A free template from Joomlashack

A free template from Joomlashack

majunga040.JPG

Radio Fpma

Tonga Soa arrow Vaovao arrow Ho anao : Fisaorana tamin'ny firaisankina
Ho anao : Fisaorana tamin'ny firaisankina Convertir en PDF Version imprimable Suggérer par mail
pasitera   
Ho anao izay mpitsidika ity site ity

Ry Havana malala ao amin'ny Tompo,
Amin'ny anaran'ny fianakaviana Andriamora Besoa sy ny fianakaviana manontolo no itondrana ny teny fisaorana aminareo eto androany.
Misaotra an'Andriamanitra lehibe izahay ary misaotra indrindra anareo mpiangona, mpandray anjara na mpitsidika ato amin'ny site-n'ny Fiangonana FPMA tafo Dijon ihany koa.
Eny ry havana, tsapanay fa tsy nizaka irery ireny fotoan-tsarotra ireny izahay fa niarahanareo nozakaina taminay izany.
Isaoranay anareo, ireo teny mamy rehetra nentinareo nampahery anay, ny fidodododoana sy ny fahasahiranana rehetra :
nantsoina andro ianareo dia andro, nantsoina alina ianareo dia alina, tsy nisalasala nanampy tamin'ny fikarakaràna.
Tsy nikajy fotoana ianareo nanaparitaka ny vaovao, tsy nikajy vola aman-karena mihitsy koa ianareo fa nanao izay rehetra azo natao tamin'izany.
Ankehitriny dia tafody soa aman-tsara any an-tanindrazana i Rojo, ary tsara levenana ny maty koa dia mbola mamerina ny fisaorana eram-po eran-tsaina anareo izahay.
Tsy ho voavalinay ny fitiavanareo lehibe koa Andriamanitra manakarem-pahasoavana no angatahinay hamaly fitia anareo tsirairay avy. Izy anie hampionona antsika rehetra ary hanamafy hatrany ny firaisam-po izay efa napetrany ato amin'ity Fiangonana sy site-n'ny FPMA tafo Dijon ity, mba ho voninahitry ny Anarany irery ihany.
Misaotra tompoko.

Andriamora Niry < Cet e-mail est protégé contre les robots collecteurs de mails, votre navigateur doit accepter le Javascript pour le voir >
07 marsa 2007
 
< Précédent   Suivant >
 
Joomla Templates by Joomlashack