|
Ny asabotsy 23 aogositra 2008 teo tany Antananarivo, Madagasikara no nodimandry ramatoa Razafinantoandro Josephine vady navelan’I Pasteur Rakotoariamanana Victor, izay mpitandrina niasa teto amin’ny FPMA.
Izy dia mpitandrina synaodaly teto amin’ny FPMA tany amin’ny taona 1980 tany ho any. Teto amin’ny FPMA no natao jobily izy mivady. Mbola nijanona ho mpikambana feno tao amin’ny birao foibe I Grand’Papa no sady nitandrina ny Tafo FPMA Paris niaraka tamin’I Pasteur Seth Rasolondraibe fony mbola tany amin’ny ERF Pentemeont ny fiangonana.
Grand Papa sy Grand Maman no niantsoana azy ireo noho izy ireo tena raiamandreny tokoa teo anivon’ireo mpianatra na mpiasa teto amin’ny FPMA. Tena tsapa izany tamin’ny fifandraisana tamin’izy mivady tamin’ireo olona izay nifandray taminy na teto Paris (Champigny) na tany amin’ny faritany (Orléans, …). Tena mpandray vahiny izy ireo indrindra fa ireo mpianatra avy amin’ny faritany ka mandalo tany amin’ny faritr’I Paris. Tena mpankafy ary tia ny hira izay atao hoe zafindraony i Grand Maman. Tamin’izy fony kilasimandry tany Ambositra hono, araka ny fitantarany , no nahatonga izany. Tsy nitsahatra nanetsihetsika ny vehivavy teto amin’ny FPMA izy. Ary tonga nanatrika mandrakariva ireo hetsika maro natao teto amin’ny FPMA. Tazana foana izy na tany amin’ny FIAP izany, na tany amin’ny La Roquette, Charonne, Place Etienne Pernet sns. Tsy hadino koa ny feny tazmin’ireo fanompoam-pivavahana maro izay niarahantsika taminy na tany amin’ny ERF Etoile, Arago, Pentemont sns.. Tsy sakana ho azy ny taonany efa mandroso. Anisan’ny mampiavaka azy ny fomba fihomehezany izay tena azy manokana, tao koa ireo tantara maro izay fanaony rehefa tafara-dia taminy: Paris izany (amin’ny métro sy ny RER A izay mankany Champigny izay nitoeran’izy mivady), ny famangian’izy ireo Tafo na koa famonjena fivoriana any amin’ny faritany. Mitafy lamba foana I Grand’Maman na tany amin’ny vazaha na tany amin’ny Malagasy.
Tsiahy izao atao izao fa tsy tantara akory. Koa mazava ho azy fa tsy feno fa mila ampiana. Isaorana ny Tompo nanome reny toa azy fa tena harena be ho antsika FPMA tokoa. Misy tamintsika aza tsy mbola nahita izany hoe renibe izany fa dia I Grand’Maman no nifanerasera tamin'izy ireo.
Tsapa tokoa ny fahabangana kanefa moa ny Tompo no nanome ary Izy ihany koa niantso koa dia Izy no omem-boninahitra sy isaorana. Koa no irina fa hameno ny banga teo amin’ny fianakaviana ary koa eo amin’ny Fiangonana indrindra isika eto amin’ny FPMA izay toerana nanompoan’izy mivady farany raha ny Fiangonana Malagasy no resahina.
"Sambatra izay maty dia izay maty ao amin'ny Tompo"
Pasitera D. Andrianarivo
* Tsy zohina amin'ny rehetra intsony Izy mivady, dia Itompokovavy Joséphine Rakotoarimanana (antsointsika hoe Grand Maman) sy Pasteur Victor Rakotoarimanana, Co-Fondateur FPMA, nitarika ny fivoriana voalohany avril 1959 nametrahana ny FPMA (natrehan'ny Past Daniel Ralibera, Past Jacques Maury FPF,...) maha jobily 50 taonan'ny FPMA izao 2008-2009 izao, Filohan'ny FPMA Pastera Synodaly mpikambana Birao Foibe FPMA amampolotaonany maro teny aloha, Ray amandreny LEHIBE tsy toa teny na teto amin'ny FPMA na teo amin'ny sahan'asan'ny Fédération Protestante de France - FPF - toy ny naha Secrétaire Général CEVAA azy taona maro, Mpitandrina Ray amandreny ara-panahy nitaiza naharitra maro dia maro tamintsika vahoaka FPMA, isan'ireny ny mpiandraikitra sy mpiangona rehetra FPMA ORLEANS izay toerana nipetrahan'izy mivady taona maro. Akaikin'ny fon'ny FPMA MANONTOLO izy mivady ary akaikin'ny fonay manokana, niara-niasa niaraka Birao Foibe FPMA, niray tanàna sy niray fiangonana samy FPMA ORLéans taona maro, mandra-podimandry an'Itompokolahy sy nodian'i Itompokovavy any Madagasikara.
* Midoboka ny fon'ny FPMA ankehitriny koa miara-ory feno amin'ny fianakaviana manontolo tsy ankanavaka. Mahatsiaro manokana ireo zanak'izy mivady izay maro no mpitandrina sy/na vadina mpitandrina mpanompon'Andriamanitra, maro amin'izy ireo no mpiara manompo an'Andriamanitra sy mpiara-miasa ato amin'ny FPMA. Miara mizaka ny fahoriana amin'ny fianakaviana manontolo tsy ankanavaka ny FPMA.
* Miaraka amin'izany anefa dia tian'ny FPMA ny mitondra sahady ny teny fampiononana tsara indrindra dia ny fampaherezana ao amin'ny Tompo Jesoa Kristy antoky ny fitsanganan'ny tena amin'ny maty.
Ry Fianakaviana malala tsy ankanavaka, hoy ny Tompo Jesoa:
"Izaho no fananganana ny maty sy fiainana : izay mino Ahy na dia maty aza dia ho velona indray.
Jaona 11 : 25 "
* Mba ho solontenan'ny FPMA dia Miangavy ny filoha mpanampy mpitandrina Birao Foibe FPMA Past Theodore Randriamanantena izay mandalo any Madagasikara ankehitriny, ireo ray amandreny Filohamboninahitry ny FPMA mirahalahy dia Past Richard RAKOTONDRAIBE sy Past Dr Peri RASOLONDRAIBE izay samy any Madagasikara ary ny filohan'ny Maintimolaly FPMA any Madagasikara Atoa Ramandason handefa ireo izay solontena rehetra afaka hanatrika ny fanompoampivavahana fanomezamboninahitra an'Andriamanitra ao amin'ny FJKM Ambonin'Ampamarinana araka ny voalazan'ny "faire part" etsy ambony, araka izay azo atao.
* Mangataka ny ambaratonga rehetra FPMA (tafo 34, faritany 6, sampana iraisana,...) hitrotro ambavaka ny fianakaviana manontolo, indrindra mandritra ny vavaka fangatahina amin'ny fanompoampivavahana manaraka eny an-toerana
"Mifampitondrà izay mavesatra,
ary aoka izany no hahatanterahanareo ny lalàn'i Kristy"
Gal 6:2
Jean-Solo RAFIDINARIVO
Filoha Mpanampy Laika Birao Foibe FPMA
Fiangonana Protestanta Malagasy aty Andafy
|