|
Administrator
|
Fiangonana Protestanta Malagasy aty Andafy na ny FPMA, io no anarana nentin'io vondrompoangonana protestanta malagasy teto Frantsa io nanomboka tamin'ny taona 1959. Anarana izay efa nofidian'ireo Komity iraisan'ireo misionera (CI) tany Madagasikara ho an'ireo fiangonana izay miorina izany. Raha ny tena izy dia efa talohan'izany no niorina ny fiaraha-mivavaka tany Strasbourg, Paris, Montpellier ohatra. Tsy mba fiangonana natsangan'ny mpitory filazantsara izy ity fa ny efa voatory ny filazantsara no nivondrona ka niara-nidera sy nankalaza an'ilay Andriamaniny.
Noho izany dia fijoroana vavolombelona nataon'izao zoky raimandreny izany no niatonbohany. Hita izany fa tao Paris , ohatra, dia matetika izy ireo no nakany amin'ny foyer anakiray, 36 rue de l'Avre, ny alahady hariva tany amin'ny taona 1930 tany ho any. Tamin'ny taona 1916,ny 10 desambra no ningona voalohany tao amin'ny Société de Mission Evangélique de Paris, 102 bld Arago ny malagasy teto Paris.Azo zaraina ho 4 miantoana ny fepotoanan'ny FPMA dia ny ady lehibe 2, ny hatreo amin'ny 1959,hatramin'ny taona 1996 ary ny teo anelanelan'ny 1945 - 1959 izany.
Fotoan'ny miaramila
Betsaka ireo tovolahy malagasy no niady teo anilan'ny mpanjanatany dia ny frantsay izany. Na tamin'ny ady voalohany (1914-1918) izany na tamin'ny ady lehibe faharoa (1939-1945). Misy milaza fa ny ady lehibe voalohany dia nisy hatramin'ny dimy alina latsaka kely. Nisy ny mpitandrina frantsay nikarakara azy ireo dia i ny mpitandrina Elisée ESCANDE, izay misionera frantsay niasa tany Madagasikara ka niverina manokana tany Frantsa mba hiandraikitra an'ireto mialamila ireo. Nisy koa mpitandrina malagasy maro izay niara-miasa taminy. Tany Strasbourg no foiben-toerana fitaizana sy fanohanana an'ireto miaramila ireto. Efa nisy koa ireo malagasy maro tonga nianatra tany Frantsa tamin'izany. Koa dia niara-niangona, nidera an'Andriamanitra tamin'izany izy ireo. Saiky nisy malagasy daholo iny faritra atsimon'ny Frantsa iny tamin'izany ary betska ireto vondrom-bavaka no nandefa vaovao ho an'ny mpitaiza fanahy ho an'ny Tafika.
Ny ady lehibe faharoa indray dia i Jean François VERNIER indray no niandraikitra ny fitaizam-panahy ho an'ireto miaramila malagasy izay niisa teo amin'ny dimy arivo sy iray alina teo ho eo. Betsaka koa reo mpitandrina malagasy izay niara-niasa taminy. Marihina moa fa i VERNIER dia nipetraka indray tany atsimo atsinanan'i Frantsa. Niparitaka ny miaramila malagasy fa nisy hatrany Afrika avaratra, Alemaina, Belzika sns..Samy nanome vaovao an'ingahy VERNIER moa izy ireo. Rehefa vita ny ady dia nody tany madagasikara amin'izay ny miaramila ka ny mpianatra sy ireo mpiasa no sisa tafajanona tany Frantsa. Betsaka tamin'ireo miaramila no lasa babo ary nisy koa ireo izay niandry ireo fahavalo azo babo izay nifampizarandry zareo ny rehetra eny hatramin'ny sakafo.Tamin'izany no nisian'ny fiaraha-mivavaka ho an'ireo izay azo Babo tamin'ny ady.
