|
pasitera
|
|
Notanterahina tamin’ny alakamisy 31 jolay
2008 teny Vohipiraisana Ambohijatovo biraon’ny FFPM
(Fiombonan’ny Fiangonana Protestanta Malagasy) ny fanolorana
ny fanampiana ao anatin’ny « ezaka
Madagasikara » izay fanaon’ny Fiangonana
Protestanta Malagasy any Andafy tafo Paris (FPMA-Paris) isan-taona,
mba ho fanohanana ny asa misiona sy ny fitoriana ny Filazantsara,ka
ordinateur, imprimante,camera numérique sy ny kojakoja
samihafa ilaina ho fampandehanana ny Radio Protestanta eto
Madagasikara no natolotra tamin’izany.
Ny filohan’ny tafo Fpma-Paris, Roland
Ratiarison no nanolotra izany tamin’ny anaran’ny
Mpitandrina sy ny Fiangonana Fpma-Paris, ary ny Pastora Ralibera,
Talen’ny Radio Protestanta no nandray izany tamin’ny
anaran’ny FFPM. Nandritry ny fihaonan’ny
Tonian’ny FFPM Pastora Edmond Razafimanantsoa sy ny
Tompon’andraikirty ny FPMA-Paris dia voaresaka ny tokony
hanamafisana bebe kokoa ny fiaraha-miasa, ka hisy volavola
tetik’asa hodinihan’ny roa tonta ahazahoana
manatanteraka tanjona iombonana eo amin’ny asa fitoriana ny
filazantsara.
Marihina fa tamin’ny roa taona lasa dia ny
fanohanana ny asa fitoriana ny Filazantsara teo amin’ny
Fiangonana Loterana Malagasy (FLM) no niantefan’ny
« ezaka Madagasikara » tamin’ny
nanomezana boky “Encyclopédies” ho an’ny
tranom-boky Loterianina ary ny taon-dasa kosa dia ny Kolejy
Teolojika FJKM ao Ivato no voakasik’izany tamin’ ny
niantohan’ny “Robes Pastorales” ireo
andiain’ny Mpitandrina miisa 40 izay nahavita ny
fianarany.
Nohon’ny Famindrampo sy ny
Fahasoavan’Andriamanitra dia hankalaza ny faha 50 taona
niorenany ny FPMA-Paris amin’ny taona 2009 ho avy izao
Par Hery A.
Tribune Madagascar 02/08/08
|