Ny fanetren-tena
Tahaka ny hoe sambasamba mba nitovy ny perikopa notoriana omaly tany amin’ny FJKM sy ny FLM. Resaka fanetre-tena e ! tsy dia mahazatra ahy loatra ny manao karazana tatitra tahaka ity fa tena nahafinaritra ahy ilay toriteny nataon’ny Pastora Peri Rasolondraibe tao amin’ny FLM 67ha ity. Ny protestanta mazoto miangona any Frantsa sy any Soisa no mety ho efa nahita sy nandre azy ary mahatsapa fa mahay mitory teny ity rangahy iray ity.
Ny fototra nihavian’ny toriteny moa dia ilay andalan-tSoratra Masina ao amin’ny Matio 23 : 12 manao hoe : Izay manetry tena no asandratra ary izay manandra-tena no aetry. Aleo lazaina dieny mialoha fa araka ny fahazoako azy no amoahako azy eto ary mety misy ny adino mazava loatra. Tsy niomana ny handray an-tsoratra rahateo aho fa liana dia liana kosa nihaino ny toriteny. Moa ve, hoy ny mpitory teny, fitaovana mahatonga any amin’ny zavatra hafa tsy fanetre-tena ny fanetre-tena sa mijanona sy mahaleo tena fotsiny amin’izao ?
Matetika ary dia misy ny fanetre-tena tsy izy nefa dia tafiditra soa aman-tsara sy eken’ny maro ao am-piangonana. Mandiso lalana ny fiangonana sy manimba ny fiainam-piangonana anefa ny mamela ny fanetre-tena haitraitra hanjaka ao anatiny. Koa aleo hojerena ireo fanetre-tena haitraitra mety hamitaka ny maro ireo.
Ny fenetre-tena haitraitra mety hamitaka voalohany dia ny manao mihoatra noho izay takian’ny voasoratra na voalaza mba hakana dera amin’ny hafa. Amin’ny mahaloterana ny toriteny moa dia tsy maintsy ny ao amin’ny baiboly ihany aloha no voalohany indrindra hakana ohatra. Ohatra ny ataon’ny fariseo na farisianina. Voalaza ao amin’ny baiboly ary fa tokony hanana filakitera (boaty hoditra toy ny tranontsolomaso fa kely toy ny atsasaka boatin’afokasoka angaha no fanazavana tsotra indrindra ity filakitera ity) mipetaka amin’ny handrina na sandry na vohontanana ny lehilahy amin’Israely.
Ny farisianina (fariseo) kosa dia ataony ngeza mameno handrina mihitsy ny filakiterany. Toy ny maneho ho hitan’ny be sy ny maro izy fa manaraka ny sitrapon’Andriamanitra amin-kitsi-po. Mifandrindra amin’izay anefa dia igagan’ny maro izy ka mahatonga ny hafa hihevitra hoe tena mpivavaka sy mpanaraka ny sitrapon’Andriamanitra ohatra. Mila dera amin’ny hafa izay fihetsika ataon’ny farisianina izay. « Efa azony ny valim-pitiany » hoy ihany ny voasoratra ao amin’ny testamenta vaovao. Fanetre-tena fihatsaram-belatsihy ny fihetsika tahaka izany. Ny voninahitra ihany no tena kendreny amin’izay ataony.Dia mitovitovy amin’izay ihany koa moa ny amin’ny somotr’aviavy. Io indray moa dia toy ireny amin’ny akanjon’ny « Peaux rouges » ireny ihany. Izany hoe tsy faranana ny akanjo fa avela hisy tsara ireny hoe tahaka ny rimbana ireny. Ny an’ny fariseo tena ataony mamafa lalana mihitsy ny somotr’aviaviny mba hakany dera amin’ny olona. Sarotra amin’ny hafa ny manao tahaka ireto olona ireto ka mampihemotra ny hafa tsy hanaraka an’Andriamanitra. Izay moa no mahatonga ilay teny kosa indray hoe « Lozanareo…fa sakananareo vavahadin’ny lanitra. Ianareo tsy mety miditra nefa ny