|
Ho anao . Tratry ny taona 2008 |
|
|
|
|
pasitera
|
FIRARIAN-TSOA
Asaramanitra izao
Satria ny taona vaovao
Koa ny fiarahabana atao
Sy firarian- tsoa ho anao
Dia andian-teny vitsivitsy
Tsy hoe kahidy na mitsitsy
Fa ny teny lava tsisy ventiny
Sao tsy tafita ny hafatr’entiny
Dia mirary Fahendrena
Io ilay voalohan-karena
Tsy adino ny Fahasalamana
Enti-miatrika Fiasana
Fa indrindra ny Fitiavana
Hifampitsinjo ny mpihavana
Ka ny fihatsarana vela-tsihy
Ho lavitr’ity taona ity.
Izay ilay teny fohy sy vitsy
Miala tsiny raha mahitsy
Dia mahatratrara ny ela indrindra
Anaty fiainana mirindra
Dia mametraka ny veloma
Finaritra indray
samia
Ho tahian'ny
Avo
Haja RAMANANJATO
Haja Ramanajato
Filohan'ny STK FPMA
Janoary 2008
|