A free template from Joomlashack

A free template from Joomlashack

majunga050.JPG

Radio Fpma

Tonga Soa arrow Vaovao arrow Antso ...
Antso ... Convertir en PDF Version imprimable Suggérer par mail
pasitera   

Ry Mpianakavy ny Finoana,

"Mifampitondra izay mavesatra ary aoka izany no hahatanterahanareo ny lalàn'I Kristy"

Galatianina 6:2

Amin'alahelo lehibe no hampandrenesana anareo fa

Andriamatoa Jean Baptiste RAMAROKOTO

mpiray tanidrazana amitsika sady mpiangon'ny FPMA teto STRASBOURG

ary membre AEOM ( Association des Etudiants d' Origine Malgache)

dia nantsoin'ny Ray hody any Aminy rehefa nivahiny 57 taona teto an-tany. Olona nipetraka irery izy ary tsy misy havana eto an-toerana.

Rehefa nivory ny mpiangonana androany alahady 13/09/09 tao aorian'ny fanompoam-pivavahana dia nanampa-kevitra fa

1) Ny rakitra amin'ny alahady 20/09/09 izao dia nantokana manontolo entina hanampiana hampodina ny razana.

2) Raha misy te-hanao valopy famangina dia azo halatsaka miaraka amin'ny rakitra

3) Azo atao koa ny mandrotsaka vola ao amin'ny compte

FPMA STRASBOURG:

"BNPPARB STRASBOURG BRANT (00478)

Code banque:30004 Code guichet 00478 Numéro de compte 00000415145

Clé RIB 10

4) Ratoa Sahondra ZIEGLER no Correspondante ny FPMA Strasbourg

tel: O6 17 05 36 42 na O6 17 81 83 62.

Aoka isika hitrotro am-bavaka ny fianakaviana any an-tanindrazana

ary hampita izao filazana izao amin'ny mpiray tanindrazana rehetra na hanome

soso-kevitra entina hampodiana ny razana.

Dia misaotra mialoha amin'izay hataonareo. Andriamanitra anie hamaly

fitia anareo.

Amin'ny anaran'ny Mpitandrina sy ny Komity ary ny Mpiangona FPMA

STRASBOURG

Ny Filoha FPMA STRASBOURG

Daniel RASAMIMANANTSOA

 
< Précédent   Suivant >
 
Joomla Templates by Joomlashack