|
Lazao amin’I Ziona zanakovavy hoe: “Indro ny Mpanjakanao avy ho anao” Matio 21: 5.
Advento: ‘Ho avy ny Tompo.” Ny teny Latina hoe ‘adventum’ no nadikantsika Malagasy hoe, ‘advento’. ‘Fiaviana’ no dikany amin’ny teny tsotra andavanandro. Ny fiavian’ny Tompo Jesoa Kristy no tian-kolazaina amin’izany. Ny herinandro efatra mialoha ny Krismasy no antsoin’ny Fiangonanan Kristiana hoe, ‘Advento’.
Zavatra roa loha no tian’ny Fiangonanan ho banjinin’ny Kristiana ary hankalazainy mandritry ireo efatra herinandron’ny Advento ireo:
1) Fibanjinana ary fiomamanana amin’ny fiaviana’i Jesoa Kristy ho olom-belona, Andriamanitra tonga nofo. Fanomananan ny olona handinika ny hevitr’izany sy handrindra ny fiainany hifanaraka amin’ izany zava-dehibe niseho teto anivon’izao tontolo izany. Natao alohan’ny Krismasy izany satria io no fotoana ifaneken’ny Kristiana ankalazana ny fahatongavan’ Atra ho nofo ao amin’ilay zazakely antsoina hoe, Jesoa.
2) Fibanjinana ny fiavian’I Jesoa Kristy fanindroany amin’ny fomba hita-maso indray eto amin’izao tontolo izao. Ny Baiboly dia milaza fa iny Jesoa hitan’ny Apostoly niakatra velona tany andanitra iny, dia mbola hiverina indray toy ny nahitany Azy niakatra any andanitra (Asa 1: 11).
Manao ahoana ary no fankalazantsika ny Advento izao?
Fiomananan ny fandraisana an’ Andriamanitra tonga nofo ao amin’ilay zaza Jesoa na fiomanana ny amin’ny Krismasy. Ny Advento dia natao hiomanantsika amin’ny Krismasy. Misy zavatra mahagaga eto amin’izao tontolo izao. Amin’ny firenena mandroso toy ny Etazonia, dia iray volana mialoha ny Krismay ny olona no mitsioka ny kiririoka fankalazana ny Krismasy aorian’ny antsoina hoe, “Thanksgiving”, na andro fisaorana.
Manomboka hatreto ny fiomanana ho amin’ny Krismasy. Ao anatin’ity fotoana ity no misy ny fidiram-bola be indrindra ho an’y mpivarotra eran’izao tontolo izao, indrindra fa ny firenena mirona amin’ny finoana Kristiana.Mivarotra, mividy, manomana fanomezana, mandefa fifampiarahabana sns. Ireo no endrika lehibe indrindra fiomanan’ny olona ho amin’Krismasy mandritry ny Advento. Izany ve no tokony hanakalazana ny Advento sy ny fiomananan ho amin’ny fiavian’ Andriamanitra eto amin’zao tontolo izao? Tsy ratsy akory ireo voalaza ireo, saingy mivaona tanteraka ireo fomba ireo raha ireo no fototry ny fiomanana ary mandany ny androa-tokon’ny fiainantsika sy herintsika mandritra ny Advento.
- Fanatonana an’i Jesoa Kristy amin’ny alalan’ny fandinihan-tena,
- fankalazana ao am-po ny fanomezan-dehibe entiny,
- fanadiovana ny fiainam-panahy,
- fibanjinanan ihany koa ireo izay mila fanampiana sy famonjena no hevitra vitsivitsy atolotro hanomanantsika ny fiavian’ny Tompo amin’ny Krisamasy ankoatry ny fomba fanao.
Fanomanan ny fo sy fanahy no azo amintinana azy. Fandinihana ny fiaina’I Jaona Mpanao Batisa sy ny famianiany matetika no dinihina mandritry ny Advento. Ao koa ireo faminaniana ny amin’ny fomba hahaterahan’ny Tompo. Fibebahana ary fivononana hampiditra an’i Jesoa ao ampo no fotokevitra miverina matetika amin’ny Advento. Mipetraka eo ampototry ny tongotr’I Jesoa mihaino ny teniny no fomba iray hafa azontsika ankalazana ny Advento, mitovy amin’I Maria, Lioka 10: 38-42. Fiomanana handray an’I Jesoa ao ampo.
Moa miomana amin’izany ve ianao?
Io no fomba tiany indrindra. Izy ny no tompom-pety, ka izay tiany no tokony hataontsika fa tsy izay tiantsika fotsiny. Mivonona handray azy ao antranonao/fonao ve inaoa amin’izao Advento izao? Tonga eto aminao ny Tompo, te hitoetra ao antranonao Izy.
Advento, fiomanana amin’ny fiavian’i Jesoa indray na faharoa, hitondra ny fitsarana, hamarana ny tantaran’izao tonolo izao ary hitondra ny fanjakany tsy hanam-pahataperana. Io no hevitra faharoa tian’ny Fiangonanan hobanjinintsika amin’ny Advento.
Mampiorona ny finoantsika no anton’io fankalazana io. Fanambarana amin’ny tenantsika sy amin’izao tonotolo izao fa Atra ao amin’I Jeos Kristy no tompon’ny Tantara. Izy no Alfa sy Omega, ny fiandohana sy fiafarana. Hampamoahina eo anoloany avokoa ny olona rehetra na ny lehibe na ny kely, na ny maheery na ny osa, na ny ory na ny mpanan-karena, na ny fotsy na ny mainty sy ny sisa sy ny sisa. Inona no fankalazana sahaza amin’ity anton’ny Advento faharoa ity? Ny fiderana ao ampo, ny fanaovana hira sy Salamo,(Efesiana 5: 19-20), ny fankalazana avo sy ren-ny maro ny momba ny maha –Mpanjaka an’I Jeosa no fomba tsara indrindra, ny manamasina azy ao ampo. Ny fitoriana ny anarany sy ny fanjakany amin’ny fihetsika sy ny teny ao amin’ny herin’ny Fanahy Masina no fomba tsara indrindra.
Mirary Advento feno fifaliana ho anao aho.
Dr Rev. RAKOTOJOELINANDRASANA dia mpitandrina
Fiangonana Loterana iray any Etazonia
|