A free template from Joomlashack

A free template from Joomlashack

majunga033.JPG

Radio Fpma

Tonga Soa arrow Toriteny arrow Izaho no nieraka anao ..
Izaho no nieraka anao .. Convertir en PDF Version imprimable Suggérer par mail
pasitera   

...zanako hianao, izaho no niteraka anao androany Heb 1.5

Ry havana malala,

Hatramin’ny taonjato faha 4 izay nanombohan’ny fiangonana kristiana niala tamin’izay atao hoe fiangonana an-trano no nanombohan’ny fankalazana ny atao hoe fhaterahan’i Jesosy Tompo. Tsy dia misy fototra ara-soratra masina izy ity. Izany no tsy ahitantsika, ao amin’ny epistily, ny TV rehetra momba an’ity hoe fankalazana ny nahaterahan’i Kristy ity. Tsy toy ny Paska izay mifanindry rahateo koa moa amin’ ny Paska Jiosy. Ny Paska izay ivon’ny fiainam-piangonana kristiana.

Ny tantara dia mampiseho

Amin’ity taona ity dia ny tantaran’ny fahaterahan’i Jesosy araky ny bokin’i Lioka no noraisina. Tsy mitovy amin’izay lazain’i Matio izay mitantara ny amin’ireto Magy avy tany an-tsinanana. Olona tsy jiosy fa olon-kendry sady manan-pahaizana manokana momba ny fijerena ny lanitra. Nahita ny kitan’ilay mpanjakan’ny Jiosy izy ireo ka tany amin’i Heroda izay mpanjaka no namantanany.

Resaky ny samy tsy jiosy izao tantarain’i Matio izao. Voakasikin’ny Fahaterahan’i Jesosy koa ny tsy jiosy toy ireto Magy, izay olon’ny fahalalana sy ny fahendrena ary Heroda, olon’ny fanapahana sy ny fanjakana. Jesosy mpanjaka no hitan’izy ireo

Eto amin’ity bokin’i Lioka ity indray dia voatondro mazava ny vanim-ptotoana izay nisahoan’ny tantara dia :

* Aogosto Kaisara, namoaka didy ny amin’ny fanoratana

* Kyrenio mpanapaka tany syria

Io didy navoak’i Aogosto Kaisara io no antony nialan’i Josefa sy Maria izay tany Nazareta any Galilia hankany Betlehema any Jodia mba hosoratana izy roa mpifamofo.

Tantaraina eto ny ny nahatongavany tao amin’ny tanin’i Davida, satria taranany i Josefa dia lazaina fa tsy nahita toerana hivantanana izy roa hany ka tany ampihinanam-bilona no nahaterahan’ity Lahimatoan’i Maria. Tsy dia mazava loatra ny amin’ity hoe fihinanambilona ity fa dia samy manana ny fomba fijeriny ny mpandinika maro (grotte, sns..). Ny ao antsiana dia any amin’ny fihinana’ny biby vilona Jesosy no teraka. Biby toy ny ondry izany.

Tamin’izany koa no nisehon’ireto anjely (irak’Andrimanitra) tamin’ireto mpiandry ireto mba hilaza amin’izy ireo ny amin’ny fahaterahan’ny Mpamonjy, dia Kristy Tompo. Fanambarana narahan’ny Fiderana an’Andriamanitra nataon’ireto anjely ireto

Ary dia nandeha faingana no lasa tany Betlehema izy ireto hijery an’izany zavatra izany. Ary rehefa nahita izy ireo dia nampiely izay teny nolazaina taminy ny amin’izany Zaza izany. Nankalaza sy nidera an’Andriamnitra izy ireto nohon’ny zavatra izay reny sy hitany. Izay raha fintinina fohy ny amin’ity tantara izay nosoratan’i Lioka ity momba ny nahaterahan’i Jesosy.

Inona no tsikaritra ?

* Marihina fa tsy mba misy anaran’i Jesosy voatonona eto na dia indray andeha monja aza. Any 1.31 no nolain’ny Anjely taminy fa ny anaran’ilay zazalahy dia hatao hoe Jesosy :zanakin’ny avo indrindra. Anarana hafa no iantsoana azy eto : Lahimatoa (6), zaza (6), Mpamonjy (11), Kristy Tompo (11), zazakely (12), Zavatra vao tonga izany (15). Asa na marikin’ny fanajana na fahatahorana no tsy anononana ny anaran’i Jesosy. Ny azo tenenina koa dia eo anivon’ny Jiosy ny tantara no resahina hany ka tsy dia fanaony loatra ny manonona ny anaran’Andriamanitra.

