A free template from Joomlashack

A free template from Joomlashack

majunga042.JPG

Firy

Il y a actuellement 11 invités en ligne

visiteurs depuis le 26 janvier 2006

Calendrier

« < Février 2012 > »
L M M J V S D
30 31 1 2 3 4 5
6 7 8 9 10 11 12
13 14 15 16 17 18 19
20 21 22 23 24 25 26
27 28 29 1 2 3 4

Radio Fpma

Tonga Soa
Inona no hataonay ? Convertir en PDF Version imprimable Suggérer par mail
Administrator   
..inona no hataonay ? Lio 3.10, 12, 14

Ry havana malala, Alahady fahatelo amin’ny advento anio, izany ho alahady fahatelo koa amin’ny tamp-piangonana vaovao . Advento, fiomanana amin’ny fandraisana ny mpanjaka hamangy antsika. Fomba fanao teo amin’ny fitondrana izany : rehefa ho avy ny mpitondra fanjakana dia miomana ny tanana amin’ny lafiny rehetra. Misy ny fiangonana sasany izay mampiseho ny fiomanana amin’ny adveto izany amin’ny alalan’ny fampirehetana labozia .
1.Alahady voalohany : ny labozia dia mampiseho ny fampidrampon’Andriamanitra tamin’i Adama sy Eva : olombelona hamindran’Andriamanitra fo,
2.Alahady faharoa : ny labozia dia mampiseho ary mampahatsiahy ny finoan’ireo raimanadreny mpitarika (la foi des Patriarches) raha ho any amin’ ny tany nampantenaina azy ireo.
3. Alahady fahatelo ny labozia dia mamapahatsiaro ny hafalian’i Davida, mankalaza ny fanekena amin’Andriamanitra . Tonga any amin’ny tany nampanantenaina ny Zanak’Isirely.
4. Ny Alahady fahefatra farany: Ny labozia manazava ary mamapahatsiaro ny amin’ny fampianaran’ireo mpaminany manambara ny fanjakan’ny fiadanana ary ny fahamarinana.

Ny tantara dia mampiseho an’i Jaona eo ampanaovana ny asany. Tonga teo aminy ny olona mba hatao batisa . Mialoha an’izany anefa dia lazain’i Jaona mazava ny tokony hiovan’izy ireo : mitondra voa mendrikin’ny fibebahana. Fibebahana izay tsy azo raisina amin’ny alalan’ny lova ka hoe efa kristiana ohatra ny dadany na ny dadabenay dia noho izany ny taranany rehetra dia mitondra ny vokatr’izany. Raha tsy izany dia efa miandry ny famaky izay mikapa ny voa izay tsy mitondra izany voa izany.

Fa inona moa izany hoe fibebahana : ny fibebahana dia ny “fiovana” toy ny fiovan-tsaina izay mahafaoka ny sitrapo ary ny faniriana rehetra, fiovan-dalam-piainana sns.. Ny fibebahana dia ny fandaozana ny fahotana ka mitondra amin’ny fihavanana/fiverenana amin’Andriamanitra.

Io fiovana io no torian’i Jaona tamin’ireto vahoaka izay nanaraka azy. Vahoaka izay tsy iza fa jiosy tahaka azy ihany. Izany fibebahana izany dia miaraka amin’ny finoana ary ny vokany dia ny fahatongavana amin’izay nirina fia ny famelan-kelona. Vokatr’izany ny fifaliana lehibe izay aterany. Izany no mampisy ny fifaliana amin’ny bokin’i Zefania novakiantsika teo. Ao anatin’izany koa ny Filipiana.
Hatramin’ny nahalatsahan’ny Adama sy Eva tamin’ny fahotana izay nampisaraka azy ireo tamin’andrimanitra dia tsy nitsahatra Izy ny nitady fihavanana na nanolotra ny famonjena ny olona mba hiverenany eo aminy. Anisan’ireo olona nantsoin’andrimanitra ho amin’izany i Jaona Mpanao batisa.

Jaona mpanao batisa
Jaona, zanak’i Zakaria, izay nahazo ny tenin’Andriamanitra. Amin’ny teny hafa dia lazaina fa mpitondra ny tenin’Andrimanitra i Jaona izany hoe Mpaminany toa an’i Isaia raha nilaza ny amin’ny hamahana ny Zanak’Isiraely tamin’ny fahababoana izy Isa 60 izay novakiantsika teo. Tany an’efitra izy no nahazo an’izany teny izany. Ny somary olana kely amin’izao teny izao dia ny hoe tany amoron’ny jordana i Jaona no nitory ny teny. Amoron’i Jordana izay tsy efitra velively. Koa inona izany no dikan’ny hoe efitra eto ? Matetika ny hoe efitra dia tsy misy rano . Eto anefa dia misy anity rano atao hoe Jordana ity, izay manamafy fa azon’i Jaona atao tokoa ny batisa satria misy ny rano. Fa ny hoe “efitra “ kosa

Hatamin’ny bokin’ny Eksodosy, ny hoe “efitra” dia tsy hafa akory fa toerana fihaonan’ny olona amin’Andriamanitra :”Koa indro izaho dia hitaona azy ka hitondra azy ho any an’efitra ary hanao teny malefaka hahafinaritra azy” Hos 2.16. Teny azon’i Hosea, mpaminany tamin’i Jehovah. Hampody ny Isiraely aminy Jehovah satria nanompo andrimani-kafa izy ireo dia bala izany. Ilay efitra izay nitondran’andrimanitra ny zanak’isiraely nadritry ny 40 taona mahery. Koa ny “efitra” eto izany dia milaza izay toerana misy ny ZI fa tsy ny tany foana akory. Any amin’ny ZI no nanirahan’i Jehovah an’i Jaona hitory ny batisan’ny fibebahana ho famelan-keloka.

