A free template from Joomlashack

A free template from Joomlashack

majunga045.JPG

Firy

Il y a actuellement 6 invités en ligne

visiteurs depuis le 26 janvier 2006

Calendrier

« < Février 2012 > »
L M M J V S D
30 31 1 2 3 4 5
6 7 8 9 10 11 12
13 14 15 16 17 18 19
20 21 22 23 24 25 26
27 28 29 1 2 3 4

Radio Fpma

Tonga Soa
...nofo rehetra hahita.. Convertir en PDF Version imprimable Suggérer par mail
Administrator   
...ary ny nofo rehetra hahita ny famonjen’Andriamanitra Lio 3.6
Ry havana malala,
Alahady faharoa amin’ny advento anio, izany ho alahady faharoa koa amin’ny tamp-piangonana vaovao . Advento, fiomanana amin’ny fandraisana ny mpanjaka hamangy antsika. Fomba fanao teo amin’ny fitondrana izany : rehefa ho avy ny mpitondra fanjakana dia miomana ny tanana amin’ny lafiny rehetra.
Misy ny fiangonana sasany izay mampiseho ny fiomanana amin’ny adveto izany amin’ny alalan’ny fampirehetana labozia : 1. Alahady voalohany : ny labozia dia mampiseho ny famidrampon’andrimanitra tamin’i Adama sy Eva : olombelona amindran’Andriamanitra fo,
2. Alahady faharoa : ny labozia dai mampiseho ary mampahatsiahy ny finoan’ireo raimanadreny mpitarika (la foi des Patriarches) raha ho any amin’ ny tany nampantenaina azy ireo.
3. Alahady fahatelo ny labozia dia mamapahatsiaro ny hafalian’i Davida, mankalaza ny fanekena amin’Andriamanitra . Tonga any amin’ny tanby nampanantenaina ny Zanak’Isirely
4. Ny Alahady fahefatra farany : Ny labozia manazava ary mampahatsiaro ny amin’ny fampianaran’ireo mpaminany manambara ny fanjakan’ny fiadanana ary ny fahamarinana. Alahady koa anefa natokantsika eto amin’ny FPMA mba hiarahantsika mitondra amim-bavaka ny mpitandrina mianakavy izay miasa eto afovoantsika.

Ny tantara dia mampiseho
Fa manomboka ny asa ka aseho amin’izany ny vanimpotoana izay nisehoan’ny tantara. Teo ny l
* Lafiny aram-panjakana dia iny faha-dimy nanjakan’i Toberio Kaisara tany Roma (izay nandimby an’i Aogosto Kaisara) sy ireo governora efatra dia ny fianakavian’i Heroda izay tompomenakely tany Palestina : entina hilazana koa ireo izay lazaina fa jentilisa izany
* Lafiny aram-pivavahana dia ahitana an’i Anasy sy Kaiafa izay mpisorona be : mampiseho ny mpitondra fivavahana jiosy izay tsy hafa fa misolo tena ny mponina Jiosy
* Lafiny aram-pianakaviana dia i Jaona, zanak’i Zakariaizay tsy hafa fa fianakavian’i Jesosy ihany. Ireo rehetra ireo no mahatonga ny mpandinika maro miteny fa tamin’ny fotoana faha 29 tany ho any no nisehoan’izao tantara izao. Ireo olona voalaza ireo dia samy nanana ny lanjany daholo tamin’ny vanim-potoana nianinana. Marihina fa teo ambany vahohon’ny fanjakana (zanatany) Romana ny jiosy tamin’izany fotoana izany. Ary izao teny azontsika avy tamin’ny bokin’ny Isaia mpaminany izao dia manambara koa fa hisy ny vaovao mahafaly ho an’ireo jiosy dia ny fanafahana azy avy tamin’ny babiloniana. Ao anatin’ny fahababoana ny jiosy ka mila fanafahana ary ny filazana an’io fanafahana io no vaovao mahafaly ho azy ireo. I Jaona, mpanao batisa eto no voalaza fa hitondra an’izany teny na vaovao mahafaly izany

