A free template from Joomlashack

A free template from Joomlashack

majunga047.JPG

Radio Fpma

Tonga Soa arrow Vaovao arrow Fankalazana Krismasy fahagola
Fankalazana Krismasy fahagola Convertir en PDF Version imprimable Suggérer par mail
Dimbinintaolo   
David Jones (1797-1840)
Ny Krismasy teto Madagasikara dia niandoha tamin’ny fahoriana sy aizim-pito. Ny krismasy voalohany indrindra dia izay mba nankalazain’dry Jones tao Toamasina tamin’ny 25 desambra 1818. Ny ankizy sy ny ray aman-dreny dia novoriny tao an-tranony. Tamin’izany ny tenan’izy mivady dia lanahin’ny tazo tao am-pandriana, ary indrisy, fa ny zanany dia notsoahan’ny fahafatesana tamin’io andro io ; ary Mme Jones lasa koa ny herinandro manaraka ny krismasy.

Tamin’ny fiandohan’ny tany maizina indray tafaverina avy any Angletera Ravoalavo (Rahaniraka) sy Ratotozy (Raombana), Andriamasinavalona nianatra fito taona tany an-dafy, iray tampo sady kambana izy. Nony tonga teto Antananarivo izy tamin’ny juillet 1829 dia nanoro hevitra ny Kristiana Malagasy hankalaza ny nahaterahan’nyMpamonjy amin’ny 25 desambra. Ka azo lazaina fa Ravoalavo sy Ratotozy no rain’ny Krismasy Malagasy. Misaotra ny voalavo isika ary mankasitraka ny totozy noho ny nanomezany saina antsika hankalaza ny Tomp amin’ity fety kristiana mahafinaritra ity.

Hitantsika amin’izany fa fahafatesana sy fahamaizinana no nisantarana ny krismasy teto Madagasikara, ka marina ny faminanian’I Isaia hoe : “Ny olona izay mandeha amin’ny maizina dia mahita mazava lehibe ; izay mitoetra amin’ny tany aloky ny fahafatesana no iposahan’ny mazava”. (Isaia 9 1).

Nefa ny tena andro malaza nankalazana ny krismasy mafana dia mafana dia tamin’ny andron-dRasoherina sy Ranavalona II.

Ny krismasy tamin’izany dia fetim-pirenena mihitsy, satria ny Fivavahana Kristiana dia fivavaham-panjakana ka ny fetim-piangonana toy ny Lohavolana ny Krismasy dia nankalazaina toy ny fetim-pirenena.

Rehefa ho tonga ny andron’ny krismasy dia mamonjy ny tokan-tranom-pianakaviana ny Havana any am-pielezana. Tsy zakan’ny olona tamin’izany fotoana izany ny tsy hanao krismasy miaraka amin’ny havany. Tsy mba fanao loatra koa ny mamono omby, fa ny vorona, indrindra fa ny vorontsiloza, no vonoina mba hiarahan’ny mpianakavy mifaly. Amin-dry zareo Anglisy aza, dia fahorian-tsaina mihitsy izany tsy mba mamono vorontsiloza raha krismasy.

Ny alin’ny 24 desambra, indrindra fa ny misasak’alina, dia ninoan’ny Kristiana, ho tena ora sy andro nahaterahan’ny Mpamonjy mihitsy. Rehefa tapi-mandry ny olona dia mizotra manao procession eran’ny araben’ny tanàna ny mpivavavka mihira sy mitehaka. Misy koa mifoha amin’ny sasak’alina mivavaka ao an-trano dia mivoaka eny an-dalambe koa miaraka amin’ny vahoaka.

Tamin’izany alin’ny 24 desambra izany dia amin’ny 12 ora indrindra dia ninoan’ny olona fa miankohoka ny ravinkazo ary mandohalika ny ondry sy ny akoho amam-borona hankalaza’Ilay Zanak’Andriamanitra. Ny ankizy tamin’izany no mahavatra mijery ny famatarandro sy mizaha ny ravi-tsevabe ka nony tsofin’ny rivotra dia miseho ny ao ambadika. Tena miankohoka tokoa, hoy izy ireo. Angamba avy amin’izany no nampietsi-po an’Itompokolahy Ramboatina hanoratra ny tononkira krismasy hoe :

Ry hazo ao an’ala ô!
Samia re manandra-peo;

Ry voninkazo tsara ô!

Atero fofo-manitra.
Ry voronkely tsara feo!
Izao rehetra marobe!
Avia, mankalaza e”.

Alina masina izany alina izany.

Misy fihetsem-po mihitsy, ka ny Kristiana dia mitomany noho ny fahatsiarovany ny fahatrarana ny taona, ka ory am-panahy izy noho ny havany lasan’Andriamanitra tamin’iny taona iny ka tsy mba nahita ny krismasy. Ny hira fanaon’ny kristiana tamin’izany dia izao no tsaroana :

Avelao ny fonay,
Hisaina rahateo
Izay andronao lehibe,
Fandrao resy lanja, ets
“Raha tsy manana an’I Kraisitra,

Amin’ny androny
Ny maso no hipitrapitra,
Ireo ondry indrindra.
Ho avy ny andro hialana aina
Raha matoky an’Kraisitra
Lasa any mahory”.

Itony no isan’ny Antema malaza indrindra fanao :

“Ô ! mifalia ry olombelon-drehatra amin’izao famangian’Andriamanitra antsika izao. Indro fa nomeny ny zanany lahy tokana, mba ho sambatra isika re. Misaora sy manomeza voninahitra ho an’Andriamanitra, ‘Zay Tompo manankery nefa kosa be fiantra.
Voninahitra, ho an’Andriamanitra.

Nosoratan'i Dimbinintaolo

Nalaina tao amin'ny "Fankalazana Krismasy tamin'ny tany Malagasy"
Vatsy FPMA 31- Novambra 2001


(tohiny)
 
< Précédent   Suivant >
 
Joomla Templates by Joomlashack