Taona 1946-1959
Azo lazaina fa tanàna 3 no nisy fanompoam-pivavahana tsy tapaka dia i Strasbourg, Montpellier ary Paris. Raha ny Paris manokana dia tao amin'ny Maison de la Mission, 102 boulevard Arago izy ireo no niangona isaky ny alahady voalohany amin'ny volana ary indrindra fa ny fankalazana ny krismasy. Lazaina fa tamin'ny 1946 ohatra no nitsanganan'ny FPMA Montpellier. Raha ny Fiangonana Protestanta Malagasy Paris , indray dia efa talohan'izany satria tamin'ny 1933 tany ho any dia efa nandefa vaovao tsy tapaka tamin'ny mpitaiza fanahy miaramila izy ireo ary dia efa nanana kaonty tany amin'ny paositra.. Nitsangana talohan'ny fikambanana AEOM izay nitsangana tamin'ny taona 1936 tany ho any izy ireo. Tany amin'ireo tanàna nisy fianarana teolojia izay neken'ny Mission Protestante Française (MPF) izay lasa ao anatin'ny FJKM taty aoriana. Ka ireo mpitandrina nanohy fianarana tany Frantsa no niandraikitra ny fampandraisana sy ny asa pastoraly rehetra tamin'izany. Eny fa na dia samy mpianatra aza dia samy nandray ny andraikiny tokoa izy ireo. Tsapa tokoa ny fifankatiavana sy ny firahalahiana nisy tamin'izany andro izany. Ireo fiangonana telo dia Strasbourg, Paris ary Montpellier no nifanaiky fa hangataka mpitandrina "aumônier" malagasy avy any Madagasikara tamin'ny alalan'ny ny Comité intermissionnaire (CI), izay lasa FFPM taty aoriana, no nangatahin'izy ireo mba handefa azy any Frantsa ary hiantoka ny fivelomany. Nandritry ny taona maro ny fifampiresahana. Anisan'ny mpanetsiketsika tamin'izany ny mpitandrina RABEMANAHAKA Jean sy RANDRIANARIVELO Lucien Em izay samy nipetraka tany Paris izay niangona idroa isambolana tany amin'ny Eglise Réformé de France, 58 rue Madame Paris. Nifanaraka ny roa tonta dia ny tany amin'ny CI fa hifampizarana ny fiveloman'ny mpitandrina hiandraikitra an'ireo mpianatra any Frantsa ka handray anjara amin'izany ny fiangonana telo tany amin'ireo tanàna voalaza teo. Nitombo tokoa moa ny fiangonana nitsangana toa an'i Toulouse ohatra. Nohon'ny fisian'ny fifanarahan'ny roa tonta indriandra fany fanomezan'ny Paris antoka fa izy dia vonona ny hanome an'io fivelomana io dia tonga ny mpitandrina malagasy nalefan'ny CI hiandraikitra ny mpianatra. Talohan'izany moa ny Fédération Protestante de France dia efa nanendry an'i VERNIER J.F hiandraikitra ny fitaizam-panahi'ireo mpianatra avy any amin'ny nosy maro ka anisan'izany ny malagasy tonga tany Frantsa. Hita tokoa fa tena nitety an'ireo tanàna nisy mpianatra malagasy i VERNIER tamin'izany fotoana izany.
FPMA 1959-1996 : mpianatra
Nivory tany Villimétrie tamin'ny 1959 ary ny fiaraha-mivavaka avy amin'ny tanàna 6 tany France ary dia nanapa-kevitra izy ireo tamin'izany fa hiaraka ao anatin'ny Fiangonana Protestana Malagasy iray mitondra ny anarana hoe Fiangonana Protestanta Malagasy aty Andafy afohezina amin'ny hoe FPMA. Tsy nisy fijerena ny hoe loterana sy ny sisa fa izay Protestanta malagasy dia afaka miditra ao. Ny mpitandrina Daniel RALIBERA no voatendry fa hiasa ao amin'ny FPMA. Ao moa ny efa mihevitra fa tena fiangonana no ajoro fa tsy aumonerie toy ny an'ny mialramila teo aloha. Nikambana ny malagasy protestanta rehefa tsy ao ny teolojia fa ny fampiasana baiboly sy ny hira malagasy kristiana no nanandanja. Samy zanaky ny CI daholo moa ireo tamin'izany.Tany amin'ny taona 1962 tany ho any dia namoaka litorjia ho azy ny FPMA. Nisy ny fotoana izay ctsy nisian'ny filoha sinaodaly teto amin'ny FPMA ka ny laika ny nitondra tamin'izany toa an'i Dr RASIDIMANANA Benoule izany. Nisy koa fotoana izay nahazoany "autonomie financière" avy tamin'ny FFPM. Teo koa no niverenany hiaraka akaiky tamin'ny FFPM ka nahazoany mpitandrina sinaodaly vaovao dia i ANDRIAMAHENINA Mamy, pastora izany.
