A free template from Joomlashack

A free template from Joomlashack

majunga047.JPG

Radio Fpma

Tonga Soa arrow Vaovao arrow Rafitra FPMA
Rafitra FPMA Convertir en PDF Version imprimable Suggérer par mail
pasitera   

I


Indro mahafaly anay ny manolotra anao ny Rafitry ny Fiangonana Protestanta Malagasy aty Andrafy. Fia gonana naorin'ireo zoky raiandrany nianatra, niady nanampy ny Frantsay tamin'ny andron'ny fanjanahantany, ireo mpianatra maro izay nandranto izany, tao koa ireo mpiasa toy ny maçons, ny mpanamapy an-trano, sns.

TAFO
Fitambaran'ny Kristiana maromaro miray tanana na faribohitra  izay miray ao amin’ny Fiangonana Protestanta Malagasy aty Andafy na FPMA. Ao ireo vita batisa rehetra no miaraka midera sy manompo an’Andrimanitra . Manana Komity ny Tafo  izay antsoina hoe : Komitim-piangonana. Misy TAFO 37 izao eto amin’ny FPMA ka ny 2 amin’izy ireo dia ivelan’ny France

FITANDREMANA
Fitambaran'ny TAFO maromaro. Pastora./ Mpitandrina no mitondra azy ka antsoina hoe : Fitandremam-pastora. Manana ny komitiny ny Fitandremana izay antsoina hoe : Komitim-pitandremana. Ity rafitra ity no tsy misy eto amin’ny FPMA fa mbola tokony hapetraka idrindra fa amin’izao fametrahana Mpitandrina Matihanina izao.


FARITANY
Fitambaran'ny Tafo maromaro, dimy fara-fahakeliny. Manana ny atao hoe Mpitandrina Mpandrindra ny Faritany iray. Ny Filohan'ny  Faritany indray dia ny Faritany ihany no mifidy azy araky ny Fitsipika Anatin’ilay Faritany.Manana ny komitiny ny Faritany izay antsoina hoe Komitin'ny Faritany. Manana ny komity mpiandraikitra izy. Mivory indray mandeha isan-taona ny Faritany . Atao hoe Zaika-paritra izany ary ny mpiakambana ao amin’ny Tafo dia mandray anjara amin’izany . Manana ny Synaodany koa ny Faritany. Mivory indray mandeha isan-taona io ary ny Mpidraikitry ny Tafo mpikambana no mandray anjara amin’izany.


SYNODA LEHIBE
Fitambaran'ny Synodam-paritany rehetra. Manana ny Fivoriambeny ny Synoda.Mivory isaky ny 2 taona ny Synoda Lehibe izay ivorian’ny solotenan’ny Tafo rehetra ary ny Hery velona eto amin’ny FPMA. Manana ny Komity Mpiandraikitra azy koa ny Synoda  izay KOMITY MAHARITRA (KM) no iantsoana azy.Mivory in-droa isan-taona ny KM, ny volana Febroary sy Novambra. Ny volana Febroary dia fanaovan'ny KM tatitra ara-bola, fa ny Novambra kosa dia fanaovana tatitra moraly.
Ny KM no
mandini-javatra eo anelanelan'ny fotoana tsy hivorian'ny SYNODA.Izy koa no mamolavola ny hevitra rehetra haroso hodinihan'ny SYNODA. Manana birao mpanatanteraka ny KM sy ny SYNODA dia ny Birao Foibe FPMA ao amin’ny 47 rue de Clichy 75009 PARIS .Io Birao io koa no mamolavola ny hevitra haroso hodinihan'ny KM.


ZAIKABE
Fitambaran’ny Zaikam-paritra. Ihaonan’ny Kristiana Protestanta Malagasy aty Andafy FPMA izany. Eo anelanelan’ny Synaoda 2 no ivorian’ny Zaikabe FPMA. Tena ambohimpihaonanao. Lova nolovaina tamin’ny FPMA mbola Aumônerie io satria tsy fahita any amin’ny Vondrompiangonana hafa. Matetika ny Sampana no manao Zaikabe fa tsy ny Fiangonana.


 
< Précédent   Suivant >
 
Joomla Templates by Joomlashack