|
Ny Fanahin’i Jehovah no ato amiko (Lio 4 : 18a)
Dia mbola faly mamerina ny fiarahabana tratry ny taona 2007 ho antsika rehetra.
Tamin’ny tapabolany isika dia nankalaza ny atao hoe : Epifania (6 janoary ), tamin’ny heriny kosa dia ary dia novakiana tamin’izany ny tantara izay milaza ny ain’ny nanovan’i Jesosy ny rano ho divay. Talohan’izao tantara izao, raha ny filazantsara nosoratan’i Jaona no resahina dia nisy ny
* Nanaovana batisa an’i Jesosy,
* Nakan’ny devoly fanahy azy
Eto isika dia amin’ny fiverenanany any Galilia sy ny nitoriany teny tao Nazareta izay tanana lazaina fa nahalehibe Azy
Ny Fanahy Masina sy Jesosy
Raha tsy hijery afa tsy ny and 18 – 21 isika dia mahita fa io Fanahy io izay mitoetra ao aminy
* no nanosotra Azy hitory/hanambara teny soa mahafaly amin’ny malahelo. Ny teny hoe manosotra eto dia azo adika hoe hosorana menaka Jesosy nohosorana menaka : tsy nisy olona nanosotra Azy menaka na nanao ny fanosorana ho Azy
toy ireo mpanjaka na mpisorona izay mila mpaminany manao izany satria mila ny fifandraisana amin’Andriamanitra izy ireo. Ny fahefana rehetra dia avy amin’Andriamanitra. Ny anarana hoe Mesia na Kristy dia midika hoe voahosotra.
Asan’ny Fanahy tao amin’i Jesosy ny fahazarana mankany amin’ny synagoga/fiangonana. Satria ny fiangonana dia valin’ny antson’Andriamanitra nataony tamintsika. Isika izay resen’ny Fanahy Masina ny amin’ny famonjena izay nataon’i Jesosy tamintsika no ahatongavantsika eto hihaino ny teniny. Jesosy indray dia tonga mba
hampianatra Anisan’ny litorijin’ny jiosy ny famakiana ny teny (perikopa hoy isika). Ary ny teny izay vakiana eto dia ny Isaia 61 : 1 – 2.Eto dia mira-miasa tokoa na ampiasain’ny Fanahy Masina ny
* fotoana mba hampisehoana an’i Jesosy :
* ny ny teny izay vakiana, na
* ny fotoana ihaonana : sabata.
Fanahy mitarika mazava amin’izay asa anirahany azy : hanambara teny soa mahafaly na ny filazantsara ho an’ny malahelo. Io fanambarana io dia tsy azon’izay tsy voahosotra atao satria io mpanosotra io no manome ny Teny sy ny fahefana rehetra manao izany. Iza anefa io voahosotra io :Jesosy, izay rehetra nandray ny fanahy Masina izay lazaina ao amin’ny Ikor 12 novakiana tamintsika teo.Fanahy Masina tsy mamela antsika hitoetoe-poana fa tsy maintsy manambara. Tsy mandresy lahatra fa manambara iahany
* Naniraka Azy hitory fandefasana amin’ny mpifatotra sy famapahiratana amin’ny jamba, hafaka izay nampahorina, hitory ny taona ankasitrahan’i Jehovah.Ao koa ny fanirahana. Tsy mijanona amin’ny toerana tokana fa mandeha. Jereo izay nataon’i Jesosy : mandeha niala tany an-danitra, tonga olona, natao batsia, mampianatra...Olona nirahina isika. Jesosy hanala ireo enta-mavesatra eo amin’ny olona toy ny mpifatotra mila afahana, ny jamba tsy mahita fa mitoka-monia, ireo izay am-pahorina mila afahana. Hamerina ny olona amin’ny zony tanteraka ary hampiray azy ireo. Tsy misy tompo sy mpanompo fa tokana ihany ny Tompo dia Andriamanitra. Iraka izy , izay ataontsika koa hoe Apostoly. Ary izany iraka izany no ampitainy koa amin’ireto mpianany ho lasa iraka toy azy koa ry handimby ny asany. Jesosy voa iraka. Hitantsika amin’izany ireo fanasitranana maro izay nataony toy ny fampahirana ny jamba, ny fanafahana ny olona amin’ny asan’ny devoly sns.; Jesosy tsy niteny tamin’ny olona ny amin’izay mety ho endrika politika satria tsy izany no ahatongavany ary izany koa dia anisan’izay tsy nampitovy azy hevitra tamin’ireto mpitondra fivavahana Jiosy tamin’ny androny.
Tohin’ny asa
Io asa io koa no mbola tohizantsika ankehitriny satria mbola miteny amintsika anio io teny io : androany no tanteraka aminareo izany teny izany.Jesosy efa tonga, efa naseho tamintsika tamin’ny alan’ireo epifania maro izay nankalazaintsika : krismasy ohatra sns...Efa notoriana tamintsika ny filazantsara. Matoa iska tonga eto dia hihaino ny hafany. Asa na efa tsapanao ny nanosoran’Andriamanitra anao : fa izay rehetra nandray an’i Jesosy dia nomeny hery ho tonga zanak’Andriamanitra.Ny fanotaniana voalohany dia hoe : mino ve ianao fa Andriamanitra na Jesosy dia efa namonjy anao ? Ny teny izay tao amin’ny Ikor dia mampiseho amintsika ny fanomezam-pahasoavana maro izay vokatry ny asan’ny Fanahy Masina ao amintsika. Asa na mba fantatrao hoe iza amin’ireo no anao.Tsy misy kristiana tsy manana fanomezam-pahasoavana. Matetika isika no tsy mety mandeha na dia irahina aza. Tsy ny fanosorana mpitandruna na diakona na mpiandry no resahina eto fa isika tsirairay avy. Antsoin isika hitory teny mahafaly ho aznin’ireo mpiara-belona amintsika : gasy ,vazaha sns..Mila mivoaka an’ireto rindrina ireto iska, mijery ireo malagasy toa antsika, mijery ireo mpiara-belona amintsika. Tsy azo afenina ny tana miorina amin’ny tampon’ny tendrombohitra.. Raha tsapantsika fa tsy mbola matanjaka isika dia izany no ampianarana antsika isaky ny alahady.
Ny Fanahy no manome antsika izay hataontsika, isika dia fiasana fotsiny ihany.
Raha manaiky ianao dia maniraka anao ny Tompo hitory ny teny mahafaly ho an’ireo malahelo. Fa tsy Fanahy osa no nomena anareo hoy Izy ary ny vokatry ny Fanahy dia tena samihafa eo amin’ny olona fa ny voany kosa dia mitovy satria manambara ny fototra nihaviany. Ny epistily nosoran’i Paoly teo dia mampiseho amintsika ny fahasamihafana eo amintsika kanefa ny Tompo dia iray ihany. Ary satria tsy antsika ny asa dia aza matahotra satria isika dia fiasana ihany.Koa izay norenesinao dia mba atolory olona mahatoky koa. Izany no fototry ny vaovao mahafaly. Nahafaly ahy ilay izy dia tiako mba hahafaly ny hafa koa.Koa dia fantaro ary ny toeranao eto amin’ny tafo misy anao. Inona marina moa ny fanomezam-pahasoavana noraisinao ary ahoana no fomba ampaiasianao an’izany ?
Mahereza fa ny tomo dia miandry anao.Anjaranao ny milaza amin’ireo manodidina anao fa ny Ny Fanahin’i Jehovah no ato amiko.
Ho Azy irery ihany ny voninahitra,Amena
|