hafa tsy avelanareo hiditra ihany koa ».Izany hoe raha hitadiavam-boninahitra sy hakana dera ilay fanetre-tena atao dia tsy izy izay fa haitraitra fotsiny ihany.Ny fanetre-tena faharoa tsy izy ihany koa dia ny fiheveran-tena ho tsy tandrify amina zavatra atao iray na amina toerana iray. Misy ohatra ny olona iray handeha hiditra amin’ny fiangonana iray dia jereny ny olona ao anatiny aloha. Rehefa hitany fa tsy mitovitovy aminy ilay ao dia tsy sahy miditra ao izy. Tsy antonona azy ny ao na hoe tsy mendrika ny ho ao izy. Noraisina ho ohatra voalohany ny zanak’Israely fony izy navoka avy tamin’ny fahababoana tany Ejipta. Maty tsy nisy tafiditra tany Kanana avokoa ny lehilahy rehetra tsy nanaiky hiditra tany kanana (afa-tsy kaleba sy Josoa moa izany) noho ny fitsikilovana natao aloha dia nahita fa vaventy tahaka ny tsy azo resena ny lehilahy efa monina ao Kanana. Taranaka hafa vaovao mihitsy no niditra tany Kanana indray fa ny hafa moa maty nandritra ny fivezivezena 40 taona tany an-tany hay. Izany hoe tsy fanetre-tena ilay toe-tsaina voazanaka sahady…aretina indray io tahaka ny aretin-tsaina hafa.Misy ihany koa hoy izy ny karazan’olona rehefa maka sary ohatra dia ny olona vaventiventy sy lehibe noho izy no iarahany maka sary mba hanaporofoan’ny tenany fa tena kely tokoa izy. Etsy ankilan’izay kosa anefa dia tsy mety miara-maka sary amin’ny olona mitovitovy aminy izy fandrao hita ny kibony somary efa mitosaka na hita hoe lehibe kokoa na bolangina kokoa noho ny hafa izy. Fanetre-tena haitraitra ihany koa izany.
Fa tahaka ny ahoana kosa ary no tena fanetre-tena ?Voalohany, dia ny fanekena hotsarain’ny tenin’Andriamanitra. Tsy mila olakolana na fialantsiny noho izay natao fa manaiky hisokatra amin’ny Teny ka manaiky hotsaraina amin’izany amin-kitsi-po. Manaraka izany ny fanekena ilay teny voasoratra manao hoe « Raha mihevi-tena isika hoe tsy manana ota dia mamita-tena ary ny marina tsy ao anatintsika, fa raha manaiky ny fahotantsika isika dia matoky sy marina Andriamanitra ka manadio ho afaka amin’ny fahotantsika… ». Tsy noho ny zavatra vitantsika no mahamarina antsika fa ny asan’Andriamanitra amin’ny alalan’ny fahasoavana nomeny antsika tamin’ny nanadiovany antsika, ary ny nanadiovany antsika dia tamin’ny alalan’ny ran’ny Zanany.Ny fanetre-tena faharoa dia ny fiezahana hitady hatrany ilay fahasoavana sy famindra-pon’Andriamanitra. Manaraka ny didiny no mety indrindra ka ny didiny lazaina amin’izany dia ny fitiavana. Ny manao zavatra amin’ny fanetre-tena tena izy dia ny manao azy amin’ny fitiavana, fitiavana ny hafa io (ataovy ihany koa hoe fitiavana an’Andriamanitra). Izay no fanetre-tena madio sy mangarangarana.
Somary lasa fohifohy ny fizarana faharoa fa tsy arako intsony moa ireo andinin-tSoratra masina notanisain’ny mpandahatra. Izay tadidian’ny saina ihany sisa no averina etoana. Marihina fa naharitra 40 miniotra io toriteny io nefa dia nahaliana tokoa ilay izy. Hain’ny mmpandahatra rahateo ny nampanongilan-tsofina ny mpihaino haharitra hatramin’ny farany.
http://jentilisa.blaogy.com/post/122/1727