A free template from Joomlashack

A free template from Joomlashack

majunga024.JPG

Radio Fpma

Tonga Soa arrow Toriteny arrow Efa ...akaiky
Efa ...akaiky Convertir en PDF Version imprimable Suggérer par mail
pasitera   

Ary ny nofo rehetra hahita ny famonjen'Andriamanitra, Lioka 3 : 6
Tamin'ny alahady tapabolany androany isika dia nankalaza ny amin'ny hoe Kristy Mpanjaka. Alahady izay namaranana ny taom-piangonana. Anio isika dia alahady faharoa amin'ny atao hoeadvento . Ny advento moa dia adika hoe 'fahatongavana' Ary ny olona tonga dia tsy hafa akory fa ilay Kristy Mpanjaka ihany. Ao amin'ny site oebantsika dia misy mpanoratra iray izay avy any Etazonia nanazava momba izany.

Tantara
> Tahaka ny tantara rehetra dia tsara ny mamaritra ny vanimpotoana nisahoanizany zavatra izany. Aminny maha zava-dehiba anizany dia misy ireo olona izay alefa ho mpialoha lalana azy. Ary io olona io no atao hoe JAONA izay lazaiana amintsika eto ny tantaran&rsquony nahaterahany.
Eto isika dia mahita fa nisy an'izany Mpanapaka tany Roma ary i Ponto Pilato kosa dia governora tany Jodia ary Heroda no mpanapaka tany Galilia, ny rahalahiny Filipo tanyItoria sy Trakotisy ary Lysania tany Abilena. Izany rehetra izany dia niseho fony Anasy sy Kaiafa no mpisoronabe. Tamin'izany vaninandro izany no nahatongavan'ny Tenin'Andriamanitra tamin'i Jaona, zanak'i Zakaria raha tany an'efitra izy. Izao tantara izao dia tany amin'ny taona faha 20 na 30 amin'izao fotoana iainantsika izao. Misy aza milaza fa tany amn'ny taona faha 27 no niatombohan'ny asa fitoriana izay nataon&rsquoi Jaona. Milaza amintsika izao fa ny toerana izay hahaterahan'ny mpamonjy dia teo ambany fanjanahan''ny Romana izay nahery tokoa tamin'izany fotoana izany. Izany no contexte politika sy fivavahana niainan'i Jaona ary koa Jesosy. Tsy mora ny raharaha.
Asan'i Jaona
Ny fahatongavan'i Jaona Mpanao batisa, izay tsy hafa akory fa havan'i Jesosy ihany, dia manamarika vanim-potoana lehibe eo amin'ny tantaran'ny kristianisma na ny firenena jiosy koa aza no tena marina kokoa. Lazain'i Lioka ao amin'ny:fa ny lalàna sy ny mpaminany dia hatramin'i Jaona; ary hatramin'izany no efa nitoriana ny filazantsaran'ny fanjakan'Andriamanitra, ary misesika izay rehetra miditra eo Lio 16:16. Ny lalàna sy ny mpaminany dia tsy hafa tsy akory fa ny testamenta taloha ihany. Raha eo amin'ny tantaran'ny famonjena indray, ny lalàna izay nomena an'i Mosesy dia natao mba harahin'ny olona sy hitaiza azy ka hahitany an'Andriamanitra. Andriamanitra no miteny mivantana. Ary ny mpaminany indray dia n mpitondra Tenin'Andriamanitra. Izany anefa dia lasa mpanabe antsika ambara-pahatongan'Izay tena Tenin'Andriamanitra dia Jesosy izany. Io lalàna io koa anefa no manameloka antsika kamamatotra antsika. Ary izany no nilana famonjena.Arak'izay hita eto dia i Jaona no nantsoina hanao an'izany asa izany. Mitory ny batisan'ny fibebahana ho famelankeloka. Inona moa no dikan'izany. Tany an'efitra izay manamorona an'i Jordana izay sady anaovany koa ny batisa. Mazava ny asa izay ataon'i Jaona dia izay voalaza ao amin&rsquoIsaina 40 3 - 5.