FPMA 1996-2008 : mpiasa
Nanomboka nahaleo tena ara-bola amin'izay ny FPMA. Tamin'ny taona 1996, nandritry kongresy izay natao tany FPMA Cergy, no nanapahan'ny FPMA ny fahaleovantenany ary vokatr'izany dia afaka manamasina/manokana mpitandrina ho azy izy izany. Lasa Fiangoanana protestanta Malagasy aty Andafy tokoa ny FPMA. Nojerana ry ireo asa, andraikitra maro izay tokony hatao mba ahazoan'ny FPMA mitombo amin'ny maha Fiangonana azy. Fiangonana miaraka amin'ny FPF eto Frantsa ary koa mifandray amin'ny Fiangoana protestanta any Madagasikara. noezahin'nby FPMA koa ny hiditra any amin'ny Foiben'ny fiangonana Loterana any Geneve (Féderation luthérienne mondiale na FLM) , ny Fiombonan'ny fiangonana Réformé eran-tany (Alliance Réformée mondiale na ARM) ary ny Fédération Protestante de France FPF. Ny FPMA dia fiangonana frantsay miteny malagasy. Manaraka ny rafitra congrégationaliste synodal izy satria ny ankatokin'ny mpandray (congrégation) no manapaka farany ao aminy toy ny FJKM any Mazdagasikara. Nanomboka nandray an-tanana ny fiveloman'ireo mpitandrina maro ao aminy FPMA ka misy amin'izao fotoana izao mpitandrina 6 no miasa ao amin'ny FPMA. Eo an-dalàna fananganana fomba iray ahazoana mandray mpitandrina 5 farafahakeliny amin'ny alalan'ny hoe Vaomiera Misahana ny Mpitandrina na VMMM na V3M eto amin'ny FPMA. Koa dia mampirisika anareo mba handray anjara amin'izany. Anontanio ao amin'ny foibe FPMA ny andinidiny rehetra.
Marihina fa mankalaza amin'ity taona ity izao ny faha 50 taona ny FPMA. Isaorana ny Tompo momba izany. Tsy ny FPMA no 50 taona fa ny synaoda izay natao tany Villemétrie tamin'ny taona 1959 no ankalazaina amin'izany.
Tsara ho marihina ireto daty ireto :
- 1956 no tonga teto Frantsa i Pr Daniel Ralibera nohon'ny fangatahana nataon'i Pr Jean Rabemanahaka tany amin'ny Comité Intermissionnaire. Nanomboka teo dia niala tamin'ny Aumonerie des Etudiants izay teo ambany fiahian'ny Féderation Protestante de France ny mpianatra malagasy
- 1962 vao tena lasa ara-dalàna ho Fikambanana na "Association cultuelle " ny FPMA.
- 1964 no nivoahan'ny Litorjia FPMA voalohany.
Raha jerena dia hita fa nifandray tamin'ny tantaran'i Madagasikara ny an'ny FPMA, raha misy hetsika any dia misy koa aaty amin'ny FPMA toy ny fahaleovantena, ny taona 1972, ny taona 1991 sns.. Ireo FPMA ka lasa nody any Madagasikara moa dia mivondrona ao antin'ny fikambanana atao hoe Sakaizan'ny FPMA any Madagasikara. Ary ny FPMA dia miezaka ny hanampy na fiangonana na ny fikambanana hafa any Madagasikara. Mijoro ho vavolombelona izy ireo. Ny FPMA dia mifandray amin'ny Fiombonan'ny Fiangonana Protestanta Malagasy na ny FFPM ny FPMA.
Raha misy amintsika manana sary na lahatsoratra momba an'izao dia aza misalasala ny manoratra an'i
Cet e-mail est protégé contre les robots collecteurs de mails, votre navigateur doit accepter le Javascript pour le voir
Mpitandrina FPMA Dijon |