Jaona mpanao batisa
Jaona, zanak’i Zakaria, izay nahazo ny tenin’Andriamanitra. Amin’ny teny hafa dia lazaina fa mpitondra ny tenin’Andrimanitra i Jaona izany hoe Mpaminany toa an’i Isaia raha nilaza ny amin’ny hamahana ny Zanak’Isiraely tamin’ny fahababoana izy Isa 60 izay novakiantsika teo. Tany an’efitra izy no nahazo an’izany teny izany. Ny somary olana kely amin’izao teny izao dia ny hoe tany amoron’ny jordana i Jaona no nitory ny teny. Amoron’i Jordana izay tsy efitra velively. Koa inona izany no dikan’ny hoe efitra eto ? Matetika ny hoe efitra dia tsy misy rano . Eto anefa dia misy an'ity rano atao hoe Jordana ity, izay manamafy fa azon’i Jaona atao tokoa ny batisa satria misy ny rano. Fa ny hoe “efitra “ kosa Hatamin’ny bokin’ny Eksodosy, ny hoe “efitra” dia tsy hafa akory fa toerana fihaonan’ny olona amin’Andriamanitra :”Koa indro izaho dia hitaona azy ka hitondra azy ho any an’efitra ary hanao teny malefaka hahafinaritra azy” Hos 2.16. Teny azon’i Hosea, mpaminany tamin’i Jehovah.
Hampody ny Isiraely aminy Jehovah satria nanompo andrimani-kafa izy ireo dia bala izany. Ilay efitra izay nitondran’andrimanitra ny zanak’isiraely nadritry ny 40 taona mahery. Koa ny “efitra” eto izany dia milaza izay toerana misy ny ZI fa tsy ny tany foana akory. Any amin’ny ZI no nanirahan’i Jehovah an’i Jaona hitory ny batisan’ny fibebahana ho famelan-keloka. Izao asan’i Jaona izao dia heverin’ny mpandinika maro fa fiatombohana vaovao. Raha tany amin’ny Genesy 1.1 “ Tamin’ny voalohany Andriamanitra nahary ny lanitra sy ny tany”, eto amin’ity asan’i Jaona, raha araky ny fitantaran’i Marka kosa Izy dia milaza “ny niandohan’ny filazantsaran’i Jesosy Kristy, zanak’Andriamanitra”. Jaona iantombohan’ny Fitoriana ny filazantsara vaovao dia ny TV izany. Jaona izay voafetra ihany na tamin’ny toerana niasany aza : raha nihaona tamin’ny ZI tany an’efitra izy dia tany amoron’ny Jordana iahny no azony nitondrana azy. Tahaka an’i Mosesy izay tsy afaka niampita an’i jordana fa nisy an’i Josoa izay nampita ny ZI ho any amin’ny Tany tondra-dronono sy tantely. Jaona eto dia mitondra ntsika ho amin’ny fiomanana ny fandraisana ny fahatongavan’ny Tompo : fa ny Lalàna sy ny Mpaminany dia hatramin’i Jaona. Jaona dia miteny aminao amin’ity anio ity fa te-hamela heloka aminao ny Tompo raha toa ka mibebaka ianao. An’isan’ny nofo rehetra hahita ny famonjen’Andriamanitra ianao ary hanohy ny asa izay nataon’i Jaona. Ary amin’izany mpanohy ny asan’i Jaona izany ny mpanompon’andrimanitra izay entintsika amim-bavaka ankehitriny

