|
NY FPMA sy ny mpitandrina ao aminy |
|
|
|
|
pasitera
|
Tonga amin'ny fotoana izay irosoan'ny fiangonantsika amin'ny
Mpitandrina matihanina isika izao. Betsaka tokoa no
mametra-panontaniana hoe nahoana no izao vao miroso amin'izany ny
FPMA.
Raha ny tantara no jerena dia ny mpitandrina synaodaly ihany no
matihaniana hatramin'izay satria nyfiraisan'ireo Misionery
(loterana, anglisy, amerikana, frantsay sns..) no niantoka azy teo
aloha satria koamoa isika mbola natao hoe fitaizam-panahy
protestanta malagasy aty Andafy (aumonerie protestante malgache en
France). Izany moa dia noraisin'ny FFPM an-tanana noho izy nisolo
ny Komity iraisan'ireo misiona maro samihafa hatramin'ny 1996
izay nanolorany antsika ny fahaleovantena.
Miala avy eo dia tena nandray an-tanana ny andaikiny tanteraka ny
FPMA tamin'ny fiveloman'ireo Mpitandrina synaodaly maro (Rev.
Rakotoariamanana, Rév.Rakotondraibe, Rév.
Andriamahenina, Rév. Solohery ary Rév.
Ravalitera...). Ny Mpitandrina sisa kosa dia ny Tafo izay iasany no
manolotra azy solontsakafo isak'izay mamangy izy ireo ny
mpitandrina. NOmena anarana hoe KILAO izany satria izany no
niantsoan'ireo mpianatra teny amin'ireo toeram-panomanana
mpitandrina tany Madagasikara.
Raha tsorina , maro amin'ireo Mpitandrina teto amin'ny FPMA dia
tsy mandray fifivelomana fa sady miasa izy ireo no manao ny
asan'ny mpitandrina. Izany hoe ny fotoana anomanany an'ireo
fotoana, toriteny, fampiofanana dia ny fotoana izay tokony
hiarahany amin'ny fianakaviany no ankany.
Ohatra izay omena anao : raha mpitandrina iray izay miala any
Montpellier ka ho any Bordeaux ohatra. Io mpitandrina io dia
hitarika fotoana, hitoriteny, hampianatra katekomena ohatra. Ny
fotoana laniny amin'izany diany izany dia azo jerena toy izao :
- ny fanomanany ny diany : fanomanana toriteny, fotoana ary
fampiofanana : 21 ora
- ny diany : raha miala amin'ny 7 ora maraina izy dia tsy miverina
raha tsy sasak'alina : 14 ora
Izany hoe lany 35 ora (fotoana izay iasana lmandritry ny
herinandro eto France izany) no lanin'ilay mpitandrina mankany
Bordeaux.
Izany no omena antsika dia ny ahafantarantsika ny zava-misy
amin'ireo mpitandrina sy ny asany eto amin'ny FPMA.
Isaorana an'Andriamanitra fa efa 6 raha kely indrindra izao no
mpitandrina matihanina na ho matihanina eto anivon'ny FPMA.
Ireo mpitandrinna ireo no toy ny motera ao antin'ny fiara. Izany
hoe izy no mavesatra indrindra raha ny lanjany. Kanefa kosa, rahefa
mandeha tsara izy io dia tsy tadidy intsony ny fisiany satria
mahazo aina ilay fiara ary mahafinaritra aza ny mampiasa azy. Azo
raisina toy izany koa ny mpitandrina. Mety izy no ambony indrindra
eo amin'ny paositra budgétaire kanefa rehefa mandeha tsara
ny fitandremany, tsy re akory ny lanjany satria toy ny petrabola
mamokatra ka sasatra foana ianao mandray ny fahasoavana avy aminy.
Betsaka amintsika no mbola velom-panotaniana na misalasala amin'ny
firosoana amin'izany. Aza matahotra fa ny asa sy ny mpiasa dia
an'Andriamanitra.Ary mifaliana raha ianao no ataon'Andrimanitra
ho fitaovana hanatanterahany an'izany. Anotanio ireo Tafo efa
miroso amin'izany dia ho hitanao ny fijoroan'izy ireo
vavolombelona momba izany. Efa misy rahateo koa ny Komity mandinika
momba izany eto amin'ny FPMA koa raha ny lafiny ara-teknika dia
efa misy mandinika momba izany. Azo alaina amin'ny hetra izay
aloanao ny 60% ny adidy izao omenao ny Tafo izay misy anao. Ny
tambiny dia tsotra ihany : mila manana fitantanana madio sy mazava
ilay Tafo satria raha misina mijery any amin'ny Tafo ireo
mpiasan'ny hetra dia mba hahita fitantanana mazava izy ireo.
Ny teninay farany dia izao : apetraho amn'i Jehovah ny fanahianao
fa Izy no hiahy Izany. Dia mahereza ary ento amim-bavaka.
|