|
Ity dia tadidinay ny tonony : « Hobio ataovy antso avo, Lazao ny antson’ny Filazantsara. …”
Mafana anie ny fon-dry zareo mihira izany è. Ny vava mihira, ny tanana mitehaka, ny tongotra mively bara, ny maso mitomany. Fifaliana lehibe izany andro izany.
Ny alin’io 24 desambra io dia alina fiomanana hankalaza ny andron’ny Krismasy rahampitso, ka be ny miari-tory manjaitra sy mipasoka hanaovana maso vao. Ny fitafiana fotsy ihany anefa no fanaon-dry zareo tamin’izany, fa saika fady mihitsy ny mainty sy ny misoratra.
Vao maraina alina koa amin’ny 25 desambra, mbola amin’ny 3 famataranandro dia hipokipoka ny trano fiangonana. Efa voaravaka ravinkazo ny varavaram-piangonana sy hatreny amin’ny polipitra ary ny latabatra. Be ny mitondra seza hatrany an-tranony hitoerany eny akaikin’ny varavarana eny. Vao mangiran-dratsy dia mifanao fotoana eo Andohalo ny Kristiana eto Antananarivo hanao Krismasy any Anatirova aloha vao miverina any am-piangonana indray. Samy tarihin’ny mpitandrina ny isam-piangonana, miaraka aminy koa ny misionera. Tamin’ny andron-dRasoherina sy Ranavalona indrindra no nahafahana nanao ny Krismasy tany Anatirova. Vahoaka moa izany milahatra tsiefatrefatra, tsy misy hodiavina ny arabe. Misy mpihira roa tonta tamin’izany atao hoe Havanana sy Havia. Ny Havanana dia ny mpihiran’Andriana, ary ny Havia dia ny mpihiran’Ingahy Praiministra. Olona notsongaina isam-paritany ireny, ka izay manga feo indrindra no lany amin’izany. Feon’olona anie izany e! Mampierika izay rehetra mandreha.
Nony tonga eo Anatirova avaratra, dia indreo ny Mpanjaka sy ny Praiministra eo an-davarangana. Rehefa vita ny sidikinana dia manezaka mihira ny “Misaora an’ny Zanahary” ny vahoaka, manaraka ny hira koa ny Mpanjaka. Mamaky ny Soratra Masina ny misionera, dia mitari-bavaka ny anankiray . Mihira indray dia atao ny tsodrano. Manao ny trarantitra Andriana dia mirava. Tsy mba misy toriteny loatra amin’izany fa fotoam-pivavahana tsotsotra, vetivety dia vita. Dia lasa mirohotra ho any am-piangonana hanao fanompoam-pivavahana maraina sy hariva iny tontolo andro iny.
Amin’ny 25 desambra izany dia samy manao Krismasy isam-piangonana avy. Fa amin’ny andro faha-5 na herinandro aoriana aza dia misy Krismasy fihaonambe. Mifampitaona ao an-kalamanjana amin’ny lemaka lehibe ny fiangonana 10 na 15 mifanakaiky hanao ny Krismasy fihaonana. Tsy misy trano fiangonana omby ny olona te-hivavaka, na aiza na aiza amin’izany, ka dia eny an-kalamanjana no ivoriana. Vory ny lafy valo, fantatra ny zotom-pon’ny olona hamonjy ny fotoam-pivavahana amin’ny fotoana toy izany. Ny làlan-kely miolikolika dia misy olona mitanjozotra toy ny tsipika mailomailoka manatona ny point iray eo afovoany. Ratsy ny lalana sady feno fotaka no be ranonando, ka tsy hanaovana hatrany an-trano ny fitafiana. Rehefa tonga eo akaikin’ny hivoriana vao apetraka. Nisy lehilahy anankiray nampiditra ny pataloha somizo. Efa natao tsara pasoka ery ny alina, ka nihenjaniny tamin’ny tavolo. Nony hampidirina dia raikitra ka tsy azo nitsofohan-tongotra. Nezahiny ihany ka tapaka tsy azo nanaovana. Haingo moa amin’izany.ny zanaky ny mpanankarena dia lanjaina hatrany, dia ivimbinana seza sy itondrana Baiboly sy fihirana asehoseho ery. Noheverina ho voninahitra no mitondra Baiboly tamin’izany na tsy mahavaky teny aza. Mitena akanjo ny vehivavy, dia akanjo midoroboka be nohenjanina tamin’ny tavolo nasiana tsipika aza tao anatiny hibanenaka tsara. Ny tanan’ny akanjo dia avo soroka sady natao be lambanana, ka nony mipetraka dia midoroboka hoatra ny vorontsiloza voasioka, sady mibohoka toy ny vorombe hanidina. Jenitra dia jenitra anie izany e? Ny volo dia vompisaka asiana volo nofisahina tahaka ny fihogo ka apetaka eny an-daniny avy. Malaza tamin’izany ny fito anila. Ny vehivavy mpihaingo tamin’izany dia zahana ohatra ireny mpanambady eto Antananarivo ireny. Ny mpiray fiangonana, indrindra fa izay hanao ny hira, dia efa milahatra hatrany dia miray toerana. Ka raha miditra ny sehatra dia miaraka amin’ny amponga sy akorodao dia mandihy sy mirebika fatratra. Tany aminay dia nalahelo ny mpitandriny ka niteny hoe : “ nahoana no atao kilalao ny fivavahana, ka ivelezanareo amponga è? Namaly ny lehilahy iray mpitarika azy :”hianao ve Rangahy, tsy mahalala ny tenin’ny Soratra Masina hoe : Mankalaza Azy amin’ny amponga tapaka sy ny dihy à”. Sady mirebika izy. Feno fifaliana loatra ny fony, tsy tsaroany intsony izay tokony hatao sy havela.
