A free template from Joomlashack

A free template from Joomlashack

majunga010.JPG

Firy

Il y a actuellement 33 invités en ligne

visiteurs depuis le 26 janvier 2006

Calendrier

« < Février 2012 > »
L M M J V S D
30 31 1 2 3 4 5
6 7 8 9 10 11 12
13 14 15 16 17 18 19
20 21 22 23 24 25 26
27 28 29 1 2 3 4

Radio Fpma

Tonga Soa
Tompo ô , raha teto Ianao Convertir en PDF Version imprimable Suggérer par mail
pasitera   

...Tompo ô! Raha teto ianao dia tsy maty ny anadahiko Jao 11.32

Ry fiangonana malala ! Ho aminareo anie ny fahasoavana sy ny fiadanana avy amin’Andriamanitra Raintsika sy Jesosy Kristy Tompontsika.

Vory eto isika amin’izao fotoana izao satria nodimandry ny havantsika Félix Augustin RAMANITRA. Fivoriana tahaka izao ataontsika izao koa no tantarain’i Jaona amin’ny filazantsara nosoratany.

Zava-nitranga

Vao narary i Lazarosy dia naniraka tany amin’i Jesosy i Marta sy Maria rahavaviny izay mipetraka any Betania. Lazain’i Jaona fa tian’i Jesosy izy mirahavavy ireto. Tsy tonga dia nadeha anefa Jesosy fa mbola niandry kely (2 andro eo ho eo). Tamin’izany no nahafantarany fa maty i Lazarosy. Ny teny hoe Lazarosy dia, aro adika hoe ampiana na vonjena. Mitovy foto-teny amin’ny hoe Eleazara (Ampian’Andriamanitra). Io lazarosy io dia mipetraka any Betania (Tananan’ny mahantra na ny malahelo). Matoa misy an’ireo anarana ireo dia raha, hoy isika malagasy fa ny anarana tsy tonga tonga foana.

Ohatra tao Betania, izay tsy lavitra an’i Jerosalema ohatra,
* ankoatr’i Marta sy Maria ary Lazarosy

* dia no nisy an’ilay Simona Boka
* nandehanan’i Jesosy tamin’ny faramparan’ny fiainanay
* tao koa izy no niakatra ho any an-danitra (ascension)
Tao amin’io Betania io no nitranga izao tantara izao. Rehefa fantatrin’ny Tompo ary fa maty i Lazarosy dia niainga Izy sy ny mpianany. Efa maty ho efatr’andro i Lazarosy vao tonga tany Jesosy. Teo amin’ny Jiosy izany hoe maty efatr’andro izany dia tena efa maty ary efa maimbo. Rehefa ren’i Marta fa tonga Jesosy dia nihazakazaka izy namonjy Azy ary dia hoy izy : Tompoko, raha teto Ianao dia tsy maty ny anadahiko

Hoy Jesosy : hitsangana ny anadahinao. Dia teo ilay resaka tsy nifankahazo kanefa moa dia niravona rehefa nolazain’i Jesosy fa Izy no fananganana ny maty sy fiainana ka izay mino Azy, na maty aza dia ho velona indray.

Izany no vaovao mahafaly entin’ny Tompo eto

Fanekem-pinoana

Hoy ny Tompo tamin’i Marta : mino izany ve ianao . Hoy Marta : eny Tompoko, mino aho fa Ianao no Kristy zanak’Andriamanitra, Ilay ho tonga amin’izao tontolo izao. Eto ary no ahitantsika fa ilay vaovao izay heverina fa mampalahelo teo dia ny fahafatesan’i Lazarosy ka nahatonga an’i Marta hilaza amin’i Jesosy fa raha teto ianao dia tsy maty ny anadahiko. Dia nivadika ho fanekempianoana. Marihina fa tsy mbola nitsangana eto i Lazarosy fa mbola i Marta sy Jesosy no miresaka. Raha nahazo izany vaovao mahafaly izany i Marta dia niantso ny rahavaviny dia Maria izany. Izay mbola niteny toy ny rahavaviny teo amin’i jesosy hoe : Tompoko raha teo ianao dia tsy maty ny anadahiko (and.32) .

Izao toetr’i Marta niantso ny rahavaviny izao dia mampahatsiaro antsika koa ny vaovao mahafaly tamin’i Jesosy nihaona tamin’ny mpianany voalohany Andra izay niantsoa an’i Simona Petera (1.40); Filipo izay nitaona an’i Natanaela (1.45).

Amin’ny fotoanan’ny Pasaka isika izao. Tamin’ny Alahadin’ny sampandrofia dia nahita isika fa avy tany Betania (tananan’ny mahantra) Jesosy no niala ary niditra toy ny mpanjaka tany Jerosalema. Io Jesosy io no maty tamin’ny ka nitsangana tamin’ny maty izay tsarovantsika isaky ny Paska. Fa raha tsy nitsangana tamin’ny maty tokoa moa Jesosy dia foana ny toriteninay ary foana koa ny finoanareo (Ikor 15.14).

Fampaherezana

Ry havana, nandao antsika Atoa Ramanitra, nahavita ny fihazakazahany izy. Tao anatin’izany ny adidy sy ny andraikitra teo amin’ny fanjakana sy ny fiaraha-monina ary ny fiangonana. Lalan’ny miakandrefam-baravarana izao. Fa tahaka ny ahafatesan’ny olona rehetra ao amin’ny Adama no ahaveloman’ny olona ehetra ao amin’ny kristy. Tsy tompon’ny teny farany amin’ny fiainanao akory ny fahafatesana fa lalana tsy maintsy ijorana. Jesosy Tompo anefa dia afaka manangana anao tamin’ny maty amin’izao fahavelomanao izao. Izany no nahafatesany ny hananao ny fiainana mandrakizay. Ary ny fanantenana dia izao : hihaona amin’ireny olontsian-tsika ireny isika amin’ny fitsanganan’ny tena amin’ny maty. Ary ny fahasoavan’Andrimanitra no hameno izay banga rehetra amin’izao fisarahana amin’ny havantsikaizao.

Tahaka ny nananganan’i Jesosy an’i Lazarosy izao koa no hananganany antsika ,koa dia mahereza ary mahatanjaha. Ny Tompo homba antsika rehetra indrindra fa iska fianakaviana : vady zanaka, zafy sns.

Voninahitra anie ho an’Andriamanitra Ray sy Zanaka ary Fanahy Masina, izay hatramin’ny taloha indrindra ka ho mandrakizay Amen


FPMA Dijon
9 aprily 2009

 
< Précédent   Suivant >
 
Joomla Templates by Joomlashack