|
FPMA : ZAIKABE SEKOLY ALAHADY |
|
|
|
|
pasitera
|
“…Moa fantatrao va izay
vakinao?... Hataoko ahoana no fahay, raha tsy misy mampianatra
ahy?”
Asan’ny Apostoly 8 30b – 31a
21desambra 2006
Ho an’ny Tafo FPMA rehetra,
Ho an’ny Sampana Sekoly Alahady manontolo,
Ry havana malala ao amin’ny Jesoa Kristy Tompo,
Fisaorana feno no atolotra an’Andriamanitra satria
nohon’ny sitrapony dia miroso amin’ny fanatanterahana
ny Lasy Nasionaly (Zaikabe ) ny Sampana Iraisana ny Sekoly
Alahady izay hatao ny 5 sy 6 Mey 2007 ao amin’ny :
Centre International de Séjour de CHAMPAGNE Esplanade
André Malreaux – Chaussée Bocquaire 51000
REIMS
Mba ahatomombana sy ahalavorariana ny
fikarakaràna ny lasy dia toy izao ny Saran-dasy haloha
amin’izany :
Asabotsy 5 Mey ka hatramin’ny Alahady 6 Mey
Asabotsy: sakafo atoandro, hariva + fatoriana ANKIZY (mandray
fandriana sy misakafo latsaky ny 12 taona) : 37 €
Alahady : sakafo maraina, atoandro LEHIBE : 55 €
Asabotsy : sakafo hariva + fatoriana ANKIZY (mandray fandriana sy
misakafo latsaky ny 12 taona) : 29 €
Alahady : sakafo maraina, atoandro LEHIBE : 44 €
Alahady 6 Mey
Sakafo atoandro ANKIZY (latsaky ny 12 taona) : 13 € LEHIBE :
16 €
Sakafo indray mandeha : ANKIZY : 13 € LEHIBE : 16 €
Ho fanomanana ny “Takarivan’ny ankizy” izay hatao
ny Asabotsy 5 Mey dia hiangaviana ny Tafo tsirairay mba hanomana
théâtre biblique na hira tsy mihoatra ny 10 minitra ho
fandraisany anjara amin’izany.
Koa ampahatsiahivana isika fa tsy maintsy misoratra anarana dieny
mialoha ireo izay handray anjara mba hampirindra tanteraka ny
fotoana. Ireo ankizy mpitendry zava-maneno rehetra dia hanokatra ny
fotoana amin’ny alalan’ny Concert. Ny
Antsipirihan’ny fandaharam-potoana dia ho voaraintsika ao
aoriana.
Andriamanitra ny Fiadanana anie hiaro antsika lalandava eo
amin’ny fampianarana sy fampandrosoana ny fanjakany
amin’ny fikolokoloina ireo ondrikeliny. Ho Azy irery anie ny
voninahitra.
Amin’ny anaran’ny Birao Nasionaly Ny Filoha Ny Filoha
Synodaly
Landy ANDRIANAVELASOA: Dr Réverend Jean RAVALITERA
|