|
...fa izy (mpitondratena malahelo) kosa,
tamin’ny alahelony no nandatsahany tao izay rehetra nananany,
dia ny fivelomany rehetra Mk.12: 44 b
Ry fiangonana malala ! Ho aminareo anie ny
fahasoavana sy ny fiadanana avy amin’Andriamanitra Raintsika
sy Jesosy Kristy Tompontsika.
Ry havana malala,
Madiva hifarana ny taom-piangonana, afaka
roa tokom-bolana eo ho eo (21 andro) izany. Madiva hifarana koa ny
tantara mampiseho ny asa nataon’i Jesosy tety
ambonin’ny tany satria efa any Jerosalema Izy amin’izao
araky ny teny izay novakiantsika tamin’ny Mk.12 teo. Any
amin’ny Tempoly, tandrifin’ny fandatsahan-drakitra
Jesosy no mipetraka.
Anio isika dia hijery indray ny tantara
anakiroa : Mpanora-dalàna sy ilay mpitondratena.
Ny Tantara roa
Any Jerosalema no miseho ny tantara.
Jerosalema izay :
* iakaran’ny jiosy rehetra mba
hamonjy fety lehibe toy ny Paska
* ifanenan’ireo olona samihafa : toy
ny mpanora-dalàna ,ireo mpanao raharaha mari isan-karazany
ary koa ireo olontsotrea tonga mamonjy izany fety izany.
Eto amin’izao toko sy andininy izao
isika dia mahita an’i Jesosy miresaka ny momba an’reo
antokon’olona ireo
Ny and.38-40 dia iresahany momba ny
Mpanora-dalàna.
Mpanora-dalàna izay tsy hita
sehatra intsony hatramin’ny and.12. Mpanora-dalàna
izay nolazain’i Jesosy fa hamono Azy ahazoany mandray ny lova
(7). Izany no antony nitadiavany hisambotra an’i Jesosy (12)
kanefa natahotra ny olona izy ireo. Ireo Mpanora-dalàna ireo
no lazain’i Jesosy fa tokony ho tandremana nohon’ny
fitadiavan’izy ireo mba ho fantatry ny olona ka mahatonga azy
mandehandeha eny :
* an-tsena : manao akanjo lava,
te-hoharabain’ny olona eny an-tsena
* synagoga : mipetraka eo aloha mba ho
hitan’ny olona
* fanasana : mipetraka eo aloha
Ireo marika ivelany akanjo, toerana aloha
sns.. no tena mampiavaka an’ireto mpanora-dalàna ireto
fa tsy ny tena asany dia ny fampianarana,fandikana ny baiboly,
nilaza ny antony tokony hitazndremana ny Didy folo sns..
Fa ankoatr’izany dia mbola mandany
ny volan’ny mpitondra tena izy ireo ary koa manao vavaka
lavareny mba ahafantarana azy.
Lazain’i Jesosy fa hahazo
fanamelohana mafimafy izy ireo.
Ny and.41-44 : mpitondra tena mahantra
Mbola any Jerosalema ihany no mitohy ny
tantara, Jesosy mipetraka tandrifin’ny fandatsahan-dakitra no
tantarain’i Marka eto. Maro ireo mpandatsa-drakitra hita eto
tao ny manan-karena fa tao koa ny mahantra ary anisan’izany
ny mpitondra-tena (veuve). Samy nandatsaka izay nananany avy. Tao
ny tamin’ny harena nananany, tao ny tamin’ny
fahantrany..
Tantara roa izay ny voalohany
mampitandrina antsika ny amin’izay tokony hahamalina antsika
dia ny fisehoana ivelany ary koa ny fanararaotana ny malemy. Ny
faharoa kosa dia ny fanomezana izay tokony hataontsika dia izay
ananantsika ka lafo vidy amintsika dia ny fivelomantsika
rehetra
Ahoana hoy Jesosy
Niantso ny mpianany Jesosy (43) ary dia
niteny hoe : “lazaiko aminareo marina dia marina tokoa”
na Amen. Marika ilazana izany ny maha zava-dehibe ny vetin-kevitra
na ny votoatin’ny fampianarana ho lazain’i Jesosy
amin’ny Mpianany :
* Tsy misy fiderana an’ilay
mpitondratena ataon’i Jesosy eto. Ny fantatra dia izao :
nanome betsaka noho ireto izay lazaina fa mpanan-karena izy. Ireto
mpanan-karena ireto tokoa mantsy dia izay nananany no nentiny fa
tsy mba toy ity mpitondratena ity : izay rehetra nananany, ny
fivelomany rehetra
* Amin’ny teny malagasy dia samy
mandatsa-drakitra no ilazana izao fihetsika izao na ao
amin’ny Lio 21.1 na Mk.12. Ny teny fototra kosa dia milaza fa
izao fihetsika tantarain’i Marka dia tsy mba nampiasa ny teny
hoe fanomezana (offrande) na fanatitra tsy alatsa-drà toy ny
vokatra, fahafolokarena, fanatitra ... Ny nataon’ity
mpitondra tena ity dia ny nanolotra ny fiainany rehetra teo
zamin’ity fandatsahandrakitra ity.
Hafatra ho antsika
Raha nihaino isika tamin’ity anio
ity dia nahare koa tany amin’ny famakiana ny testamenta
taloha tantara izay mitovy amin’izao : Elia, mpaminany tany
am-pandosirana, novelomin’ny goaika kanefa koa nihaona
tamin’ity vehivavy mpitondra tena avy any Zarefata ity.
Nanome izay nanany rehetra ho an’i Elia izy ary dia voalaza
fa tsy tapitra akory ny koba ao amin’ny barika
mandrampahatongan’ny ranonorana alatsak’i Jehovah
amin’ny tany (I Mp.17.14). Natoky an’ilay
Andriamanitr’i Elia ilay mpitondra tena ka nandray tambiny
vokatr’izany.
Izao tantara izao dia miantso antsika fa
tsy ny fihetsika ivelany toy ny nataon’ireto
Mpanora-dalàna ireto akory no zava-dehibe. Fa ny fanomezana
ny fiainanao feno ho an’Ilay Jesosy Kristy Tompontsika . Izay
nanome ohatra : ny ainy no natolony hamonjy ny mahantra dia isika
izany. Efa nanome antsika ohatra Izy Anjarantsika ny manaraka ny
lalana izay nosoritany..
Voninahitra anie ho an’Andriamanitra
Ray sy Zanaka ary Fanahy Masina, izay hatramin’ny taloha
indrindra ka ho mandrakizay.
Amen
FPMA Dijon
Anio 8 novambra 2009
|