A free template from Joomlashack

A free template from Joomlashack

majunga032.JPG

Radio Fpma

Tonga Soa arrow Vaovao arrow FJKM Amparibe Famonjena
FJKM Amparibe Famonjena Convertir en PDF Version imprimable Suggérer par mail
Administrator   

Nahazo mpitandrina vaovao

Raharijaona Solofonirina no mpitandrina fahavalo hiandraikitra ny Fjkm Amparibe Famonjena manomboka izao. Hapetraky ny Synodam-paritany Antananarivo Andrefana amin’ny fomba ôfisialy ny tenany amin’ny fandraisan-tanana indroa miantoana, ny asabotsy 3 sy alahady 4 oktobra ho avy izao. Fanompoam-pivavahana hanomboka amin’ny 9 ora sy amin’ny 9 ora sasany maraina no hanamarihana izany ka ny Synodam-paritany Antananarivo Andrefana no hitarika ny asabotsy, iombonan’ny Fiagonana sy ny zanaka am-pielezana kosa ny alahady.

Mialoha ireo fotoana ireo, hanomboka ny alatsinainy izao ny herinandron’ny fandraisan-tanana azy mivady ka hihaonany amin’ny mpianakavin’ny finoana. Hiara-kiombom-bavaka sy hiara-kibanjina ny andalan-teny nosafidian’ny mpitandrina ao amin’ny Filipiana 2:2-3 ho filamatra ny rehetra ao anatin’izany. Ny zoma 2 oktobra vao hifarana ny hetsika ka ireo mpitondra fiangonana manodidina no hanakatona ny herinandron’ny fandraisan-tanana.

16 taona nitandremana teo amin’ny sahan’ny Fjkm Raharijaona Solofonirina. Mpampianatra ao amin’ny Fakiolte Ambatonakanga izy ary mbola manohy mianatra.

Ho feno 150 taona ny Fjkm Amparibe Famonjena amin’ny 2011 izay manana mpino 2200. Rainimamonjy, izay tompon’ny toerana nanorenana ny fiangonana, no nitandrina tao voalohany ny taona 1863 ka hatramin’ny 1878.

Vonjy A.
nalaina tao amin'ny http://www.taratramada.com/ ny Zoma 25 Septembre 2009

 
< Précédent   Suivant >
 
Joomla Templates by Joomlashack