|
pasitera
|
|
JR/TR – 01/2008
Antony : Fiantsoana fivoriana Synoda Lehibe FPMA
Paris faha, 6 oktobra 2008
«…mandra-pahatongantsika rehetra ho amin'ny
firaisan'ny finoana sy ny fahalalana tsara ny
Zanak'Andriamanitra,
ka ho lehilahy lehibe, mahatratra ny ohatry ny halehiben'ny
fahafenoan'i Kristy... ” (Efesiana 4.13)
Ry Havana,
Ho ampitomboina aminareo mandrakariva anie ny Fahasoavana sy ny
Fitahiana avy amin’Andriamanitra Ray sy Jesoa Kristy
Tompontsika,
Araka ny notinapaky ny Komity Maharitra nivory tamin’ny
faha 15 martsa 2008 dia fifaliana ho anay ny miantso anareo
hanatrika
ny fivorian’ny Synoda Lehibe faha-32 an’ny FPMA
izay hotanterahina manomboka ny zoma 31 oktobra (fandraisana ny
hariva sy alina),
ka hitohy ny asabotsy 1 novambra sy ny alahady 2 novambra 2008.
Ny toerana hivoriana dia ao amin’ny
Les Cyclades 393, Avenue de Melgueil 34280 LA GRANDE MOTTE
Ny fandaharana sy ny fandaminana amin’ny lojistika dia ho
alefan’ny Tonia aty aminareo tsy hoe ela.
Miantso antsika rehetra samy hitondra amim-bavaka izany raharaha
rehetra izany, ary manantena ny fihaonantsika amim-pifaliana,
ho voninahitr’Andriamanitra Irery ihany.
« …Ary aoka isika hifampandinika hampandroso ny
fitiavana sy ny asa tsara… » Hebreo 10.24
Mamangy sy manao veloma anareo amin’ny
anaran’Ilay tia antsika, dia Jesoa Kristy Lohan’ny
Fiangonana.
Président : Dr Jean A. RAVALITERA
___________________________________________________________________________________________________________
Ny solotenan'ny FPMA Dijon dia mankasitraka sy mankatelina ny
fandraisana izay nataon'ny Tafo FPMA Montpellier anay.
Mba ahazoana mampihatra ny fitisipika izay lany tamin'iny Synaoda
iny dia tsy nisy fifidianana notanterahina
tamin'ity indray mitoraka ity fa amin'ny synaoda tsy
ara-potoana izay ho tanterahina amin'ny taona ho avy izany.
D.ANDRIANARIVO
|