A free template from Joomlashack

A free template from Joomlashack

majunga040.JPG

Radio Fpma

Tonga Soa arrow Vehivavy arrow SVK : Vehivavy mahatoky
SVK : Vehivavy mahatoky Convertir en PDF Version imprimable Suggérer par mail
pasitera   

VEHIVAVY HENDRY, ANDRIN’NY FPMA

Famaritana :

« Vehivavy mahatoky sy marina ary mino an’Andriamanitra mba ho toky sy hery ary tanjaky ny FPMA ».

> AFOVOANY ANDREFANA : MAHATOKY

> AFOVOANY ATSINANANA : MINO

> ATSIMO ATSINANANA : MARINA

> ATSIMO ANDREFANA : TOKY

> AVARATRA ATSINANANA : HERY

> AVARATRA ANDREFANA : TANJAKA

Fanontaniana sy fampiharana :

Ahoana no fomba hijoroanao ho vavolombelona hampandroso ny Fiangonana amin’ny maha-vehivavy hendry, andrin’ny FPMA anao ?

Nisy olona manam-pahalalana nilaza hoe : “omeo vehivavy Hendry aho hanaganako firenena vanona”.Ny fototenin’ny firenena dia RENY. Firenena no tiany hatsangana.NY VEHIVAVY :40 taona lasa izay , nitolona mafy ny vehivavy eran-tany nitaky ny zo ho an’ny vehivavy manerana ny firenena rehetra.Tany Afrika tany mantsy dia niharan’ny tsindry hazo lena ny vehivavy. Tany amin’ny firenena slamo dia tsy nanana zo mihitsy ny vehivavy ka dia nitaky ny zony izy ireo.

Ny mampalahelo nefa dia tsy namokatra loatra ny tolona natao fan a ny Soratra Masina aza dia milza hoe : “Ny lahy no lohan’ny vavy” ka dia novaina ny paika (stratégie) ka lasa fiaraha-miasa amin’ny lehilahy indray no tadiavina.

Tamin’ny famoronan’Andriamanitra an’I Eva , araka ny Soratra Masina, Jehovah Andriamanitra dia naka taolan-tehezana tao amin’I Adama ! Ny vehivavy sy ny lehilahy izany dia iray ihany fa tsy nahay naira-niasa.

Ilaina izany ny fiaraha-misa eo amin’ny lahy sy ny vavy.

Maro ireo vehivavy hendry ao amin’ny Soratra Masina ?

> Ao I ABIGAILA

> NAOMY : rafozan’I Rota ka na maty azan y zanany lahy dia nikarakara ny vinantony ihany izy.

> ROTA : vinanton’I Naomy , nanaraka ny rafozany hatramin’ny farany.

> DEBORA : Mpaminany vavy nanaraka ny Israely

> TABITA na DORKASY : vehivavy hendry, mpanao asa soa.

> LYDIA : vehivavy voalohany niova fo teto Eoropa taorian’ny nampiantranoany an’I paoly sy Silasy (Asa 16 : 40-40).

Misy koa ireo vehivavy nalaza tsy ao amin’ny Soratra Masina :

> Ohatra I Mère THERESA, na RASALAMA maritiora

> Ny vadin’I LOTERA izay nahay niara-niasa tamin’I LOTERA : raha reraky ny asa fanompoana sy fijoroana vavolombelona I LOTERA dia nanao akanjo fisaonana ny vadiny. Taitra I Lotera nahita azy ka nanontany azy ny antony isaonany. “Misaona aho satria maty ny Andriamanitr’I LOTERA mpanompony, hoy izy ! Nifona I LOTERA ary nisaotra an’Andriamanitra. Nandaitra ilay fiaraha-miasa.Ny olana indraindray dia tsy manaiky hampian’ny vadiny ny lehilahy . Tsy misy ny fifanakalozana sy ny fifampihainona.

Ohatra iray amin’izany I PILATO sy ny vadiny. Tsy nahay niara-niasa izy ireo.

MATIO 27 : 29 Tamin’ny fotoana nitsarana an’I Jesoa Kristy dia naniraka olona ny vadin’I PILATO nanao hoe : “Aza manao na inona na inona io lehilahy io” nefa dia tsy nihaino ilay toro-hevitry ny vadiny I Pilato, tsy noraharahiny izany.Indraindray dia mbola tsy matoky antsika vehivavy ny lehilahy. Ohatra iray fotsiny dia tsy mbola eken’ny sain’ny olona rehetra ny Mpitandrina vehivavy.

Ny lehilahy ve no tena manavaka antsika sa isika vehivavy ihany no tsy mifampatoky ? Mila hamarinina tsara ny maha-hendry ny vehivavy. Miverimberina imbetsaka ny teny hoe Hendry ao amin’ny Soratra Masina : in-178 , ka ny 150 dia ao amin’ny Testamenta Taloha ary ny 28 dia ao amin’ny Testamenta Vaovao.

Ny teny hoe ANDRY indray ao amin’ny Soratra Masina dia momba ilay dikany faharoa : “Esory aloha ny andry eo amin’ny masonao vao mijery ny sombin-kazo eo amin’ny mason’ny rahalahinao ianao”.Famaritana : Ny andry dia toky, hery, tanjaka.

Tsy mora ny andraikitra miandry izany vehivavy andrin’ny Fiangonana sy ny firenena izany : na eo amin’ny fianakaviana izany, na eo amin’ny fiaraha-monina izany, mainka moa fa eo amin’ny Fiangonana Ny vehivavy hendry ihany no andrin’ny Fiangonana !!!

AHOANA ARY AVY AIZA ARY NO AHAZOANA NY FAHENDRENA ?

Ohabolana 2 : 6 “Avy amin’I Jehovah ny fahendrena”.

Solomona no olona hendry indrindra ao amin’ny Baiboly.

Antoky ny zavatra rehetra ny fahendrena

I Mpanjaka 5 : 9 Ary Andriamanitra nanome an’I Solomona fahendrena

Raha hintsika ny mangataka fahendrena dia homen’Andriamanitra tokoa isika , dia ho foana ho azy ny korontana. Ho tena andry tokoa isika !

Ohabolana 4 : 7 Mahazoa fahendrena, eny lanio ny fanananao rehetra hamidy fahalalàna tsara.

Ny fahalalàna sy ny fahaizana ve antoky ny fahendrena ? TSIA? Lanio io fanananao io hividiananao fahendrena avy amin’Andriamanitra.

Ny famaliana ny fanontaniana hoe :

AHOANA NO FOMBA HIJOROANAO HO VAVOLOMBELONA

HAMPANDROSO NY FIANGONANA ?

dia atao enti-mody ary halefa any amin’ny Filoha SVK Nasionaly ny valiny.


Rtoa RAVALITERA Lydia, mpitandrina
SVK Cergy may 2007

 
< Précédent   Suivant >
 
Joomla Templates by Joomlashack