|
pasitera
|
|
SAMPANA TILY
NASIONALY
"Fa tsy nomen'Andriamanitra fanahy osa isika, fa fanahy mahery
sy fitiavana ary fahononan-tena. Koa aza menatra ny ho
vavolombelon'ny Tompontsika." II Timoty 1.7-8
Ho ampitomboina amintsika rehetra
mandrakariva anie ny fahasoavan'i Jesoa Kristy Tompontsika.
Mankalaza ny jobily faha-100 taonan’ny skotisma eran-tany
isika amin’ity taona 2007 ity ary marobe ireo fihetsehana
hanamarihana izany.
Koa manasa antsika rehetra (skoto am-perin’asa, ireo
tranainy rehetra ary ireo mpanohana) hiara hankalaza izany
amin’ny Sampana Tily Nasionaly amin'ny fihaonambe izay ho
tanterahina ny 28 - 29 avril 2007 any LYON (Saint-Martin en
haut).Ny saran-dasy dia 40 €.
Ny fisoratana anarana dia amin’ny adiresy mailaka
Cet e-mail est protégé contre les robots collecteurs de mails, votre navigateur doit accepter le Javascript pour le voir
na jereo ny blaogy
http://tilysympana.blaogy.org na antsoy koa ny 06 23 17
43 29.
Hisy ireo fanentanana skoto sahaza ny rehetra toy ny lalao ngeza,
lalao skoto, afon-dasy, raki-tsary jobily, cd hira tily, sns.
Ny fandraisana ny mpandray anjara rehetra dia manomboka ny zoma 27
avril amin’ny 6 ora hariva, ny fanokafana dia ny asabotsy 28
avril amin’ny 9 ora maraina ary ny famaranana dia ny 29 avril
amin'ny 3 ora folak'andro.
Dia mirary ny fahatongavantsika rehetra ary aoka hifampilaza.
Ho an’Andriamanitra irery anie ny voninahitra.
Ny filohan'ny Sampana
Hery RABEFITIA
|