|
Amin'izao fankalazana ny faha 50 taona
nitsanganan'ny FPMA izao dia mahafaly anay ny manolotra anao
fijoroana vavolombelon'ny miaramila iray izay nandray anjara
tamin'ny adilehibe faharoa tamin'ny taona 1943. Tamin'izany
tokoa mantsy dia mbola niaraka ny mpianatra, ny mpiasa ary ny
miaramila. Ny gazety atao hoe Ny Sakaizan'ny Miaramila laha. 17 no
nakana izany lahatsoratra izany.
-----------------------------------------------------------------------------------------------------------------
Nahoana hianao no protestanta ?
Fanotaniana mety ho tonga amintsika
rehetra noho izao mahasaraka antsika amin’izy mianakavy any
amin’ilay Nosy malalantsika izao.
Tsy menatra aho mamaly fa mitondra
ny anarana hoe Protestanta izay nolovako tamin’ireo
razako:
1. Satria ao amin’ny Baiboly fa tsy
mba ao amin’ny tenin’olombelona no hahitako marina ny
tena sitrapon’Andriamanitra.
2. Satria Ilay Mpamonjy tokana izay
lazain’ny Baiboly tamiko dia I Jesosy Kristy fa tsy ny
Virjina na olo-masina akory.
3. Satria ny zavatra tokana azoko
ampiasaina mba hialako amin’ny ota sy hihavanako
amin’andriamanitra, dia ny matoky tanteraka an’I Jesosy
Kristy, izay nijaly teo ambon’ny hazo fijaliana noho ny
fitiavany ahy.
4. Satria tian’Andriamanitra kokoa
ny fahatsorana sy ny fahamarinana noho ny fahamaroam-pomba rehetra
izay miseho eny ivelany
5. Satria sambatra aho fa an’ny
fiangonana anankiray izay efa nijaly mafy tamin’ny fitokisana
ny fampianarana nataon’I Jesosy Kristy ary ny Apostoliny.
Koa noho izany vonona aho, fa tsy hialako
marina tokoa ny finoako. Ka tsy hataoko tsirambina na oviana na
oviana, amin’izay rehetra ilaina azy, ny milaza marina fa
kristiana protestant aho, ary hijanona mandrakizay amin’ny
maha-protestant ahy.
Hikely aina mandrakariva aho,
amin’izany, mba hanao azy am-piantrana , ary
amim-panentren-tena
Amim-piantrana satria ny Katolika
rehetra rehetra dia rahalahiko izay nandidian’andriamanitra
ahy ho tiana.
Amim-panatren-tena satria ho
an’andriamanitra tokana fa tsy ho reharehan’ny tenako
no hanolorako azy ny levenam-bola, mihoa-bala noho ny fahfantarako
ny Filazantsara, sady madio no tsy misy pentina
RATAVILAHY Simon, Adjudant
Emissions Coloniales, Marseilles
Ny sakaizan’ny miaramila n°17, juillet-Août
1943
|