A free template from Joomlashack

A free template from Joomlashack

majunga031.JPG

Radio Fpma

Tonga Soa arrow Vaovao arrow Hafatra Krismasy
Hafatra Krismasy Convertir en PDF Version imprimable Suggérer par mail
pasitera   

Ry havana malala ao amin’ny Tompo,

Ho aminareo rehetra anie ny Fahasoavana sy ny Fiadanana avy amin’Andriamanitra Ray sy Zanaka ary Fanahy Masina !

« Eny, notiavin’Andriamanitra fatratra izao tontolo izao, ka nomeny ny Zanany lahitokana, mba tsy ho very izay rehetra mino Azy fa ho velona aina mandrakizay… Aoka izay ny tahotra, fa vaovao mahafaly no entiko ho anareo, dia fifaliana lehibe ho an’ny vahoaka rehetra : Mpamonjy no teraka ho anareo anio ao an-tanànan’i Davida, dia i Kristy Tompo. » Johany 3 , 16 ; Lioka 2, 10-11 –Dikanteny Iombonana amin’ny Baiboly -DIEM –

Vaovao Mahafaly tsy lany hamamiana fa omena antsika mandavantaona izany, ary torina hanakoako isaky ho an’ny vahoaka trotraky ny adim-piainana isaky ny Noely toy izao. Mandalo fotoan-tsarotra ny fiainan’izao tontolo izao ankehitriny noho ny fahasahiranana ata-toekarena misy fiantraikany eo anivon’ny fiaraha-monina. Tsy natao ho kivy sy hiraviravy tanana isika kristiana fa antsoina ho vavolombelona, hiaina sy hitory amin’ny teny sy asa ny Vaovao Mahafaly manafaka sy mitondra fifaliana. Ankatoky ny Fankalazantsika an’Andriamanitra noho ny faha-50 taona niorenan’ny FPMA izao Noely izao, koa araoraotinay izao hafatra mahazatra fanaonay izao mba hampitana dinika fohy hiomanantsika amin’izany vanim-potoana lehibe izany.

Ara-tSoratra Masina, araka izay nandidian’ny Tompo Andriamanitra ny vahoakany, ny Zanak’Israely santatry ny olona nofidiany sy natsangany ho Azy, ny Jobily dia mitory fanavotana sy fanafahana amin’ny tany ho an’ny mponina rehetra ao aminy, ary mitaky fiovam-pisainana sy indrindra famoizana trosa sy fifamelan-keloka. (vakio Levitikosy 25,9-10,17, 35-41). Ho antsika Fiangonana ankehitriny, fotoam-pifaliana izany, tsy azo sarahina amin’ny hevitry ny Sabata izay fiatoana amin’ny nanasatra fa atokana ho fankalazana an’Andriamanitra sy tsatoka iaingana amin’ny ezaka vaovao indray ho amin’ny ho avy. «Ary hamasino ny taona fahadimampolo, ka miantsoa fanafahana amin’ny tany ho an’ny mponina rehetra ao aminy... Jobily ho anareo izany taona fahadimam-polo izany.» Levitikosy 25, 10, 11a. Hanamarika izany isika FPMA ao anatin’ny fotoan-dehibe omanintsika ny 31 janoary

sy 1 febroary 2009. Hisy Fanompoam-pivavahana hataontsika amin’ny alalan’ny Litorjia manokana amin’io fotoana io, ka fifamelan-keloka sy fanehoam-pifankatiavana tsaroan’ny vahoakan’Andriamanitra tra-pamonjena no zava-dehibe hiarahantsika miatrika amin’ny maha-«olon-dehibe mahatratra ny ohatry ny halehiben’ny fahafenoan’i Kristy» Efesianina 4, 13, araka ny teny fanevan’ny Jobily natsangantsika.

Miarahaba ireo tafo telo vaovao (Annemasse, Athis Fanantenana, Avignon) noraisin’ny Synoda Lehibe tany Montpellier hanatevin-daharana ireo tafo 34 rahavaviny efa nisy tato amin’ny FPMA.

Mirary Noely sambatra 2008 ho anareo ary miandrandra sahady ny taona vaovao 2009 izay antenaintsika hahatsapana misongadina indray ny asan’Andriamanitra eo anivon’ny Fiangonantsika izahay. «Satria fatra-paniry ny fanomezam-pahasoavana avy amin’ny Fanahy Masina ianareo, dia izay hampandroso ny fiangonana amin’ny finoana no aoka hotadiavinareo hananana be dia be.» I Korintianina 14, 12 -DIEM –

Mamangy sy manao veloma anareo amin’ny anaran’Ilay tia antsika !

Ny Raimandreninareo Filohan’ny FPMA,

Ny Mpitandrina Jean ANDRIAMAROHASINA RAVALITERA

Docteur en Théologie

 
< Précédent   Suivant >
 
Joomla Templates by Joomlashack