A free template from Joomlashack

A free template from Joomlashack

majunga026.JPG

Radio Fpma

Tonga Soa arrow Vaovao arrow FPMA : 27 janoary 2007
FPMA : 27 janoary 2007 Convertir en PDF Version imprimable Suggérer par mail
pasitera   

Isaorana an'Andriamanitra fa vita soa aman-tsara ny fivoriana rehetra natao tamin'izany:
Ny fivorian'ny Fiaraha-miasan'ny mpitandrina FMM
Izay nandinihana manokana ny momba ny fomba fenendrena mpitandrina eto amin'ny sehatry ny FPMA. Arak'izany dia hivoaka tsy ho ela ny fanendrena an'ireo mpitandrina ireo sy ny Tafo izay ho tandremany. Marihina moa fa efa manao ezaka ny FPMA momba ny hananana mpitandrina matihanina. Ny mpitandrina amin'izao fotoana izao dia "benevoles" daholo afa-tsy mpitandrina 4 ihany.

Niara-nivory tamin'ireto mpitandrina ny mpikambana ao amin'ny Vaomieran'ny Fanompoan'ny FPMA. Marihina fa nahatonga solontena daholo ireo Faritany 6 eto amin'ny FPMA.
Tao amin'ny DEFAP, 102 bd Arago Paris 14 moa no natao ny fivoriana.

Ny fametrahana an'ireo mpikambana FOIBE FPMA
Pr Solo ANDRIANOMENJANAHARY (FPMA LYON) no nitarika ny fotoana
Pr Seth RASOLONDRAIBE (FPMA PARIS) no nitondra ny Tenin'Andriamanitra .
Pr Désire ANDRIAMAMPIANINA (FPMA St SIMON Paris) no nanatotosa ny fametrahana an'ireo mpikambana ao amin'ny FOIBE FPMA izay vao nofidiana tamin'ny synaoda natao tany amin'ny FPMA Orléans tamin'ny volana novambra 2006 teo dia :
Filoha : Atoa Jean RAVALITERA, mpitandrina

Filoha mpanampy:
Atoa Théodore RANDRIAMANATENA, mpitandrina
Jean Solo RAFIDINARIVO

Mpitantsoratra : Atoa Tiana RADISON

Mpitahiry vola : Atoa Herintsoa RASIDIMANANA

Mpitantam-bola : Atoa François RAMIALISON

Mpanolontsaina : Atoa Seth RASOLONDRAIBE , mpitandrina

Avy eo ny Pr Jean RAVALITERA , Filoha Synaodaly ,kosa no nitarika ny fotoana famoahana an'ireo andiany voalohany tamin'ny Sekolin'ny mpitoriteny ato amin'ny FPMA.
Tao amin'ny ERF Etoile, 54 avenue de la grande armée, Paris 17 no nanantontosana izany fotoana lehibe izany.

Mihobia ho an'i Jehovah, ry tany rehetra,
Manompoa an'i Jehovah amin'ny fifaliana:
Mankanesa eo anatrehany amin'ny fihobiana
Sal 100 : 1;2


 
< Précédent   Suivant >
 
Joomla Templates by Joomlashack