireto
satria tsy mino izay nolazain’ny mpaminany (25). Izany
fanambarana izany dia nanomboka tamin’i Mosesy sy ny
mpaminany rehetra. Izany hoe ny soratra Masina rehetra dia
manambara ny momba Azy. Ary teo am-pamakiana ny mofo vao nisokatra
ny masony. Raha niseho tamin’ny mpianatra indray Jesosy dia
nilaza tamin’izy ireo (44) fa tsy manitsy tanteraka izay
voalaza ny momba Azy ao amin’ny Lalan’i Mosesy sy ny
Mpaminany ary ny salamo. Izany hoe ny soratra Masina rehetra na ny
Testamenta Taloha raha ny amintsika Kristiana no resahina.
Mahita vavolombelona 2 samihafa isika dia
Jesosy sy ireto Lehilahy 2 ireto izay milaza zavatra tokana dia ny
fahatanterahan’ny Tenin’andriamanitra ny amin’ny
fiaretan’i Kristy, ny fitsanganany amin’ny maty
amin’ny andro fahatelo ary ny fitoriana, amin’ny
anarany, ny fibebahana sy ny famelan-keloka amin’ny
firenenana rehetra. Izany dia hanomboka any Jerosalema. Fa mba
ahoana indray ary ny tohiny ?
Vavolombelon’izany hianareo
Raha nolazaitsika fa nisy ny andian’ny vavolombelona
voalohany, ireto olona izay nisehoan’ny Tompo na nandre izany
vaovao izany toa :
* Vehivavy ireto, raha vao nandre fa
nitsangana tamin’ny maty Kristy arak’izay teny sy
fampianarana noraisin’izy ireto tany Galilia ka tanteraka
tany Jerosalema dia lasa nizara izany vaovao izany. Lasa
vavolombelona kosa indray izy ireo teo anatrehan’ireto
mpianatra 11 lahy. Tao ny no nino, tao no toa nanonofy raha nandre
ny filazana ny vaovao mahafaly izay notantarain’ireto
vehivavy ireto. Marihina moa fa ireto vehivavy ireto,raha araky ny
fitantaran’i Lio 8.3 dia lazainy fa “mpanompo
Azy”. Raha tongatany amin’ny fasana nitondra ny
zava-manitra izay efa namboariny izy ireto dia tsy nahita ny
fatin’i Jesosy Tompo fa vaovao mahafaly no ren’izy ireo
dia ny fitsanganan’i Jesosy tamin’ny maty.
* I Petera, izay nihazakazaka, tsy nahita
izay hitan’ireto vehivavy ireto fa lambam-paty mipetraka
mitokana no hitany (12) dia lazain’i Lioka fa gaga izy. Tsy
nahita an’i Jesosy na ireto roalahy izy fa lambam-paty no
hitany. Marina tokoa fa na dia samy mankaty am-piangonana aza isika
rehetra dia tsy mahita, mahare zavatra mitovy fa tsy maintsy misy
manaitra ao. Ny an’i Petera dia tena ny maha olombelona azy
no hitany : lambam-paty.Lazain’i Lioka 24.34 fa mba
nisehoan’i Jesosy koa i Simona. Manamafy izany i Paoly ao
amin’ny Ikor 15.5
* Ireto mpianatra 2 lahy nankany Emaosy
izay niresaka momba ny fijoroan’ireto vehivavy vavolombelona
ny amin’izay hitany ary koa ny fanantena’izy ireo ny
amin’izay hataon’i Jesosy : nantenainay fa Izy no Ilay
hanavotra ny Isiraely (21). Jesosy velona no hitan’izy ireo.
Ny famakiana ny mofo ny nahafantarany azy.
Samihafa ny fijoroana vavolombelona
nataon’ireto Vehivavy, I Petera ary ny ry Kleopasy izay
nankany Emaosy. Kanefa ny ivon’izany fijoroana
vavolmbelon’izany dia ny fitsanganan’i Jesosy
tamin’ny maty. Samy nihaona mivantana tamin’i Jeosy izy
ireto. Nampiova ny fiaina’izy ireo izany ary nandraisany
fahasoavana koa izany no manery azy ireto hizara izany.
Amintsika izay tonga eto, dia azo lazaina
fa samihafa koa izay nihaonan-tsika tamin’ny Tompo.
Lazain’i Tompo fa vavolombelon’izany fihaonana sy ny
fiovam-piainana aterak’izany hianao ka asainy koa mitory ny
fibebahana sy ny famelan-keloka amin’ny firenena rehetra. Efa
tsy any Jerosalema intsony isika fa eto Dijon, aty Frantsa. Mbola
asain’ny tompo mijoro vavolombelona isika. Io fijoroana
vavolombeloa io no mampiray ny finoan’ny fiangonana samihafa
fa eo amin’ny fomba anehoana izany no samihafa.
Koa diniho ny tenanao, mba
vavolombelon’izany fitsanganan’i Jesosy tamin’ny
maty izany ve ianao ? Mba manana fijoroana vavolombelona azo atao
ve? Miantso ny Tompo anio ny amin’izay tokony hibebahanao
handraisanao fiainana vaovao feno fahasoavana. Izany fiainana izany
no hojarainao amin’ny hafa. Amen
D.ANDRIANARIVO
Dijon 24 janoary
|