Asa izay mitory ny lalàna handalovan'i Jesosy, lalana mahitsy ,tsy mikitoatoantoana, tsy misy miakatra sy midina. Izany hoe lalàna mahitsy sy marina. Ary dia izany koa no tadiavina amintsika ny hananan-tsika fo mahitsy sy marina eo amin'Andriamanitra. Ny helotsika no mahatonga antsika tsy hanana izany. Izany no mahatonga ny olona hiaiky ny helony alohan'ny hanaovan&rsquoi Jaona batisa azy. Izany koa moa dia mbola arahintsika hatramin'izao. Batisa izay lazaina fa natao tany Jordana. Rano manapaka ny firenana jiosy eo ampovoany ka mampisy fifandraisana amin'ny avaratra sy ny atsimo. Tahaka ny rano izay mapiray ny Zanak'Isiraely na ny rà izay manondraka koa ny tenantsika ha mahatonga antsika ho velona. Io rano io no nanaovan'i Jaona batisa (batisa izay azo adika koa ho atsoboka) ho an'ireo izay miaiky ny fahotany ka vonona ny hiova lalam-piainana amin'izany; Izany rano izany no tandidon'ny fanadiovan'ny Fanahy masina azy. Tsy voalaza eto ny hoe izany no mamela heloka fa mazava loatra fa Andriamanitra satria i Jaona dia mpanao batisa ihany fa tsy mpamela heloka. Ary izany no mampiavaka azy amin'i Jesosy.
> Tanjona ny asan'i Jaona
> Fahazoana famelan-keloka ary izany famelankeloka izany no mitaona antsika koa handray ny famonjen'Andriamanitra. Izany no mampibosesika ny olona satria ifanenjehana izany fanjakan'Andriamanitra izany. Mahatonga ny olona handinitena ny toriten'i Jaona. Tsy izay asanireo ray amandrintsika hoy izy no ahazoantsika ny famonjena amin'ireto Jiosy ireto. Tsy ho zana'i Abrahama ianareo dia ampy izay.Fa aoka hamoa voamiendrika ny fibebahana. Ary dia izany koa no toriana amitsika anio. Ny hamoa voa miendrika ny fibebahana izany hoe raha dika : Ny voa no ahafantarana ny hazo. Tsy misy pibasy manome paiso ohatra. Toy izany koa ny kristiana, ny maha kristiana ny kristiana dia ny fananany an'i Jesosy Tompo ho tompony sy mpamonjy azy. Tsy manao toy ny mpitari-bato vilam-bava ka hava ny tondroin&rsquony molony ary hafa no tenenin'ny vavany. Fa raha tena kristiana isika , izay ataontsika rehetra, ny fiteny, fihetsika, fisainana sns dia ahafantaran'ny olona fa kristiana izaho, ianao, isika. Izany no voa izay entinao.
> Mipetraka amintsika ary ny fanotaniana hoe voa inona moa izany no mba nentiko, nentinao, nentitsika ? Betsaka ireo izay niaraka tamintsika teto no tsy nahita famelan-keloka avy tamintsika nohon'ny antony maro. Raha efa navelan'Andriamanitra ny helontsika dia isika koa tokony mba hifamela heloka. Io fifamelakeloka io no anisan'ny voa izay entin'ny kristiana. Tsy mora io fa tena henjana kanefa dia tsy maintsy sedraina sy atao. Ny Tompo no manao ny sisa.
> Ny Tompo dia maniry ny hahitanao ny voninahitr'Andriamanitra ary indrindra ny famonjeny. Izany no anton'ny advento, tsy ny fiomanana fotsiny ihany handray ny fahatongavan'Ilay Mpanjakan'ny fiadanana akory fa ny fiovana tanteraka ahazoana manana an'Ilay andrianan'ny Fiadanana. Mba ahazoantsika mahita ny famonjen'Andriamanitra.Izany fanmojena izany dia tsy lavitra anao fa eo ...akaiky anao. Koa raiso ary tazony hipetraka ao am-po ho fiainananao.

FPMA DIJON

10 desambra 2006

 
< Précédent   Suivant >
 
Joomla Templates by Joomlashack