Izao asan’i Jaona izao dia heverin’ny mpandinika maro fa fiatombohana vaovao. Raha tany amin’ny Genesy 1.1 “ Tamin’ny voalohany Andriamanitra nahary ny lanitra sy ny tany”, eto amin’ity asan’i Jaona, raha araky ny fitantaran’i Marka kosa Izy dia milaza “ny niandohan’ny filazantsaran’i Jesosy Kristy, zanak’Andriamanitra”. Jaona iantombohan’ny Fitoriana ny filazantsara vaovao dia ny TV izany.

Jaona izay voafetra ihany na tamin’ny toerana niasany aza : raha nihaona tamin’ny ZI tany an’efitra izy dia tany amoron’ny Jordana ihany no azony nitondrana azy. Tahaka an’i Mosesy izay tsy afaka niampita an’i Jordana fa nisy an’i Josoa izay nampita ny ZI ho any amin’ny Tany tondra-dronono sy tantely.
Jaona eto dia mitondra antsika ho amin’ny fiomanana ny fandraisana ny fahatongavan’ny Tompo : fa ny Lalàna sy ny Mpaminany dia hatramin’i Jaona.
Jaona dia miteny aminao amin’ity anio ity fa te-hamela heloka aminao ny Tompo raha toa ka mibebaka ianao. An’isan’ny nofo rehetra hahita ny famonjen’Andriamanitra ianao ary hanohy ny asa izay nataon’i Jaona. Ary amin’izany mpanohy ny asan’i Jaona izany ny mpanompon’Andrimanitra izay entintsika amim-bavaka ankehitriny

Ny sary aseho.
Tsy i Jaona akory no Mesia fa ny asany kosa dia ny manomana ny fahatongavany. Lazainy fa Mahery noho izy ilay ho tonga ka hanao batisa amin’ny Fanahy Masia sy ny Afo.

Raha misy sary aroso amintsika anio dia sarin’ny olona izay ampitaina. Toy ny fiampiatana renirano iray toy ny Jordana. Kanefa izany fiampitana izany dia aseho amin’ny alalan’ny Batisa. Izay tapa-kevitra rehetra fa hiampita dia ataon’i Jaona Batisa. Misy fetrany ihany anefa izany batisan’i Jaona izany satria batisan’ny fiovam-po ihany fa tsy mitondra tanteraka amin’ny famonjena.

Mipetraka eto ny fanontaniana apetrak’ireo olona izay vao natao batisa hoe inonna moa izany no tokony hataonay aorian’izao batisa izao ?

Ataoko fa mipetraka amintsika rehetra koa izao fanontaniana izao. Ahoana tokoa moa no tokony ho fiainan’ny Kristiana aoriana ny nandraisany an’i Kristy ? Maria fa tsy i Jesosy no manome ny valiteny eto kanefa dia azo raisina fa anisan’ny asan’ny Jaona izany arak’izay voalaza “amboary ny lalan’i Jehovah, ary ataovy mahitsy ny lalan-kalehany” and.4 arak’izay voalazan’i Isaia.

Tafita ianao izao satria handray ny famonjena ka inona no tokony hatao ?

Lazain’i Jaona tamin’ireto nanatona azy fa :

- Tamin’ny vahoaka dia lazainy fa tokony hifampizara izy ireo na akanjo izany na sakafo. Ny fanahiana ny amin’izay ho atafianay na izay ho haninay. Ireo vahoka ireo tokoa no nihaona tamin’i Jaona tany an’efitra. Vahoaka izay tsy hafa fa Jiosy tahaka azy ihany kanefa dia niva fo ka nibebaka. Mila miova ny toe-piainana raha tena miova iska. Afaka ary tokony hifampizara ny zavatra rehetra : fifaliana na fahoriana, andraikitra . Raha tsorina dia ny fifankativana izany.
-Tamin’ireto mpamory hetra indray dia milaza amintsika fa ankoatry ny vahoaka dia nisy andian’olona hafa koa nadray izany fanampahan-kevitra izany.Olona nalaza fa ratsy fanahy nohon’ny fandrobana sy ny sito-mehery ataony. Hany ka noheverin’ny olona hitovy amin’ny mpangalatra sy ny vehivavy janga izy ireto.Lazaina miaraka matetika ny mpamory hetra sy ny mpanota ao amin’ny filazantsara. Koa rehefa nanotany an’i Jaona ny amin’izay tokony hataony ireto olona ireto dia hoy i Jaona hoe “aza mampandoa mihoatra noho izay notendrena halainareo : Ny fahamarinana fa tsy ny fialana amin’ny asa.
-Tamin’ireto miaramila : tsy ny hery na fiampangana fatokony hianiana amin’ny karama izay omena azy

Koa raha misy izay hafatra ampitain’izao sary izao aminao amin’ity anio ity dia tsotra. Tian’andrimanitra ho hovonjena ianao, hiampita an’i Jordana fa tsy hipetra fotsiny ihany. Efa tafita ianao izao. Nomen’ny Tompo fifalianao ianao nohon’izany famonjena azonao izany. Koa ny fijoroanao vavolombelona amin’izay toerana nametrahan’ny Tompo anao no anaingana anao. Izany no fiomanana amin’izao Noely izao. Mila miova isika ka handray ny batisan’ny Fanhy Masina sy ny Afo izay omen’i Jeosy antsika isan’andro.

Voninahitra anie ho an’Andriamanitra Ray sy Zanaka ary Fanahy Masina, izay hatramin’ny taloha indrindra ka ho mandrakizay.

Amen

Dijon
13 desambra 2009
 
< Précédent   Suivant >
 
Joomla Templates by Joomlashack