|
fpma
|
|
Natao teto Dijon tamin'ny Alahady 22 Janvier 2006 ny Choralie Régionale Nord Est ( Strasbourg, Nancy, Mulhouse, Troyes, Dijon).
Azonao henoina eto ny hira iray tamin'izany (Tsy hainay ny hangina - Fihirana Fanampiny 7).
Ny maraina dia nanao hira roa ny Choralie nandritra ny fotoam-pivavahana iraisam-pinoana natao tao amin'ny Eglise Ste Elizabeth-Fontaine d'Ouche Dijon.
Ny tolakandro , tamin'ny 3 ora, dia nanomboka ny Concert, natao tao amin'ny Temple ERF, 14 bd des Brosses. (Jereo ao amin'ny pejin'ny Sary ). Nahafinaritra ary nampihetsimpo ireo hira sy lahateny natao nandritra izany. Koa dia fisaorana no atolotra azy rehetra ireo.
Marihina koa fa Atoa J. Raveloson no voafidy hitarika ny Biraon'ny Choralie .
Ny Choralie
J. Raveloson |