|
Seyssinet, faha 13 novambra 2008,
"Izay maharesy no hataoko andry eo
amin'ny tempolin'Andriamanitro, ary tsy hiala eo intsony izy"
Apok 3 : 12 a
Ry Reny sy Rahavavy malala rehetra eto
anivon’ny FPMA,
Hampitomboina mandrakariva ho anareo anie
ny fahasoavana sy ny fiadanana avy amin’Andriamanitra Ray sy
Jesoa Kristy, Tompontsika.
Misaotra an’Andriamanitra lehibe
isika fa tanteraka soa aman-tsara ny Fihaonambe faharoa
nataon’ny sampana nasionaly vehivavy kristiana eto
anivon’ny FPMA izay natao tany La Roque
d’Anthéron tamin’ny asabotsy faha 08 sy ny
alahady faha 09 novambra 2008. Ny teny faneva voasoratra eo ambony
no nentina nankalazàna izany nandritran’ny roa andro,
niaraka tamin’ny Hira faneva ao amin’ny Fihiràna
Fanampiny 38.
Na ny Teny faneva, na ny Hira faneva, dia
manambara ny maha-andry ny sampana vehivavy kristiana eo
amin’ny fiangonana FPMA, sampana mijoro ary mivonona
handresy, mba ho tena olon-dehibe tokoa mahatratra ny
halehiben’i Kristy, ary ho vehivavy heniky ny hafenoana
homen’ny Tompo.
Misaotra anareo rehetra tsy ankanavaka
tonga marobe nanotrona ary nanatrika izany fihaonambe izany.
Misaotra manokana an’ireo solontena enina avy any
amin’ny Tafo FPMA La Réunion, anisan’izany ny
Raiamandreny Mpitandrina mivady Josoa RAKOTONIRAINY. Misaotra
manokana ny vahoakan’ny Tafo FPMA Aix-Marseille izay nandray,
anisan’izany ny Raiamandreny Mpitandrina Jeannot
RANDRIANANDRASANA.
Vita soa aman-tsara ny fanavaozana ny
birao SVK nasionaly, koa mahafaly ny manolotra anareo azy
ireo :
* Filoha : Olga RAKOTOJOELINA ( Tafo
FPMA Aix-Marseille – Faritany Atsimo Atsinanana )
* Filoha-Mpanampy : Nivo RAJAOFERA ( Tafo
FPMA Cergy – Faritany Afovoany Atsinanana )
* Mpitan-tsoratra : Annie RASOAHAINGO
( Tafo FPMA Rouen – Faritany Avaratra Andrefana )
* Mpitambola : Hanitiriniala RAJAONARY (
Tafo FPMA Paris – Faritany Afovoany Andrefana )
* Mpitan-tsoratra vola : Lala
RAKOTOVAZAHA ( Tafo FPMA Dijon – Faritany Avaratra Atsinanana
)
* Mpanolon-tsaina : Rachel
RANDRIANJATOVO ( Tafo FPMA Toulouse – Faritany Atsimo
Andrefana )
Miarahaba azy ireo isika, ary dia
mitsodrano azy enina mirahavavy mba hahefa be eo amin’ny asa
fanompoana itaizana sy hampiorenana azy, koa “dia MITSANGANA,
SAHIA , MIJOROA, MITORIA , AZA KIVY, SANATRIA, FA AMINAO
KRISTY »
«Ary ho an’Izay mahay manao
mihoatra noho ny zavatra rehetra, eny mihoatra lavitra no izay
rehetra angatahintsika na heverintsika aza, araka ny hery izay
miasa ato amintsika, ho Azy anie ny voninahitra ao amin’ny
fiangonana sy ao amin’i Kristy Jesosy hatramin’ny
taranaka farany indrindra mandrakizay mandrakizay. Amen. »
Efesiana 3 :20-21.
Dia manao veloma finaritra anareo .
Amin’ny anaran’ny vehivavy
kristiana rehetra eto amin’ny FPMA
Nirina RAKOTOARISOA – Filoha SVK
Grenoble
http://svkfpma.free.fr -
Cet e-mail est protégé contre les robots collecteurs de mails, votre navigateur doit accepter le Javascript pour le voir
|