A free template from Joomlashack

A free template from Joomlashack

majunga053.JPG

Radio Fpma

Tonga Soa arrow Vaovao arrow FFKM Frantsa : Hafatra
FFKM Frantsa : Hafatra Convertir en PDF Version imprimable Suggérer par mail
pasitera   

Paris, 6 febroary 2009

Ry Kristiana havana,

Ry Malagasy mpiray tanindrazana,

Ho aminareo mandrakariva anie ny fahasoavan’ny Tompo.

Mandalo fotoan-tsarotra ny firenentsika amin’izao fotoana izao. Misy ny tsy fitovian-kevitra eo amin’ny fitondrana ny raharaham-pirenena, izay mahatonga romoromo eo amin’ny samy mpiara-monina.
Atahorana ny mpananararaotra sy ny mpanakorontana, tsy fantatra izay zavatra mbola hitranga, hany ka mitebiteby ny isan-tokantrano sy ny isam-batan’olona ny amin’izay ho ampitso.

Eo anatrehan’ny zava-mitranga dia mampatsiahy ny herin’ny vavaka izahay ray-aman-dreny am-panahy ato amin’ny FFKMFrantsa.
Ny vavaka no andresena ny tahotra sy ahafahana mandroso amin’ny fihavanana marina amin’Andriamanitra sy amin’ny olona.
Hoy ny Apostoly Paoly : Aza manahy na inona na inona fa ambarao amin’Andriamanitra isaky izay mivavaka izay zavatra ilainareo, ary angataho amin’ny fo feno fankasitrahana (DIEM, Filipianina 4.6).
Hafarany koa fa adidintsika Kristiana ny mitondra amim-bavaka ny mpitondra Fanjakana rehetra : Mivavaha ho an’ireo filoham-pirenena sy ny manampahefana rehetra,
mba hiainantsika miadana sy mandry feizay omban’ny firaiketam-po tanteraka amin’Andriamanitra sy ny fitondrantena maotina. Izany no tsara sady ankasitrahan’Andriamanitra » (DIEM, I Timoty 2.2-3).

Koa manainga sy mamporisika ny fiangonana sy ny ny Kristiana malagasy rehetra ny FFKM-Frantsa mba hitondra amim-bavaka ny firenentsika, na ny mpitondra izany na ny vahoaka entina.
Amin’ny fanompoam-pivavahana any am-piangonana amin’ny alahady izao, sy amin’ireo alahady ho avy, dia aoka hotsaroana manokana ny firenentsika :
amin’ny alalan’ny fanaovana ranombavaka, ny hira fangataham-pitahiana ho azy, na koa amin’ny vavaka mangina. Azo atao koa izany any amin’ny tokantranontsika tsirairay avy.
Fa mahery fiasa tokoa ny fivavaky ny marina (DIEM, Jakoba 5.16)

Manonona ny fiadanan’ny Tompo mba ho aminareo tsirairay avy.

Ny ray aman-dreny am-panahy telo mirahalahy mitondra ny FFKM-Frantsa

Rev Jean Ravalitera
Rev Philippe Toutain
Père Alphonse Zafimahakoko

Ny tonia

Nicolas Razafindratsima

 
< Précédent   Suivant >
 
Joomla Templates by Joomlashack