|
pasitera
|
Ho an'ny Komity Foibe FPMA,
Ho an'ny Komity Foibe FPMA,
Ho an'ny Birao AMF,
Ho an'ny Mpandrindra AMF Faritany,
Ho an'ny Antoko Mpihira FPMA manontolo,
Ho an'ny Antoko Mpihira Fiaraha-mivavaka FPMA,
Antony : Fiantsoana Fivoriam-be
Toerana : Melun (77)
Daty : Sabotsy 17/03/2007 tontolon'andro
Tanisa dinika : efa eo am-pandravonana azy ny Birao AMF ary alefa amintsika etoana raha vatany vao tontosa
Antsoina isika
- Interface Komity Foibe FPMA
- Mpandrindra Faritany AMF 6
- Solo-tenan'ny Antoko Mpihira FPMA sy Fiaraha-mivavaka FPMA
- solo-tena 2 manana adidy sy zo handatsa-bato ho an'ny AMF FPMA
- solo-tena 2 hanatrika fivoriana ho an'ny Fiaraha-mivavaka FPMA
hanatrika ny fivoriam-be izay atao ny Sabotsy 17/03/2007 tontolon'andro ao Melun (77).
Ny antsimpirihany @ tanisa dinika sy adiresy hanaovana fivoriana dia alefa amintsika aoriana kely.
Ampahatsiahivina etoana ny maha-zava-dehibe izany fivoriana izany satria eo no hanapahantsika hevitra @ ireo ezaka sy sori-dalana lehibe ho raisina miksaika ny fiainan'ny AMF.
Aoka hifampilaza raha misy ny tsy fahafahana.
Amin'ny anaran'ny Birao AMF.
Rado Ramarotafika
Vaomiera Serasera AMF
|