Mpitoriteny avy aty Antananrivo no alaina amin’izany sady atao roa aza. Lavitra ny lalana sady mivilivily ombieny ombieny. Mitoriteny izy eny an-dalana ka atoandro be mihitsy vao tonga. Noheverina ho mety koa tamin’izany ny mpitoriteny somary andrasana elaela vao tonga. Mandra-pahatongany dia mampiady hira isam-piangonana no atao. Hira moa izany, sady efa nikezaka nampianatra sady nafenina mafy ny fianatra azy mba hanaovana maso vao (feo vao). Dia misy filazana azy avy ny lazan-kira sy ny fombany tamin’izany : beson-kiran’A…, Fasin-kiran’A…, Malaza ny Torebik’A…, ka…ets.
Efa ho amin’ny 11 na 12 aza vao tonga ny mpitoriteny. Lanjain’ny 12 lahy manao in-telo miditra. Ny olona dia miteniteny be ihany hoe : “Tamy, tamy, tamy…” Asosan’ny mpilanja kosa, toa atolotra ny vahoaka “indro ny anareo”. Mihetsiketsika toy ny landy velona rarahina ravinkazo ny vahoaka amin’izany. Fa nasiana dongona eo afovoany hitsanganan’ny mpitoriteny. Mazana efa vita taon’itsy rahateo izany dongona izany, mitsangana manelo azy ny diakona. Mikatroka izy ka mihehy hoatra ireny ombalahy miady ireny. Ny dinitra mipotrapotraka. Maharitra ora roa aza ny voalohany mitoriteny ihany, sady diasan’ny manaraka indray.Zany lahy ka tsy mahatsiaro vizana ny olona fa maharitra mihaino toriteny lavabe dia lavabe. Izahay ankizy dia volavolam-bary natono ho henjana tsara no ataon-dry Inenibe vatsinay. Saika tsy tsaroana akory aza ny hinanana iny raha tsy efa harivariva mihitsy ny andro.
Vita ny Krismasy fihaonam-be, dia indreny mamonjy ny fodiany avy. Mampalahelo fa noho ny fifaliana sy noho ny fampiadian-kira, dia andro tsy maty no farany ka misy mamo sy miady. Izany no hanaovana hoe :”tafahoatra loatra ka mandroatra amin’ny tsy antony ny fankalazana ny Krismasy fahizay.
Toa efa lasa izany andro izany, ry mpamaky. Efa ampy ny trano fiangonana lehibe ivorian’ny olona ka tsy natao intsony ny ankalamanjana. Kanefa tsy lefy amin’ny sain’ny Kristiana akory ny fetim-pivavahana ity. Ankehitriny dia ny tranon’ombin-dry zareo katolika no fizahan’ny olona. Ary ny “arbre de Noël”-n’ny protestanta no maresaka koa. Kanefa tahaka ny fisian’ny aloka tany aloha ka tsy maintsy misy aloka mandrakariva ny ventin-javatra rehetra na oviana na oviana dia tandremo, ry tanora, fandrao milalao fivavahana isika ka tonga teatra ny Arbre de Noël. Dia miala amin’ny Tompo izay ankalazaintsika.
Tompo ô “izany no namboarinao teo anatrehan’ny firenena rehetra”.
Nosoratan'i Dimbinintaolo
Nalaina tao amin'ny "Fankalazana Krismasy tamin'ny tany Malagasy"
Vatsy FPMA 31- Novambra 2001 |