Ny Mpitandrina mianakavy.
Nahazo ny Tenin’andrimanitra ny havantsika, dia ny Mpitandrina ANDRIMIANDRA Elysée mianakavy izany. Nohamafisintsika teto amin’ny Tafo Toulouse izany fahazoany ny tenin’andrimanitra izany. Amin’ity anio isika dia mahatsiaro ny antso nataon’ny Tompo tamin’ireto havantsika ireto. Hoy Paoly ao amin’ny Filipiana izay novakiantsika teo : Misaotra an’Andriamanitro amin’ny fahatsiarovako anareo mandrakariva aho amin’ny fivavahako ho anareo rehetra....nohon’ny firaisanreo hampandroso ny filazantsara hatramin’ny andro voalohany ka mandrak’ankehitriny. Teny mampahatsiaro antsika tsirairay avy ny amin’izay tokony hataontsika :
* Ny an’ireto havantsika dia ny fampandrosoana ny filazantsara. Asa tsy mora kanefa kosa asa mila fitokiana tanteraka amin’Andriamanitra satria Izy no mampitondra ny teny fa isika kosa dia manantanteraka. Toa an’i Jaona no ahazoantsika miteny hoe : tonga tao amin’i Elysa Andriamiandra, mianakavy ny tenin’i Jehovah hoe : andraso ary ny ondriko. Tsy hamorona asa hafa afatsy izay nampaovin’ny Tompo azy I Elisa (Andriamanitra dia famonjena izay nandimby an’i Elia mpaminany). Ny mampifandray an’i Jaona sy Elisa dia ny toerana nonenany faritr’i Jordana ary koa ny zavatra entina miasa dia ny rano izany i Elisa dia nanova ny rano izay tsy azo sotroina ho lasa rano mamy sy mahavelona tsara (IIMpan 2.31) ary Jaona kosa dia nampiasa rano hanaovana batisa. Ny fampandrosoana ny filazantsara dia tsy asa mora kanefa kosa asa tsara satria ny Tompon’ny Asa no manoro izay tokony hatao fa anjarantsika ny miankina aminy tanteraka
* Ho antsika Fiangonana indray : ny mahatsiaro an’ireto mpanompon’Andriamanitra ireto amin’ny fivavahana ho azy ireo ary ny fangatahana. Tsy izao alahadin’ny mpitandrina izao ihany no ahatsiarovana azy ireo fa “mandrakariva” : maraina, antoandro hariva ary isan’andro. Avy amin’izay vavaka izany no itenenan’ny Tompo ny amin’izay tokony hataontsika amin’ireto mpanompon’Andriamanitra ireto dia ny fanohanana azy ireo ahazoany mampandroso ny filazantsara hatramin’ny voalohany ka mandraka ankehitriny.

Ainga vaovao
Hitantsika eto ny teny hoe “voalohany” izay hitantsika tamin’ny Gen.1.1, Mk 1.1 ary ny Fil 1.5. Mila fanavaozana isika Fiangonana: manomboka asa vaovao indray. Indrindra rehefa avy nahatsiaro ny amin’ny 50 taona nitantanan’ny Tompo antsika FPMA. Raha ianareo eto Toulouse manokana dia isaoranan’Andrimanitra ny nahazoanareo mpitandrina matihanina, miasa ary mitarika anareo amin’ny ainga vaovao dia ny fampandrosoana ny filazantsara. Fantatsika fa ny asa fitoriana ny filazantsara dia anjaran’ny kristiana tsirairay avy. Lozako raha tsy mitory ny filazantsara aho hoy Paoly apostoly. Samy nandray fanomezam-pahasoavana iska rehetra.
Ao ireo nantsoina ho mpitandrina, diakona, mpitendy zavamaneno sns. Ny tanjona dia ny fandrosoan’ny Tranon’Andrimanitra. Tsy any mpitan’ny Jordana intsony isika fa efa tonga aty amin’ny tany Kanana (ampitan-dranomasina). Aoka isika mba hanaraka marina amin’ny fitiavana ka hitombo amin’ny zavatra rehetra ho amin’izay loha dia Kristy. Hajao ny mpitondra anareo. Tsy zaza intsony isika, noho izany efa lehibe ary mpikambana amin’ny tena iray, mifanompo isan-tonony amin’ny anjara asan’ny tsirairay avy ka ny tanjona dia ny hoe “ny nofo rehetra hahita ny famonjen’Andriamanitra.
Hijoro vavolombelona isika amin’ny fianakaviantsika toa an’i Jaona mpanao batisa izany
Hijoro vavolombelona isika amin’ireo mpiarabelona amintsika toa an’i Anasy sy Kaiafa. Eny hatramin’ny mpitondra vivavahana aza raha ilaina izany.
Hijoro vavolombelona isika amin’ireo hafa firenena noho isika : ny tompon-tany sy ny sisa izay asehon’i Kaisara eto.
Ny nofo rehetra hahita ny famonjen’Andriamanitra Voninahitra anie ho an’Andriamanitra Ray sy Zanaka ary Fanahy Masina, izay hatramin’ny taloha indrindra ka ho mandrakizay. Amen

Toulouse 6 desambra 2009
 
< Précédent   Suivant >
 
Joomla Templates by Joomlashack