* Ny fiderana sy ny fankalazana an’Andriamanitra ny amin’izao fahaterahana izao. Fiderana nataon’ny anjely ho an’Andriamanitra : Voninahitra any amin’ny avo indrindra ho an’Andriamanitra! Ary fiadanana ho ety ambonin’ny tany amin’ny olona ankasitrahany (14). Hira izay lazain’ny mpandinika maro fa nadika tamin’ny teny hebreo. Hita koa izao hira izao any amin’ny Lio 19.38 raha niakatra ho any Jerosalema Jesosy . Ny Voninahitra dia ho an’andriamnitra fa ny fiadanana ho ety zambonin’ny tany. Io Fiadanana io no ho entin’i Jesosy ho an’ny olona. Io no vokatrin’ny famonjena izay entiny.

* Ny manodidina izao tantara izao. Lazaina fa raha teraka ny Tompo dia ny lamban-jaza no nanodidina azy. Tena olombelona no teraka eto satria fantatsika rehetra no fomba amam-panao moba izany fahaterahana nizany. Ny voninahitry ny Tompo no lazaina fa manodidina izao tantara izao tamin’ny alalan’ny anjely izay niseho tamin’ireto mpiandry ondry ireto. Tsy zaza toy ny zaza rehetra no teraka fa zanak’Andriamanitra arak’izay volazan’ny mpanoratry ny hebreo izay novakiantsika teo. Izany no manamafy ny antony tsy nanonon’izy ireo ny anaran’i Jesosy angamba.

Ny hafatry ny noely.

Amin’izao fahaterahana izao dia miara-paly ny any an-danitra sy ety an-tany. Hitantsika izany tamin’ny hiran’ireto anjely ireto. Voninahitra ho an’Andriamanitra ary fiadanana ho ety ambonin’ny tany ho an’ny olona ankasitrahany. Fa iza ary moa no ankasitrahan’Andriamanitra : ny olona rehetra satria tian’andriamanitra isika rehetra. Anjaranao no mifidy ary .Toy ireto mpiandry ireto dia aza matahotra ny mandray fanampahan-kevitra ka handeha hijery izany zavatra izany. Eny mety ho “zavatra” ihany tokoa ho anao izany amin’ny voalohany fa rehefa avy eo, rehefa avy nahita dia mampiely izay hitanao. Andramo fa tsara Jehovah.

Ny Mpiandry ondry no nolazaina eto ho enti-milaza, ohatra fa ilay teraka anie dia tsy hafa fa mitovy asa amin’izy ireo ihany: fa sady Ondry no Mpiandry tsara. Mpiandry ondry taranaka mpiandry ondry malaza dia Davida izany. Ilay ondry novonoina nohon’ny heloko, nohon’ny helokao izany no maha filazam-baovao azy : raha ianao, izaho no tokony ho faty dia voa avotra izaho sy ianao nohon’ny sorona ataon’i Jesosy teo ambony hazo fijaliana. Mpiandry tsara izy satria arak’izany, izy mpiandry no mamy ny ainy hamonjy ny ondriny. Jereo ary diniho akaiky ny nataon’ireto mpiandry ondry ireto : nankalaza an’Andriamanitra nohon’ny zavatra izay hitany sy reny arak’izay nolazaina taminy. Izany koa no andrasana amintsika rehetra izay efa nahita sy nahare ary nandray izany famonjena izany. Ny hampiely izany: fijoroana vavolombelona.

Farany, misarika ny saina ny momba an’ireto raiamandrenin’ilay zaza. I Josefa dia toa olona manatrika ihany. I Maria indray rehefa avy nanodidina lamba an’ilay zaza dia toa an’i Josefa ihany. Marika milaza izany fa na i Maria na Josefa dia samy nampiasain’Andriamanitra ihany fa tsy i zy mivady akory no nisahirana nahatanterahan’izao famonjena izao. Kanefa marika izay tsy azo ihodirana : olona manodidina an’ilay zazakely voahodidina lamban-jaza ary miverina in-telo izany eto amin’ny tantara : (7) tamin’ny fahaterahany, (12) izao no famantarana ho anareo hoy ny anjely tamin’ireto mpiandry ondry ireto, (16) nahita tokoa an’ilay Mpamonjy arak’izay nolazain’ny anjely.

Mitarika ny saintsika ny fiafaran’izao tantara izao: Fa Maria, kosa, nitadidy izany teny izany ka nieritreritr’izany tao am-pony . Ireto Mpiandry ondry ireto kosa raha nahita dia nampiely ny vaovao ka nahagaga an’izay rehetra nandre izany ary nidera sy nankalaza an’Andriamanitra,.

Voninahitra anie ho an’Andriamanitra Ray sy Zanaka ary Fanahy Masina, izay hatramin’ny taloha indrindra ka ho mandrakizay. Amen

FPMA Dijon
Noely 2009

 
< Précédent   Suivant >
 
Joomla Templates by Joomlashack