|
FANAMBARANA AVY AMIN’NY FFKM –
France
Hoy ny Soratra Masina : Ny olona mora
tezitra manetsika ady ; izay mora misafoaka mampiavosa hadisoana
(DIEM,Ohabolana 29.22)
Aoka ny isam-batan'olona samy ho dodona hihaino fa tsy ho maimaika
hiteny na halaky tezitra, satria ny olona tezitra tsy mahefa izay
marina soritan'Andriamanitra (DIEM, Jakoba 1.19-20) Ny
FFKM-France, ivondronan’ny Fiangonana Protestanta Malagasy
Aty Andafy (FPMA), ny Fitaizam-panahy eo anivon’ny Fiangonana
Katolika Malagasy aty Frantsa, ny Fiangonana Anglikana Malagasy aty
Frantsa, rehefa nahare sy nahita tamin’ny fampitam-baovao ny
herisetra nampiharina tamin’ny Filohan’ny FJKM dia tsy
afa-mangina fa maneho ny alahelony noho izany tsy rariny sy tsy
mifanaraka mihitsy amin’ny fahendrena sy kolontsaina malagasy
manaja raiamandreny izay natao izany.
Miombona amin’ny vahoaka kristiana
ao anatin’ny FJKM manohitra izany herisetra izany, ary
mampahery ny Mpitandrina Lala Rasendrahasina Filohan’ny FJKM
sy Filoha Mpanampy ao amin’ny FFKM, ary mangataka ny
manampahefana any Madagasikara mba hanao fanadihadiana momba izay
zava-nitranga.
Ny FFKM-France dia manameloka izay mety ho
herisetra rehetra, na amin’iza na amin’iza, ary
mamporisika ny tsirairay, ny tompon’andraikitra
ara-panjakana, ny mpitandro ny filaminana sy ny miaramila, ary ny
vahoaka malagasy rehetra hampitony fo, ary handray andraikitra
hampanjakana ny zon’olombelona, ny rariny, ary ny
fihavanana.
Fa ny fahendrena izay avy any ambony dia
voalohany indrindra madio, ary koa tia fihavanana, mandefitra, mora
ifampiraharahana, be famindrampo sady mahavokatra asa soa, tsy
miangatra, na mihatsaravelatsihy (DIEM, Jakoba 3.17)
Natao teto Paris, Frantsa, androany 20
marsa 2009
Ireo Filoham-piangonana ato amin’ny
FFKM- France
Rev. Dr Jean A. RAVALITERA
Filohan’ny FPMA- Filohan’ny
FFKM-France
Rev. Père Alphonse ZAFIMAHAKOKO
Aumônier National Catholique- Filoha
Mpanampy
Atoa Nicolas RAZAFINDRATSIMA
Katekista ao amin’ny fiangonana anglikana
Tonian’ny FFKM-
France
|