A free template from Joomlashack

A free template from Joomlashack

majunga054.JPG

Radio Fpma

Tonga Soa arrow Vaovao arrow FPMA Aix Marseille,...Mpitandrina
FPMA Aix Marseille,...Mpitandrina Convertir en PDF Version imprimable Suggérer par mail
pasitera   

FANASANA

Ho an'ny Mpitandrina sy ny Mpiandraikitra ambaratonga rehetra FPMA
(Fiaraha-mivavaka, Sampana iraisana, Tafo, Faritany...)
Ho an'ny vahoaka FPMA rehetra
Ary ho anao izay mamaky izao fanasana izao

Ry Havana,

Ho aminareo mandrakariva anie ny fahasoavan'ny Tompo.

Fifaliana ho an'ny Mpitandrina ,ny Birao sy ny Mpiandraikitra ary ny vahoakan'Andriamanitra rehetra eto amin'ny Tafo FPMA AIX-MARSEILLE ny manasa antsika rehetra hanatrika ny FANOMPOAM-PIVAVAHANA, ho fandraisan-tanana sy fametrahana ho Mpitandrina matihanina an'Atoa Jeannot RANDRIANANDRASANA, eto amin'ny Tafo.

Izany dia atao ny Alahady faha 18 Febroary 2007 , ao amin'ny ERF Grignan, 15 rue Grignan 13006 Marseille, manomboka amin'ny 3 ora sy sasany tolakandro, ary ho tarihin'ny Dr.Jean RAVALITERA, ny Komity Foibe FPMA,sy ny Faritany Atsimo Atsinanana,ary atrehan'ireo solontena maro ao amin'ny fiangonana rahavavy : ERF, Katolika, Loterana.

Koa manainga antsika rehetra ary ry havana ho tonga maro, hanatrika izany fotoan- dehibe fisaorana an'Andriamanitra ho an' ny mpanompony, eto amin'ny Fiangonany izany.

Dia ho an'Andrimanitra irery ihany ny Voninahitra.

Amin'ny anaran'ny Birao sy ny Komitin'ny Tafo FPMA Aix-Marseille

Ny Filoha

Charles RAKOTONIAINA

 
< Précédent   Suivant >
 
Joomla Templates by Joomlashack